Niteraka Fanehoan-kevitra Isan-karazany Ny Fitsidihan'i Benjamin Netanyahu Tao Aostralia

Netanyahu and Turnbull meet in Sydney

Ny praiminisitra Netanyahu sy Turnbull nihaona tao Sydney. Pikantsary avy amin'ny SkyNews Aostralia tamin'ny 22 Febroary 2017.

Manambara ny fitsidihana ofisialy voalohany ataon'ny praiminisitra Israeliana ao Aostralia ny fahatongavan'i Benjamin Netanyahu. Kanefa, tsy ny rehetra no mankasitraka ny fahatongavany.

Nanadihady momba ireo olana sasany ny The Wire, fandaharana miresaka ny raharaha ankehitriny ao amin'ny onjam-peon'ny fiarahamonina sy indizeny, izay niarahany tamin'ny Dr Peter Slezak, mpiara mpanorina ny fikambanana tsy miankina Feon'ny Jiosy Aostraliana sy mpikambana ao amin'ny biraon'ny Tambajotra Mpanandrateny ho an'ny Palestiniana sy Aostraliana, sy i Peter Wertheim, Tale mpanatanteraka ao amin'ny Vaomieran'ny fiarahamonina Jiosy ao Aostralia.

Nitanisa ny fibodoan'i Israely an'i Palestina i Slezak, ny tanàna naorina tao amin'ny faritra nobodoina sy ny rindrin'ny Morondrano Andrefana ao Israely izay ohatra amin'ireo fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenena sy ny zon'olombelona. Etsy andaniny, nilaza i Wertheim fa momba ny fifandraisan'i Aostralia sy Israely ny fitsidihana, fa tsy momba ny politika manokana amin'izao fotoana izao. Niresaka momba ny olan'ny ankivy atao amin'ny raharaham-barotra Israeliana mahazo tombontsoa amin'ny fibodoana ihany koa ny roa tonta. Afaka mihaino ny resaka manontolo eto ianareo:

Namoaka fanambarana mitsikera mafy (PDF) ny fitsidihana ireo enimpolo “malaza”-n'i Aostralia :

[…] over the last 50 years, Israel has held the people of Palestine under military occupation and: continues to illegally build settlements on Palestinian land in the West Bank and East Jerusalem; continues to confiscate Palestinian land; continues to demolish Palestinian homes; continues its policy of imprisonment of Palestinians without trial even of children as young as 12; and continues its blockade of the 1.8 million civilian inhabitants of Gaza.

We want all Israelis and Palestinians to have peace and freedom; we oppose all forms of terrorism and criminal violence by either side. We recognise when there is a gross imbalance of power, conflict will never be resolved. Mr Netanyahu’s policies consistently aim to provoke, intimidate and oppress the Palestinian population which increase that imbalance, thus taking Israel irretrievably further from peace. These policies are inconsistent with Australian values and beliefs and we should not welcome him here.

[…] Nandritra ny 50 taona, notazonin'i Israely teo ambany fibodoana miaramila ny mponin'i Palestina ary: manohy manorina tanàna amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny tany Palestiniana ao Morondrano Andrefana sy Jerosalema Atsinanana; manohy maka an-keriny ny tanin'ny Palestiniana; manohy mandrava ny tranon'ny Palestiniana; manohy ny politikany amin'ny fanagadrana Palestiniana tsy misy fitsarana na dia ho an'ny ankizy 12 taona aza; ary manohy ny fahirano ataony amin'ireo mponina sivily 1,8 tapitrisa ao Gaza.

Irianay ny Israeliana sy ny Palestiniana rehetra mba hanana fandriampahalemana sy fahalalahana; Toherinay ny endrika fampihorohoroana rehetra sy ny herisetra heloka bevava ataon'ny andaniny sy ny ankilany. Manaiky izahay rehefa misy ny tsy fifandanjam-pahefana lehibe, tsy ho voavaha mandrakizay ny ady. Ny politikan'i Netanyahu dia mikendry hatrany ny hihantsy, hampitahotra sy hampijaly ny vahoaka Palestiniana, izay mampitombo izany tsy fifandanjana izany, ary tsy azo ihodivirana fa mitondra an'i Israely ho lavitry ny fandriampahalemana kokoa. Tsy mifanaraka amin'ny finoana sy ny soatoavina Aostraliana ireo politika ireo ary tsy tokony handray azy eto isika.

