Madagasikara: Tsy Mbola Tara Izao Hianarana Aterineto

Extrait du blog Gasikara, j'aime la faire bouger de Rijaniaina R.

Nalaina tamin'ny bilaogy Gasikara, tiako hihetsika izy Rijaniaina R.

Nizara ny traikefany momba ny fanabeazana ireo zokiolona amin'ny Aterineto i Rijaniaina, bilaogera monina eto Madagasikara, mpamolavola tetikasa sy fampiasa amin'ny solosaina , izay maniry ny hanetsika izao tontolo izao avy amin'ny bilaoginy gasikara.mondoblog.org  :

Je reprends la plume pour écrire un article qui a l’allure d’un tutoriel informatique « pour les nuls ». Je vous partage une expérience que j’ai vécue récemment en formant des  personnes âgées à utiliser internet : de comment se connecter jusqu’à Facebook. J’ai présenté la formation depuis un tableau blanc, feutre à la main.

Pour commencer, j’espère que ce n’est pas insolent voire discriminatoire de catégoriser les 60-70 ans de « senior » ? Dans un pays où l’espérance de vie est inférieure à cette fourchette-là, avoir plus de 60 est considéré comme « vieux ». Avec 30% de la population malgache étant analphabète, la réduction de la fracture numérique n’est pas près de devenir une priorité étatique. Toutefois, le ministère chargé du numérique mène son combat sous le slogan « le numérique, moteur de la diversité ». L’essor de l’usage d’Internet ne fût pas aussi rapide comme l’était l’adoption du téléphone portable dans un pays où la plupart des gens possède un téléphone portable. En effet, l’accès à Internet à Madagascar demeure problématique. Eh oui, moins de 5% des Malgaches savent effectuer des activités sur internet : ce faible taux de pénétration est d’ailleurs composé essentiellement de jeunes, les plus âgés (les seniors) semblent ne pas s’y intéresser…

Le souci avec les seniors c’est qu’ils abandonnent mentalement, se disant que ce n’est plus de leur temps et que c’est seulement pour les jeunes. Ce qui est totalement faux, surtout de nos jours où l’on peut naviguer sur Internet depuis une multitude de supports : ordinateur, tablette numérique, smartphone et simple téléphone portable. Internet rime avec « accès à l’information » : jeune ou vieux, on voudrait toujours être informé.

Raisiko indray ny penina mba hanoratako ilay lahatsoratra izay manana endrika fampianaran-tena amin'ny solosaina  “ho an'ireo dondrona“. Zaraiko aminareo  ny zavatra niainako vao haingana tamin'ny fampianarana ireo zokiolona mba hampiasa ny Aterineto : hoe ahoana ny fomba fidirana ao amin'ny Facebook. Nataoko tamin'ny solaitrabe fotsy ny fampianarana miaraka amin'ny penina feutre teny an-tanana.

Hanombohana azy, manantena aho fa tsy mivantambatana na manavakavaka ireo olona 60 sy 70 taona ho “zokiny”? Ato amin'ny firenena izay ahitana taham-pahaveloman'ny olona ambanin'io taona io dia heverina ho “antitra” ny olona maherin'ny 60 taona. Mbola tsy laharam-pahamehana ho an'ny fanjakana ny fampihenana ny hantsana nomerika raha mbola misy 30% -n'ny mponina Malagasy no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Na izany aza,  manao ny ezaka eo ambanin'ny teny filamatra hoe “ny nomerika, ilay maoteran'ny fimaroana” ny Minisitera misahana ny teknolojia. Tsy  haingana tahaka ny fampiasana ny finday ao amin'ny firenena iray izay manana finday ny ankamaroan'ny olona ny firoboroboan'ny fampiasana Aterineto. Raha ny marina, mbola olana ny fidirana amin'ny aterineto eto Madagasikara . Eny, latsaky ny 5% -n'ny Malagasy no mahay mampiasa ny aterineto:  ahitana indrindra ny tanora io salanisa ambany io, toa tsy liana amin'izany ireo be taona (zokiolona) …

Ny olana amin'ireo zokiolona dia manaiky resy any an-tsaina ry zareo, ary hilaza fa tsy taonan-dry zareo intsony ireny fa natokana ho an'ny tanora ihany. Izay diso tanteraka, indrindra fa amin'izao fotoana izao izay azo jerena amin'ny alàlan'ny fafana isan-karazany ny Aterineto : solosaina, takelaka nomerika, smartfinday  sy ny finday tsotra. Miaraka amin'ny teny hoe “ny fahazoam-baovao” ny Aterineto: mila mahara-baovao hatrany isika na tanora na antitra.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.