Hong Kong : Ny Worker News Izay Namaky Bantsilana Ireo Anganongano Momba Ireo Mpitsoa-Ponenana No Nahazo Ny Loka
Azon'ilay andianà vaovao natolotry ny Worker News (mpiasan'ny vaovao) tamin'ny famakiana bantsilana ilay fiheverana fa “mpitsoa-ponenana sandoka” ireo mpitady fialokalofana any Hong Kong ny Lokan'ny Asa Fanaovana Gazety Mendrika Indrindra tamin'ny lokan'ny E-Citizen nokarakarain'ny vondron'ny olom-pirenena mpanao asa soa inmediahk.net sy ny Fikambanana Kolontsaina sy Fanabeazan'ny Haino Aman-jery mba hampiroboroboana ny tati-baovao tsy nalain-tàhaka, ny sariitatra ara-politika, ny lahatsary fanadihadiana ary ny sary amin'ny aterineto.
Ity manaraka ity ny tafatafa tamin'ny mpitati-baovao an-tsitrapon'ny Worker News notarihin'i Betty Lau ary navoaka tao amin'ny inmediahk.net tamin'ny 16 Desambra 2016. Naparitaky ny Global Voices ny dikany amin'ny teny anglisy noho ny fifanarahana fiarahana miasa.
Aingam-panahy avy tamina pejy Facebook izay nirakitra ilay fitokonana 40 andro nataon'ireo mpiasa mpibata entana tany Hong Kong tamin'ny 2013 izy io, nisy maromaro ireo mpanohana ilay fitokonana nanapakevitra ny hanokatra tranonkalam-baovao izay manome sehatra ho an'ny olontsotra. Avy eo ny Worker News, araka izay niantsoana azy, dia nanomboka niasa tamin'ny 2013.
Mpiasa an-tsitrapo dimy na enina no miandraikitra ilay haban-tranonkalam-baovao. Miasa fotoana feno ny ankamaroan'izy ireo, ary dia nanapakevitra ny hanome ny ampahafolon'ny karamany ry ,tamin'ny Jolay 2015, mba hanakaramana mpiasa miasa tapak'andro ho an'ny asa fanoratana ao amin'ilay haban-tranonkala.
Ankoatra ny fanaovana tatitra momba ny fepetran'ny asa ao an-toerana, dia mampahafantatra ireo vaovao mifandraika amin'ny zon'ny mpiasa any amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao ihany koa ry zareo.
Andiana tantara anankidimy manakiana ny fiheverana, natosiky ny mpanao politika sy ireo haino aman-jery mpanome vaovao ao an-toerana, fa “mpitsoa-ponenana sandoka” ireo mpitady fialokalofana tonga any Hong Kong, no asa nahazoan-dry zareo ilay lokan'ny E-Citizen.
Momba ilay Fifanarahan'ny Firenena Mikambana manohitra ny fampijaliana, ny fanaovana habibiana, ny fanaovana tsinontsinona ny maha-olona na fanambaniana na fanasaziana ilay tantara voalohany. Tamin'ny taona lasa, nandrahona ny hiala tamin'ilay fifanarahana ilay Filoha Mpanatanteraka ao Hong Kong, Cy Leung mba hampitsaharana ny fidiran'ireo “mpitsoa-ponenana sandoka” tany. Setriny, niresadresaka tamin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ireo mpitati-baovaon'ny Worker News mba hanasongadinana fa io ny fanaovana toy izany dia mety hidika fa tsy voatery hametraka komity mahaleo tena hanadihady ny fanamparan-kery ataon'ny mpitandro filaminana ny governemantan'i Hong Kong.
Hazavain'ny tantara faharoa ilay fifandirana naharitra folo taona teo amin'ny raharaham-pitsarana momba ny tsy fahombiazan'ny governemantan'i Hong Kong tamin'ny fametrahana ilay rafitra tsy miangatra fitarainana noho ny fampijaliana amin'ny fizahàna ireo mpitady fialokalofana. Niafara tamin'ny fampiatoana ilay fampiharana fizahàna ireo mpitaraina ho nampijaliana ilay fifandirana tamin'ny Desambra 2009. Vokany, mpitady fialokalofana 6699 no mihitsoka ao Hong Kong miandry ny rafi-pitiliana vaovao. Tamin'ny volana Febroary 2014 vao nanomboka ny rafi-pitiliana iraisana hizahàna ireo mitaraina ho nampijaliana. Nahatratra 11364 no fitambaran'ny isan'ireo nitaraina ho nampijaliana.
Ny lahatsoratra fahatelo dia mandiso ireo fitarainana sandoka telo — voalohany, sandoka izy ireny ; faharoa tonga mba hankafy ny sakafo maimaimpoanan'i Hong Kong ry zareo ; ary fahatelo mpanao heloka bevava ry zareo — naelin'ireo mpanao politika sy ny haino aman-jery ao an-toerana momba ireo mpitsoa-ponenana.
