Manamafy Ny Krizy Ara-tsakafo Misy Ao Amin'ny Firenena ny Korontana Ara-politika Ao Borondi

Tsenan'i Bubanza, Borondi. 17 Aogositra 2014. Sary avy amin'i Sara, via Wikimedia. Creative Commons Attribution-Share Alike 4.0 International

Tao anatin'ny volana vitsivitsy, niharan’ny krizy ara-tsakafo i Afrika Atsinanana. Ny toetr'andro tafahoatra sy mikorontana nateraky ny toetr'andro ratsy “La Niña-El Niño” no niteraka tsy fisian'ny tahirin-tsakafo sy nahatonga ny fiakaran'ny vidin-tsakafo  tao amin'ny firenena maromaro, anisan'izany i Kenya sy i Tanzania. Manao fanairana ireo sampan-draharaha misahana ny Fanampianamitaky hetsika avy hatrany mba hisorohana izay fiverenan'ny mosary mahatsiravina tamin'ny taona 2011 tao Somalia.

Amin'ny tranga sasany, na izany aza, manampy trotraka ity olana ity ny korontana ara-politika.

Namely ny fambolena ny tsy fahantarana mialoha ny haitraitran'ny toetrandro, ahitana orambe sy hain-tany maharitra ao Borondi. Niantraika tamin'ny fandehanana any an-tsekoly ny tsy fahampian-tsakafo naterak'izany ary nitarika fahafatesana noho ny hanoanana. Tamin'ny volana Janoary, nanao fanadihadiana sy niantso fanampiana iraisampirenena ireo sampan-draharaha misahana ny vonjy aina maha olombelona, na dia tsy mety mamaritra ny toe-javatra ho vokatry ny “mosary” aza ireo minisitra fa aleony milaza ny teny hoe ‘tsy fahampian'ny‘ famokarana ara-pambolena.

Araka ny filazan'ny Olucome [ONG miady amin'ny kolikoly ao Borondi], tokony hiantso fanampiana iraisam-pirenena ny fanjakana mba hanamaivanana ny mosary

Eo amin'ny ampaha efatry ny mponina ao Borondi — tokony ho olona 3 tapitrisa — no voalaza ankehitriny fa mila fanampiana ara-tsakafo. Niteraka famindran-toerana ny tsy fahampian-tsakafo, ka olona maherin'ny 400 000 no lasa mpitsoa-ponenana voasoratra anarana ao amin'ny Firenena Mikambana ary tombanana ho 150.000 ireo nafindra toerana ao anatiny.

Nilaza ny manampahefana fa ny krizy ara-tsakafo ihany no anton'ny famindra-toerana. Na izany aza, tamin'ny volana Marsa, nitatitra ny Radio Okapi an'ny ONU ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo fa noho ny korontana ara-politika no antony nitsoahan'ireo mpitsoa-ponenana vaovao ao amin'ny firenena. Nisy ireo efa niverina saingy mbola misalasala amin'ny antson'ny governemanta mba hiverina hody kosa ireo Borondey sasany an-tsesintany any Ogandà, milaza izy ireo fa mbola manohitra ny fe-potoam-piasàna fahatelon'ny filoha Pierre Nkurunziza.

Ruyigi [faritany]: ratsy ny vokatry ny fambolena katsaka noho ny toetr'andro ratsy

Nitarika krizy ara-politika ny fanapahan-kevitry ny filoha Nkurunziza tamin'ny taona 2015 hijanona eo amin'ny fahefana taorian'ny fe-potoam-piasany faharoa, ka nanjaka tamin'izany ny “herisetra, tahotra, sy ny fitotonganana ara-tsosialy sy ara-toekarena ary nihalalina ny hantsana ara-tsosialy”, araka ny nosoratan'ny Vondrona momba ny Krizy Iraisampirenena tamin'ny volana Mey 2016. Nilaza ny Fikambanana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena ao amin'ny Firenena Mikambana fa raha niteraka olana ara-tsakafo ny faharatsian'ny toetr'andro, nanamafy izany kosa ny korontana ara-politika ao Borondi.

Efa mahazatra ny tatitra momba ny tsy fahampiana sy ny fidangan'ny vidin’entana fototra ilaina andavanandro – 13,8%  tamin'ny taona 2016, ary vao maika nanasarotra ny fifanakalozana isan'andro ny tsy fahampian'ny vola taratasy. Nisy fiantraikany tamin'ny fanafarana entana ny fitotongan'ny Franc, vola Borondi, manampy izany ny fihenan'ny famokarana sy ny vola miditra ka miantraika amin'ny maro amin'ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fiakaram-bidiny. Nanamarika anefa ny Rafitra Tambajotra Fampandrenesana Mialoha ny Mosary fa antenaina hampitombina ny vidin-javatra “ambony tsy mahazatra” ny voka-pambolena tsara kokoa amin'ny manaraka.

Manasongadina ny fiaintraikany isan'andro, namariparitra ny hasarotam-piainana iainan'ny ankizy iray, mandeha mianatra anaty hanoanana, tsy afaka mividy zavatra ilaina andavanandro ilay bilaogera Bella Lucia Nininahazwe:

Seigneur, mes chaussures sont déjà usées, et je vois déjà le visage de maman s’obscurcir quand je vais lui dire que j’ai besoin de nouvelles chaussures. Je sais déjà sa réponse : «  Tu sais que les prix montent vite ma fille, aujourd’hui je peine à trouver ce que vous allez manger, attends que je trouve de l’argent et je t’achèterais de belles chaussures ».