Nientanentana ny governemanta kaonservativa an'i Turnbull ao Aostralia saingy nahazo tsikera mafy tao amin'ny media sosialy:

Manala baraka tanteraka ny fandokandokafana ity jiolahimboto Netanyahu ity

Noderain'ny voahilikilika iraisampirenena Netanyahu tahaka ny «firenena madio fijery» i Oz, nahoana ny governemantantsika no lasa [mankasitraka] olona tena tsy mendrika izany tahaka izao!

Manosi-bohontanana ny Firenena Mikambana i Turnbull noho ny latsa-baton'ny fanorenana tanàna tsy ara-dalàna talohakelin'ny fihaonana tamin'i Netanyahu. Mahamenatra Oz. Kanosa Ara-pitondratena ny praiminisitra

Maro ihany koa ireo nanohana ny fihetsiky ny praiminisitra mpanohana mafy an'i Israely

Misaotra @TurnbullMalcolm noho ny finamanana mavitrika tamin'i #Israel sy @Netanyahu. Ny HANY demokrasia mahomby ao #middleeast (afovoany atsinanana)

Misy ny ahiahy vitsivitsy eo amin'ireo mpanohitra ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana, izay efa mpanohana hatry ny fotoana ela an'i Israely. Nanohana ny fanomezana fankatoavana ara-diplaomatika ho an'i Palestina ireo praiminisitra roa teo aloha, Bob Hawke sy Kevin Rudd, ary koa ireo minisitry ny raharaham-bahiny roa teo aloha. Niteny mafy azy ireo i Netanyahou. Namaly masiaka tao amin'ny Facebookny i Rudd:

I have been a supporter of Israel all my life. And a public campaigner against any form of anti-Semitism. But to support the state of Israel does not mandate automatic support for each and every policy of Mr. Netanyahu.

Mpanohana an'i Israely nandritra ny fiainako aho. Ary mpanao fampielezan-kevi-panjakana manohitra izay endrika fankahalana Jiosy. Saingy tsy midika ho fanohanana hatrany amin'izay politikan'i Netahyahu rehetra ny fanohanana ny fanjakan'i Israely.

Nilaza ny alahelo taloha tamin'ny taona 2010 fony izy praiminisitra i Rudd – dia ilay Palestiniana Mahmoud Al-Mabhouh, izay noheverina fa novonoin'ny mpiasan'ny fitsikilovana Mossad Israeliana :

Will he use this visit to Australia to apologise to the Australian people for his government using forged Australian passports to facilitate an Israeli assassination of a member of Hamas in Dubai?

Hampiasa ity fitsidihana ity mba hiala tsiny amin'ny vahoaka Aostraliana ve izy noho ny governemantany mampiasa pasipaoro Aostraliana hosoka mba hanamoràna ny famonoana Israeliana ny mpikambana iray ao amin'ny Hamas tao Dubaï?

Nahazo tsikera marobe avy eo ny praiminisitra teo aloha:

Miasa ho mpitondratenin'ny Palestiniana i @MrKRudd manantena hahazo asa ao amin'ny [Firenena Mikambana] @UN

Tao koa ireo fanohanana marobe tamin'ny media sosialy:

@MrKRudd Misaotra tamin'ny fijoroanao manohitra an'i @netanyahu.

Jiosy kosa ny sasany tamin'ireo feo:

Tsy niteny ho ahy i #Bibi- Mpanao fihetsiketsehana Jiosy manohitra an'i #Netanyahu eto #Sydney

Mandritra izany fotoana izany, hita fa nisy ireo sedra hafa tamin'ny dian'ny praiminisitra Israeliana. Toa tsy maintsy nihodidina an'i Indonezia izy tamin'ny lalany avy any Singapaoro:

Manontany teny hoe nahoana i EI Al no voaràra tsy hisidina tamin'ny faritr'habakabak'i Indonezia? Mety ho fanoherana ny firenena mpanavakavam-bolokoditra ve izany?

Nisy ihany koa ireo fihetsiketsehana nampoizina mialoha:

Fihetsiketsehana manohitra an'i #Netanyahuao Sydney #Australia -Famoriam-bahoaka tamin'ny alina

Nizara fankalazana kosa ny hafa:

Tatibaovao betsaka kokoa momba ny dian'ny Praiminisitra Israeliana @netanyahu ao Aostralia ao amin'ny AFR, nanao lahateny fanokafana tamin'izany i @LeiblerMark

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.