Fantaro Ilay Mpaminanin'ny Doom [Vintan-Dratsy]… Ara-bakiteny Ao Afrika Atsimo

Image shared widely on social media. This one was shared by @Mission316Show.

Sary nozaraina betsaka tao amin'ny media sosialy . Nozarain'ny @Mission316Show ity iray ity.

Nahatezitra ireo Afrikana Tatsimo maro ilay nitonontena ho mpaminany, Lethebo Rabalago, rehefa nivoaka ny vaovao fa mampiasa Doom, famonoana bibikely malaza ao amin'ny firenena, izy hanasitranana olona. Tifiriny amin'ilay etona simika mahafaty ny faritry ny vatan'ireo mpikambana ao amin'ny fiangonany ao anatin'izany ny tarehy.

Nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook i Rabalago nanambara ny “fanasitranana” avy amin'ny herin'ny Doom:

By my name, you shall drive out demons.
By my name, you shall pick up snakes. Anything you touch, recieves favour because of the annointing upon you. Doom is just a name, but when you speak to it to become a healing product, it does. People get healed and delivered through doom. Its not by might nor by power, but by the HolySpirit. We give God the glory!!

Handroaka ny demony, amin'ny anarako, ianareo.
Handray menarana, amin'ny anarako, ianareo. Izay rehetra kasihanareo, hahazo sitraka noho ny osotra nanamasinana anareo. Anarana fotsiny ny Doom, fa rehefa miresaka aminy ianao dia miova ho fitaovana fanasitranana izy, manasitrana. Sitrana sy afaka ny olona amin'ny alàlan'ny Doom. Tsy amin'ny alàlan'ny hery na fahefana fa amin'ny alàlan'ny FanahyMasina. Omentsika an'Andriamanitra ny voninahitra !!

Nanameloka an'i Rabalago ny orinasa manao ity famonoana bibikely ity ary nilaza fa eo andalam-pitadiavana fifandraisana aminy ny orinasa mba hampitandrina azy momba ny loza ateraky ny fampiasana Doom poizina bibikely eny amin'ny tavan'ny olona.

Naneho hevitra tamim-pahatezerana ny Aterineto, tohina sy nampiasa sarisary mampihomehy tao anatin'ny tenirohy #ProphetOfDoom na #MpaminanyDoom .

Nivazivazy hoe ny mpisera Twitter iray nampiasa ny anarana ‘Sound Surgeon’ :

#MpaminanyDoom
Vaovao farany: Niakatra ny vidin'ny Doom ??? pic.twitter.com/mpd3U9HDBG

Nizara ity sary mampiseho talantalana Doom foana tao amin'ny fivarotan-dehibe ity i Iloveza :

Tsara ny fihariana ? #Doom #DoomMpaminany#MpaminaninNyDoom #iloveza❤️??

Nilaza zavatra hafahafa momba ny asa ataon'ireo mitonontena ho mpaminany mihamaro ao Afrika Atsimo i Mphuma :

Rehefa miteny ianao hoe ampy izay, solika, bozaka, bibilava mpitandrina etc ..  mitranga indray izany izao . #MpaminaninNyDoom efa akaiky ny farany.

Asam-“F(P)aminaniana” hafahafa ataon'ireo mpitondra fivavahana ao Afrika Atsimo tao anatin'ny taona vitsivitsy, anisan'izany ny fihinana bozaka, bibilava sy ny fisotroana solika, izay nolazaina fa lasa ranom-boakazo mananasy aorian'ny vavaka.