“Andriamanitra ô, efa tonta ny kiraroko, ary efa hitako sahady ny endrik'i mama ho maloka raha hilaza azy aho fa mila kiraro vaovao. Fantatro sahady ny valinteniny: “Fantatrao fa miaka-bidy haingana ny vidin-javatra ry zanako vavy, zara raha mahita izay hohaninao aho androany, andraso fa rehefa mahita vola aho dia hividianako kiraro tsara tarehy ianao”.”

Nanampy ireo fanamby hafa mihatra amin'ny olona an-tapitrisany ny fitomboan'ny trangan'aretina tazo – noho ny fikorontanan'ny toetr'andro sy ny tsy fandriampahalemana, araka ny filazan'ny Fikambanana Manerantany misahana ny Fahasalamana. Nanambara ny fisian'ny valan'aretina malaria [tazo] ny Minisitry ny Fahasalamana ao Borondi tamin'ny 13 Marsa. Nitatitra momba ny fiakaram-bidim-piainana sy ny tsy fisiana mahatonga ny maro tsy mahatakatra ny fanafody ilaina isan'andro ihany koa ny gazety Iwacu.

Inona ny fiandrianana ho an'ny firenena izay mila fanampiana ara-tsakafo ny ¼ ny mponina ao aminy?

Anisan'ireo firenena mahantra indrindra manerantany i Borondi, noho izany, tsy dia manana loharanon-karena sy fahafahan'ny fotodrafitrasa mamaly sy manarina ny krizy voajanahary izy. Niteraka tsy fahampian'ny tetibola izay nisy fiantraikany tamin'ny fepetran'ny fanjakana amin'ny tsy fahampian-tsakafo ny famerana ny fanampiana vokatry ny krizy ara-politika. Mijaly amin'ny kolikoly ihany koa ny firenena –  laharana faha 159/176 amin'ny tondro momba ny kolikoly taona 2016 avy amin'ny Transparency International izy – izay manohintohina ny fitantanam-panjakana.

Mihevitra ny hafa fa ny faharetana amin'ny dona no anisan'ny fahaleovantena ara-toekarena, araka ny nasongadin'ilay mpisera Twitter Emmanuel ho valinteny ho an'ny Minisitra Alain-Aime Nyamitwe ao Borondi niresaka momba ny fifandraisana ara-diplaomatika.

Ikihiro: Antsafa lehibe: “Manana ny fiandrianam-pirenena i Borondi ary i Belzika no farany mahafantatra izany”

Emmanuel: Inona no fahaleovantena ho an'ny firenena izay ¼ ny mponina no mila fanampiana ara-tsakafo?

Valintenin'ny iraisampirenena

Nilaza ny sasany fa ny fikorontanan'ny toeetrandro no tompon'andraikitra amin'ny krizy ka tsy tokony ampiasaina hahazoan'isa ara-politika ny mosary:

Ny mosary manjaka ao Borondi dia noho ny fikorontanan'ny toetrandro ary namely ny faritra rehetra. Tsy misy olona tokony hanararaotra izany amin'ny lafiny politika

Indrisy fa niharava nanomboka tamin'ny taona 2015 ny fifandraisana teo amin'i Bujumbura sy ny mpiara-miasa iraisampirenena. Tamin'ny faramparan'ny taona 2016, nanamafy ny fitokana-moniny i Bujumbura tamin'ny fampihenana ny fiarahamiasa amin'ny Fitsarana Iraisampirenena Misahana ny Heloka Bevava sy ny Sampana misahana ny Mpitsoa-ponenana ao amin'ny Firenena Mikambana, ankoatra ny hafa, ary nanakana ny valiny mety amin'ny krizy ihany koa ny fisaratsarahan'ny iraisampirenena. Tsy nety noraisin'ny firenena ihany koa ireo mpitandro ny filaminana nalefan'ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambanana mba hanampy hametraka filaminana.

Voalaza fa nipoitra vao haingana ireo vatana mangatsiaka maromaro, ary mitaky ny hanasaziana izay tompon’ andraikitra ireo ONG lehibe malaza. Naneho ahiahy manoloana ny fitohizan'ny fanitsakitsahana zo sy ny famoretana.ara-politika ny tatitra avy amin'ny Sekretera Jeneraly vaovaon'ny ONU, Antonio Guterres, ho an'ny Filankevi-piarovan'ny Firenena Mikambana. Sahiran-tsaina ihany koa izy fa mety hirotsaka hofidiana faninefany ny filoha Nkurunziza, izay mety hanamafy ny disadisa.

Ho setrin'izany, nangataka tamin'ny Firenena Mikambana ny filoha lefitra Gaston Sindimwo mba hanaisotra ny mpiasany rehetra ao Borondi, mitaraina fa disoim-baovao vaovao ireo tsikera. Niampanga an'i Rwanda sy ny Tandrefana, indrindra fa i Belzika ho mitetika ny fanonganana azy ihany koa ny manampahefana.

Miankina amin'ny fanjakana, ny fikambanana iraisampirenena ary ny ONG izay mahavita miatrika na fara faharatsiny miasa manoloana ny disadisa ny fepetra mahomby ao anatin'ny fotoana fohy mba hanampiana ireo manana filàna maika, alohan'ny hidirana amin'ny olana maharitra. Raha tsy izany, maro ireo mety hiatrika faharatsiam-pahasalamana sy famindran-toerana hafa indray noho ny korontana ara-politika misy ankehitriny miaraka amin'ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny fanafody.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.