Tantara tamin'ny 20 Avrily 2017
Manamafy Ny Krizy Ara-tsakafo Misy Ao Amin'ny Firenena ny Korontana Ara-politika Ao Borondi
Raha iharan'ny krizy ara-tsakafo lehibe i Afrika Atsinanana manontolo noho ny faharatsian'ny toetrandro, vao maika nihamafy ny toe-draharaha noho ny korontana ara-politika ao Borondi.
Mikomy Ny Tanora Rosiana
Nankahery ny fanentanana amin'ny ady amin'ny kolikoly ataon'i Alexey Navalny tamin'ny fandrisihina ireo mpanabe any an-dakilasy sy fizaràna ny sarin'ireo mpampianatra sy mpitantana miezaka mamoky ireo mpianatra amin'ny hevitra manohitra hetsika ara-politika ireo tanora Rosiana.
Rosia: Sambany Misy Fampiharana Vahiny Natao Fampitàn-kafatra Nampidiriny Ho Ao Anatin'ny Firaiketana Federaly
Sambany hatramin'izay, no nampidiran'ny Roskomnadzor, ilay mpanivana federaly ao Rosia, fampiharana fampitàn-kafatra avy any ivelany ao amin'ny aterineto ho ao amin'ny " firaketana ireo fandrindràna sy fandefasana vaovaony", ny orinasa Soisa Threema.
Mampisalasala ny Revirevy Xiongan An'ny Filoha Shinoa
"Ao Hebei, izay itokisan'ny olona ny toekarena voarafitra, ahoana no ahafahan'izy ireo misarika sy mahazo olona hafa mandeha manohitra ny fanjakazakan'ny efa mijoro ho rafitra?"
Ho an'ny Governemanta ao Venezoelà, “Fampihorohoroana” ny Fanaovana Hetsipanoherana
"Tsy ampy velively ny vola, tsy misy ny fanafody, ary feno manao heloka bevava ny arabe, dia izaho no tsy ho avelanao hanao hetsipanoherana ambonin'izany rehetra izany?"
Ezahan'ny Parlemanta Albaney Sarotsaronana Amin'ny Resaka Fanavaozana Ara-pitsaràna Dia Dioviny ireo Politisiana Mpisoloky Ao Aminy, Hoy ireo Mpanakiana
Taorian'ireo hetsipanoherana, nolavin'ny filohan'i Albania ny hanasonia ilay lalàna izay mety hanala ny sazin'ireo politisiana marobe mpanao kolikoly. Saingy mety mbola hivadika ho lalàna ihany ilay izy, na ho inona na ho inona ataony.
“Ny Vatana no Maty, Fa Tsy Ny Firenena”: Izay Nesorin'ny Olan'i Venezoelà Tamintsika
"Taona roa lasa izay... tsy nisy resaka ihany momba ireo olona mitady izay harapany any anaty fioeram-pako. Ankehitriny, tsy hoe io ihany no karohin-dry zareo, fa miady mihitsy izy ireo hahazoana izany"
Milaza Ireo Afrikana Tatsimo Sasany Fa Tsy ny Filaharan'ny Famatsiam-bola Fotsiny Ihany no Tratran'ny Tsy Fanjariana ao amin'ny Firenena
Miampanga ny filohan'ny firenena izy ireo, ny hantsana ara-tantara sy mitranga ankehitriny , ary ny sampan-draharaha mpanadihady ny tahan'ny fampindram-bola manokana rehefa navarin'ny &P Global Ratings sy ny Fitch i Afrika Atsimo.
31 Taona Aty Aoriana, Niverina ny Hazavana Ao Chernobyl
Tamin'ny herinandro lasa, nisy andianà poloney mpandehandeha nanapaka hevitra ny handrehitra indray ireo jiro ao Pripyat, tanana haolo any amin'ny efatra kilaometatra mahery miala ny vondrom-pihary herinaratra ao Chernobyl
Namoaka Boky Mirakitra ny Tantaran'ny Wikipedia Amin'ny Teny Arabo Ny Wikimedia Am-piposahan'ny Masoandro
Nivoaka ny boky voalohany mitantara ny tantaran'ny Wikipédia, iray amin'ireo boky vitsy an'isa eto amin'izao tontolo izao mirakitra ny rakipahalalana.