Mila mieritreritra kely i Afrika Atsimo raha raisina ny “fahagagana” farany , hoy Ditjhaba  :

Aorian'izany, mihevitra aho fa ilaintsika ny mieritreritra kely amin'ny maha-firenena. Be loatra izany ary ny #mpaminaninydoom no nahafeno ny kapoaka . pic.twitter.com/cG4edPGQeH

Nisioka ny sarin'ny lehilahy iray miezaka ny hampitombo ny volany tao amin'ny milina ATM iray taorian'ny toro-hevitry ny mpitondra fivavahana i @shandu009:

Nilaza ny mpisera Twitter iray hafa hoe:

Doom no vahaolana ry rahalahy sy anabavy , aoka hanondrika ny lohantsika isika ary hahazo ny rano mitsifitra avoakany. #MpaminaninnyDoom

Nivazivazy i Vhoni hoe:

Iza no mbola mila fanaovana fanatanjahan-tena rehefa misy ny doom (Raid)? ?????????????#MpaminaninnyDoom #FironanaSA pic.twitter.com/HTMl69TWRO

Namoaka ity sary manaraka ity ny lehilahy Zimbaboeana iray milaza fa mila ny “Doom manasitrana” manokana ny filoha Zimbaboeana:

Apetrako eto fotsiny ity  … #MpaminaninnyDoom pic.twitter.com/aQqtgDumgt

Nandefa sarin'ny fiara minibus misy dokambarotra Doom i Qamatha izay milaza fa an'ny fiangonana io  ;

#MpaminaninnyDoom Nividy minibus vaovao ho an'ny fiangonana.pic.twitter.com/a50YmIwxks

Mampiseho ny mpaminany eo ampanatontosana ny asany ny lahatsary eto ambany :

Nanoro hevitra ilay mpandraharaha ao amin'ny Aterineto Afrikana Tatsimo Peter Mansfield hoe:

GADRAO IZY, ary alefaso ho zahana any amin'ny mpitsabo areti-tsaina ireo mpivavaka mba hamantarana ny antony mampahadala azy ireo hanaraka azy  #MpaminaninnyDoom  https://t.co/MutzfJtWSJ

Namerina ny andininy tao amin'ny Baiboly ao amin'ny bokin'i Jaona 3:16 ny mpisera Twitter iray hafa. Mivaky toy izao ilay andininy: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an'izao tontolo izao ,nomeny ny zanany lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay”:

Moa mahita ny doom ho avy ny olona sa tsy ho ampoizina izany… #doom, #pasiteraDoom, #MpaminaninnyDoom pic.twitter.com/YE6ujSR1Wu

Nieritreritra i Celeste fa mitovy amin'ny fikasana famonoan'olona ny fitifirana ranom-panafody simika mampidi-doza amin'ireo mpivavaka;

Tokony hosamborina ny #MpaminaninnyDoom  noho ny fikasany hamono olona .  Ampiasaina hamonoana ny #Doom noho izany afaka manome sazy azy ny #Hawks sy ny #NPA.

Nanoratra i Barry Roux rehefa nampiasa ny sary malazan'i Jake Amo amin'i Aterineto Ghaneana [mg] hoe:

Ry #MpaminaninnyDoom

Miala tsiny noho ny sora-tanana ratsy ,manoratra aho mba hanontany raha afaka manasitrana an'i TB Joshua ny Doom. #DoomMpaminany

Ilay Zanakao pic.twitter.com/XYZwFNCfh8

Mpitoriteny Nizeriana malaza i TB Joshua  izay fantatra noho ny faminaniana nampiadi-hevitra . Nilaza mialoha izy nandritra ny fifidianana Amerikana fa handresy amin'ny fifidianana i Hillary Clinton.

Nandefa ity sary ity ny Kalabash Media:

Lany  solika ?? … # DoomELA #MpaminaninnyDoom #DoomMpaminany pic.twitter.com/RpsMiyCW2i

Nilaza i Rabalago fa miaraka amin'ny herin'ny fanahiny dia mety ho azo atao ny manao antso an-tariby tsy misy karatra SIM na mitondra fiara  tsy misy solika.

Farany, mila tavoahangy Doom manasitrana iray ve ianao?:

Tsifitra mahagaga amidy, Antsoy ny #mpaminaninnyDoom Lethebo Rabalago ao amin'ny Fanjakan'ny Fiangonan'ny Vintan[-dratsy] raha mila fanazavana bebe kokoa .. pic.twitter.com/mNNJShQAR2

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.