Mandoto Rindrina Amin'ny Pejy Facebook Vaovao Natsangan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shinoa Ireo Mponina ao Hong Kong

Pikantsarin'ny pejy Facebook-n'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahinin'i Shina ao Hong Kong.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Elson Tong ary navoakan'ny Hong Kong Free Press voalohany tamin'ny 22 Marsa 2017. Navoaka ity dika nasiam-panovàna ity noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nanokatra pejy Facebook ofisialy ny sampan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shinoa ao Hong Kong, nahatonga ireo mpiserasera tao amin'ny faritra mizakatena nameno ny pejy tamin'ny fanehoan-kevitra tezitra. Voasivana ao amin'ny tanibe Shina ny tambajotra sosialy goavana, saingy tsy ao amin'ny fari-pitantanana manokan'i Hong Kong sy Macao kosa izany.

Tamin'ny 21 Marsa, nanatontosa lanonana fampahafantarana izany ny biraon'ny Vaomieran'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Hong Kong ary nanindry bokotra nampiditra ity lahatsoratra voalohany ity tamin'ny teny Kantoney:

好啦!咁其實我地係負責咩工作呢?香港實行“一國兩制”,相信大家都知啦,國家有外交部去處理國與國之間的關係,咁香港唔係一個國家,同香港相關外交事務就由我地負責啦。That's why we exist.

Eny,inona tokoa no tena andraikitray? nametraka ny “Firenena Iray, Rafitra Roa” i Hong Kong, mino izahay fa mahafantatra izany ny tsirairay – ary manana minisiteran'ny raharaham-bahiny ny firenena hikarakara ny fifandraisan'ny samy firenena. Fa tsy firenena i Hong Kong, ka mikarakara ny raharaha ara-diplaomatika mifandraika amin'i Hong Kong izahay. Izany no antom-pisianay.

Namazivazy ny pejy noho ny fampiasana ny mpanoritra fitompoana Kantoney (嘅) fa tsy ny (噶) ny mpiserasera sasany. “Maninona ianareo no tsy mitady Hongkongey mpanitsy lahatsoratra?” hoy ny mpaneho hevitra iray nanontany.

Araka ny fitsipika “firenena iray, roa rafitra” voasoratra ao amin'ny Fanambarana Miaraka Nataon'ny Shinoa-Britanika sy ny Lalàna Fototra ao amin'ny tanàna, tamin'ny fanoloran'ny Fanjakana Mitambatra (UK) an’ i Hong Kong ho an'ny vahoakan ‘i Shina, mbola tsy miova, fara fahakeliny mandritra ny 50 taona hatramin'ny taona 2047 ny rafitra kapitalista ao amin'ny tanàna sy ny fomba fiainany. Saingy nampiseho marika tsy fananana faharetana i Beijing tao anatin'ny taona vitsivitsy, miha mitsabaka hatrany amin'ny raharaha anatin'i Hong Kong amin'ny alalan'ny fandraisana hafa ny dikan'ny Lalàna Fototra mba hamerana ny fanavaozana fifidianana sy manakana ireo mpanao lalàna mpanohana ny fahaleovantena, ary koa mampiasa teritery ara-politika tsy ara-dalàna mba hidirana an-tsehatra amin'ny fifidianana, ny politikam-panjakana sy ny fanendrena manampahefana sns…

Na dia eo aza ny fahazoana ekeko (like) latsaky ny 1000 tao anatin'ny iray andro nampahafantarana azy, nahazo fanehoan-kevitra an-jatony ny pejy, izay manohitra ny ankamaroany. Niantso an'i Beijing ireo mpaneho hevitra sasany mba hampitsahatra ny tsahony amin'ny fanohanana ny kandidà, lehiben'ny mpanatanteraka Carrie Lam, na mitory ny mpitarika amperin'asa Leung Chun-ying sy ireo lazainy fa mpanohana ny fanjakana Shinoa.

