Asehon'ny Tatitra Ny Fomba Ampiasain'Ireo Politisiana Ao Ghana Ny Media  Sosialy Mialoha ny Fifidianana

The cover page of the report.

Ny pejy fonon'ny Tondro Fitantanana Ny Media Sosialy .

Namoaka tatitra momba ny andiany faharoa amin'ny Tondro Fitantanana ny Media Sosialy (GSMI) ny Penplusbytes , izay manombana ao amin'ny media sosialy sy mandahatra ny fidirana an-tsehatry ny antoko politika, ny mpitarika ny antoko politika ary ny sampa-draharaha fitantanana ny fifidianana manan-danja ao Ghana izay mifototra amin'ny mpanjohy azy ireo sy ny tahan'ny fitoloran-tena ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Amin'ny ankapobeny, mampiseho ny tatitra fa nampitombo ny fampiasany ny media sosialy mialoha ny fifidianana 2016 ireo mpanao politika ao Ghana.

Nibaribary ny fibahanan-tsehatra ara-politika tao amin'ny media sosialy, na dia talohan'ny tatitry ny Penplusbytes aza. Efa nanombatombana ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy ao Ghana John Kudalor tamin'ny May 2016 fa  mety hihevitra ny fanakatonana ny sehatry ny media sosialy mandritra ny fifidianana amin'ny 7 Desambra hitandroana ny “filaminana” ireo manampahefana Ghaneana.

Nanambara  ny Filoha Ghaneana John Dramani Mahama taorian'ny adihevitra nifanaovany teo amin'ireo mpandray anjara lehibe sy taorian'ny fanambarany tamin'ny 14 Aogositra fa “tsy mieritreritra ny hanakatona ny media sosialy amin'ny androm-pifidianana ny governemanta.”

Fikambanana tsy mitady tombontsoa ny Penplusbytes izay mandrisika ny fitantanana mahomby amin'ny alàlan'ny fampiasana ny teknolojia eto Afrika. Kinendrin'ny ny fikambanana ny hitondrana fiovana amin'ny alalan'ny fanavaozana  ao amin'ny sehatra telo manan-danja: ny fampiasana ireo teknolojia nomerika vaovao mba hanatanterahana ny fahaiza-mitantana sy ny tamberin'andraikitra, ny media vaovao sy ny fanavaozana, ary ny fanaraha-maso ny andraikitra ho an'ny fampiasana mahomby ny harena ankibon'ny tany, ny vola miditra sy ny loharanon-karena azo avy amin'ny solika sy ny etona .

Fantarin'ny GVM (Tondro Fitantanana Ny Media Sosialy) ny maha zava-dehibe sy ny fahombiazan'ny  fampiasana ny media sosialy eo amin'ny fitantanana. Navoaka tamin'ny Jona 2016 ny tatitra  momba ny tondro voalohany .

Natambatambatry ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Ghana tamin'ny 30 Septambra ny andiany faharoa tamin'ny GSMI taorian'ny fanintsanana ireo kandidà 13 amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena 2016. Tafiditra tao anatin'ny tatitra ireo kandidà ireo satria anisan'ny GSMI voalohany .

Nasehon'ny tatitra fa mitari-dalana ireo kandidà ho filoham-pirenena hafa ny Filoha Mahama tao amin'ny Facebook miaraka amin'ny fahazoana ekeko miisa 1.007.595 – mihoatra ny 125.171 noho ny tarehimarika tamin'ny Jona izay miisa 880.620. Nahazo ekeko miisa 981.057 tao amin'ny Facebook kosa i Nana Akufo-Addo, ilay mpitarika ny antoko mpanohitra lehibe indrindra, ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao, izay nahitana fitomboana miisa 265.341.

Raha miresaka Twitter kosa,  mampiseho ny tatitra fa nahazo tombontsoa tsara kokoa tamin'ny sehatra i Akufo Addo mba hifaneraserana sy hifandraisana tamin'ny mpanjohy azy, araka ny hita tao amin'ny siokany izay maherin'ny 4.000 raha ampitahaina tamin'ny siokan'ny Filoha Mahama izay miisa 842 .

Eo amin'ny resaka antoko politika,  mbola mitarika amin'ny ekeko maro be miisa 307.963 ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao tao amin'ny Facebook. Avy eo manaraka azy ny Antokon'ny Vahoaka Mivoatra manana mpanjohy miisa 33.193, izay mandresy ny Kongresy Demokratika Nasionaly eo amin'ny fitondrana,  manana ekeko miisa 24.743 ao amin'ny Facebook.

Tany am-piandohan'ity taona ity ny Penblusbytes no namoaka ny tatitra voalohany momba ny Tondro (fampilaharana) Media Sosialy (SMI) [mg] misahana ny pirinty, ny onjampeo ary ny fahitalavitra ao Ghana.

Trohy eto ny Tondro Fitantanana ny Media Sosialy feno .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.