Ny lahatsoratra fahaefatra dia manangona ireo fitakiana sandoka maro, ireo fahadisoan-kevitra sy fanehoankevitra manavakavaka momba ireo mpitady fialokalofana sy ireo mpitsoa-ponenana ataon'ireo haino aman-jery mahazatra ao an-toerana sy ireo mpanao politika mpomba an'i Beijing.
Ary ny tantara farany dia tantara-nà vehivavy mpitady fialokalofana iray avy any Jos, tanàna iray any Nizeria. Satria Kristiana izy, hoy izy, dia lasa lasibatry ny fanafihan'ireo silamo mpikatroka ao amin'ny faritra. Ho any Kanadà hitady fialokalofana no paikadiny, saingy voatànan'ireo tompon'andraikitra momba ny fifindràmonina any Hong Kong. Efa ho enina taona izao izy sy ny zanany anankitelo no mihitsoka ao Hong Kong.
Nohazavain'i Tam Kong ny antony nanarahan-dry zareo ilay tantara :
近年在香港,只要是外來人口就有原罪。一講他是難民,背後就有一大堆假設:他是來免費食我們的糧食、搞亂香港、污糟、沒有文化……全部都在未經證實的情況下散播… 當政黨和媒體挪用這些虛假印象去獲取利益,惟工的責任就是還原事實。
Tao anatin'ny taona vitsy, dia niroborobo ny fitsaratsaràm-poana ataon'ny fiarahamonina any Hong Kong ireo olona avy any amin'ny firenena hafa. Raha toa ka mpitsoa-ponenana ilay olona, dia heverin-dry zareo fa maloto sy tsy mahay na inona na inona, tonga mba hankafy ny sakafo maimaimpoana fotsiny ry zareo, mitondra korontana… izany fitsaratsaràm-poana tsy mitombina rehetra izany no aparitaka. Raha toa ka ny fampiasàna tantara diso tahaka izany amin'ny haino aman-jery no heverin'ny mpanao politika hahazoana tombony, dia andraikitray ny mampiseho amin'ny vahoaka ny sary tena marina.
Mpikambana roa ao amin'ny ekipan'ny gazety Worker News no nanolo-tena handinika ilay rafitra momba ny mpitsoa-ponenana any Hong Kong sy ny tantara, ary nampiasa torohay an-tsary ry zareo mba hanampiana ny mpamaky hahafantatra bebe kokoa ilay olana :
香港的歷史,就是難民進進出出的歷史。香港人口有一大部份是內地移民,同時也有很多香港人,由於害怕政治不穩而移居別國…在某些情況下,那些人要以政府不容許的方法來到香港,而有些人用政府容許的方法離開香港,去到其他地方,但其實背後的邏輯很相似,就是要逃避不穩定,到一個比較安穩的地方,繼續生活。
Mivoaka sy miditra an'i Hong Kong ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny tantara. Avy any amin'ny tanibe Shina ny ampahany be amin'ny mponin'i Hong Kong. Hong-Konge maro no voatery nifindra monina any amin'ny firenena hafa mba handositra ny korontana ara-politika [ andianà fifindràmonina faobe anankitelo no nisy taorian'ny fanambaran'i Deng Xiao Ping ny drafitra hanakambanana an'i Shina amin'i Hong Kong tamin'ny 1981, ny famoretana tao Tiananmen tamin'ny 1989 ary talohan'ny namerenana an'i Hong Kong ho an'i Shina tamin'ny 1997]… Mitovy ny antony manosika ireo olona izay mandositra an'i Hong Kong amin'ny làlana tsy ara-dalàna ambanin'ny tany Hong-Konge hifindra monina any amin'ny firenena hafa. Te-hiaina anatinà tontolo iray tony izy ireo.
Nolazain'ilay mpikambana iray hafa ao amin'ny ekipan'ny mpanao gazety, Ah Fei, fa fanamby ny faharetana rehefa haban-tranonkalam-baovao no resahana :
搞網媒其實不是門檻低的事。現在新的網媒興起,基本上是紙媒那種資本競爭的延伸。你沒錢賣廣告,沒有資源涵蓋更多議題,就會令收視跌。
Tsy mora araka ny hiheveran'ny olona azy ny mitantana haino aman-jery amin'ny aterineto. Mitovy amin'ny an'ny haino aman-jery mahazatra ihany ny fitsipi-dalao. Rehefa tsy misy ny ho enti-manana hampiroboroboana ny sehatra sy tsy mamokatra tantara ampy ianao, dia hiafara amin'ny fahavitsian'ny mpitsidika ny haban-tranonkala izany.
Tsy noho ny isan'ny pejy voajery no antony manosika ireo mpiara-miasa ao amin'ny Worker News hanohy ny asany fa ny asa fanorenana fiarahamonina fototra izay ahafahan'ireo mpiasa mianatra sy mitarika ny hafa. Ho fanatanterahana izany dia namorona tambajotra fifampizaràna eo amin'ireo mpikarakara sendikà sy ONGs ry zareo mba hitarihana ireo tantarany vaovao av amin'izy ireo ho any amin'ny mpiasa sy ny olontsotra.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...