Tantara tamin'ny 12 Mey 2017
Tafintohina Tamin'ny Dokambarotra Milina Fanasan-damba Mampiseho Herisetra An-tokantrano Ireo Pakistaney
"Maharikoriko ilay dokambarotra ... .toa milaza izany fa tokony hirehareha amin'ny namany ny lehilahy amin'ny fidarohana ny vadiny"
Maneho Hevitra Ilay Mpanao Gazety Rosiana Tompon'andraikitra Tamin'ny Sarin'i Trump-Lavrov Nampiadihevitra
Miampanga ny governemanta Amerikana sy ny fampahalalam-baovao Amerikana ho "taitaitra loatra" i Alexandr Scherbak, mpaka sary fanao an,-gazety ao amin'ny TASS, ilay lehilahy naka ny sary mampiadihevitra tamin'ny Zoma tao amin'ny Birao Boribory lavalava.
Vehivavy Ekoatoriana iray Mpakasary, Miampanga Ny Fanararaotana Ataon'ireo “Klinika Mpitsabo ny Aretina Pelaka”
"Taona efatra lasa izao no nandrenesako voalohany ny momba ireny "klinika" ireny izay miteny fa mitsabo ny aretina pelaka eto Ekoatora. Voalohany indrindra dia noheveriko fa mety ho izaho ny iray amin'ireny vehivavy tazonina [any amin'ny iray amin'ireny ivontoerana] ireny"
Mpifindramonina ny Ampahatelon'ireo Mponina ao Riace, Vohitra ao Calabre
Ao Riace, mifanome tànana ny mponina ao an-toerana sy ireo mpifindramonina (500 amin'ireo 1.500 mponina ao) mba hamelona indray ny kolontsaina sy ny toekaren'ilay faritra.
Amerikana Mpianatra Lalàna Manampy Ireo Mpitady Fialokalofana, Nentanin'ny Tantaran'ny Fianakaviany Manokana
"Ny ankamaroan'ny zavatra hitanao amin'ny mpianatra rehetra, dia misy ny tranga tsy hita maso tamin'ny lasanao ka mitarika anao hanao karazana hetsika, na tsikaritrao izany na tsia",
Nilaza Ireo Mpanohana An'i Navalny Fa Ireo Hiringiriny Tohanan'ny Fanjakana no Nanafika An'i Nalvany
Nanaporofo ny lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny fa ilaina ny manana tanora mpanohana an-tapitrisany ao Rosia, izay mpiserasera aterineto mavitrika.
Nanjavona Indray Ny Filoha Ao Nizeria, Ary Te-hahafantatra ny Antony Ireo Nizeriana
Vao avy niverina avy any amin'ny Fanjakana Britanika i Buhari rehefa avy niala sasatra noho ny fitsaboana nandritra ny herinandro maromaro kanefa nitsikafona ny fanontaniana momba ny fahasalamany rehefa tsy tonga nanatrika ny fivorian'ny mpanatanteraka federaly izy tamin'ny 12 Aprily. Ary mbola tsy tao ihany izy.