Fantatrao Ve ny Kilichi,  Ilay Tsiron-tsakafo Saheliana Nizeriana ?

 

Kilichi au Niger via Ali avec sa permission

Ny Kilichi ao Niger , nahazoana alàlana avy amin'i Ali Mahaman

Matetika i Niger no resahana amin'ny endri-tany Saheliana malaza ao aminy, ny anjara asany eo amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana sy ny harena an-kibon'ny tany oraniôma, kanefa mahalana izy vao resahana momba ny fahaiiza-manaony manokana momba ny sakafo. Tena manankarena tahaka ny kolontsaina isan-karazany ao aminy tokoa anefa ny nahandro Nizeriana. Indro ary misy sakafo tsy fantatra avy any ivelan'i Niger izay asehon'i Ali Douka Mahaman,  bilaogera ao amin'ny tranonkala Mapping for Niger (Fanehoan-tsarintany an'i Niger ) sady mponina ao Madaoua any Atsinanan'ny firenena..

Sakafo Nizeriana fiaviana ny Kilichi tany am-boalohany.  Avy amin'ny teny Haoussa ny anarany izay midika hoe ” silaka hena manify  nohamainina sy masiaka”. Avy amin'ny fanodinana ny henan'omby sy na ondry noesorin-taolana ny Kilichi.  Silaka hena manify nohamainina tamin'ny masoandro no vokatra farany. Misy dingana  fanomanana maro ny Kilichi izay ahitana:

_        Ny fifantenana ny silaka hena;

_        Fanendasana ny silaka hena  na ‘’Lay-laya’’  amin'ny teny Haoussa ;

_        Fanamainana amin'ny masoandro ;

_        Famonosana izany amin'ny totom-boanjo sy manisy azy lokon-tsakafo mena,

_       Fanatonoana amin'ny afo ary farany ny fanagaroana azy amin'ny zava-manitra mampatsiro sakafo sy mena-boanjo  .

 

Kilichi avec épices avec la permission de l'auteur

Kilichi misy zava-manitra, nahazoana alàlana.

Ao Niger,  hita  any amin'ny faritra atsimon'ny firenena indrindra any an-tanànadehibe tahaka an'i Madaoua, Guidan-Roumdji ary eny fa na dia ao an-drenivohitra Niamey aza ireo foibe famokarana Kilichi. Marihina fa ireo ‘Bangarou’  na mpivaro-kena no tena mpisehatra eo amin'ny famokarana kilichi, izay mbola malaza hatrany amin'ny fahaizany sy ny tsiron-tsakafony. Misy karazany roa  ny Kilichi toy ny:

_ Ny kilichi mifono totom-boanjo sy misy lokon-tsakafo mena antsoina hoe »Ja » amin'ny teny Haoussa

_ Ary farany ny kilichi tsotra misy mena-boanjo antsoina hoe »rumuzu.

Atao amin'ny fomba nentim-paharazana io asa famokarana io satria tsy misy ny orinasam-pamokarana maoderina an'ity vokatra mampitsiriritra ao Niger ity, ary eo ampelatanan'ireo mpiasa tsy ao anatin'ny sehatra ara-dalàna manontolo izany rehetra izany .

Fa ankehitriny, nikisaka any amin'ny firenena amoron-tsiraka toa an'i Côte d'Ivoire, Kamerona, Nizeria, Gabon sns ny asa fikarakarana ity hena ity noho ny olan'ny fifindra-monina sy ny fifindrana avy any ambanivohitra ao Niger

Une étude réalisée dans la ville de Niamey indique que la capacité de production annuelle est d’environ 700 à 950 Kg de kilichi (Kalilou, 1997).  Ce produit est un dessert dont sa consommation s’accompagne par la saveur des tranches d’oignon et d’épices. C’est très délicieux et confortable à goûter.

Manondro ny fikarohana tao an-tanàndehiben'i Niamey fa eo ho eo amin'ny 700 ka hatramin'ny 950 kilao eo ny kilichi vokatra vita isan-taona (Kalilou,1997). Tsindrin-tsakafo ity vokatra ity ary hohanina miaraka amin'ny silaka tongolo sy zava-manitra . Tena matsiro sy mampankafy ny fihinanana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.