Tamin'ny 26 Martsa, mpikambana 1200 ao amin'ny komitim-pifidianana no hifidy ny mpitarika ambonin'ny tanàna. Ireo kandidà telo dia i Carrie Lam lehiben'ny sekretarià teo taloha, i John Tsang lehiben'ny sekretarià ara-bola taloha ary i Kwok Hing Woo mpitsara teo aloha. Saingy misy ny firesahana eo amin'ireo mpikambana ao amin'ny komity mpomba an'i Beijing fa Carrie Lam no kandidà tokana azo ekena. Maro no mihevitra fa tohanan'i Birao Fifandraisan'i Shina sy ny Lehiben'ny mpanatanteraka ankehitriny Leung Chun Ying i Carrie Lam, Leung Chun Ying dia tratra tamin'ny tantara fitondrantena ratsy noho izy tsy nanambara ny fifanarahana nataony mitentina 50 tapitrisa dolara HK tamin'ny orinasa Aostraliana UGL.

Nilaza tamin'ny minisitera ny hafa mba “hiverina ao amin'ny Weibo”, noho ny Facebook voasakana ao amin'ny tanibe.

Fb is blocked in China, go home… stick to your own fakes.

Voasakana ao Shina ny Fb….mifikira amin'ny hosokareo

Facebook是外國勢力
中國人用facebook就是賣國!一定收了美國黑金!

Fahefana vahiny ny Facebook. Azo antoka fa mpamadika ireo Shinoa mampiasa Facebook, mety notohanan'ny Amerikana izy ireo

強國不容許使用fb
若果你愛國嘅話,就乖乖地聽中國話,用返微博,qq啦

Mandràra ny FB ny firenena matanjaka
Raha tianao ny firenena, ankatoavy Shina ary ampiasao ny Weibo sy ny QQ.

Joshua Wong Mpitarika mpianatra nanoratra hevitra tao amin'ny pejy hoe:

撤回人大決定,落實民主普選,中共停止打壓!

Foany ny fanapahan-kevitry ny Kongresy Nasionalim-bahoaka, Ampiharo ny fifidianana demaokratika andraisan'ny rehetra anjara, tsy maintsy manajanona ny fampahoriany ny Antoko Komonista Shinoa!

Nankasitraka kokoa ny mpisera Facebook sasany. Nilaza tahaka izao ohatra ny iray tamin'ireo hevitra tao amin'ny pejy:

加強直接對香港市民了解是好事,因為現在中聯辦是個山寨王國,和一些人構成一個龐大利益集團,每事只想自己利益再先,視國家利益再後,尤其是回歸後才忽然愛國的那些,又經常誇大香港反動情況,騙取各種資源和權力,因香港越分化,那些人得到利益就越多,實質香港人大多希望團結和諧,法治和自由得到肯定而已,所謂國家好,香港好;香港好,國家也好,請好好看清香港實況呢。

Tsara ny miresaka mivantana amin’ ireo olom-pirenen'i Hong Kong. Ny Biraom-pifandraisana dia fanjakana milaza ho misolo tena ny firenena, nanjary vondrona mpiaro tombontsoa mametraka ho laharampahamehana ny tombontsoany ka mampanadino ny tombontsoam-panjakana izany. Ireo izay niova tampoka ho tia tanindrazana taorian'ny fiverenan'i Hong Kong ho an'i Shina [dia] ireo izay manohy amin'ny fanomezana vahana ny herin'ny mpanohitra ao Hong Kong mba hahazoana harena sy fahefana. Arakaraka ny izarazaran'i Hong Kong, no hahazoan’ izy ireo tombontsoa bebe kokoa. Maniry firaisan-tsaina sy firindràna ara-tsosialy ny ankamaroan'ny olona eto Hong Kong. Mila fanjakana tan-dalàna sy fahafahana fotsiny izy ireo. Mifampiankina ny manjò an'i Shina sy i Hong Kong. Azafady, diniho akaiky ny zava-misy marina eto.

Tsy vao voalohany izao ny governemanta Shinoa no nanangana pejy ofisialy tao amin'ny Facebook. Tamin'ny Septambra 2015, nanangana pejy Facebook ho an'ny Filoha Xi Jinping ny governemanta mba hifanitsy amin'ny fitsidihana an'i Etazonia. Nandrakitra ny zavatra nataony tamin'ny teny Anglisy hatramin'izao ny pejy – antsoina hoe “Xi’s Visit” na “Fitsidihan'i Xi”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.