Totem Mampifandray Ny Fanoheran'ireo Teratany Ny Solika Fôsily Any Amerika Avaratra

Photo posted on Facebook by Jewell James.

Sary navoakan'i Jewell James tamin'ny Facebook.

Nifototra tamin'ny lahatsoratra nosoratan'i Clayton Thomas-Muller  sy i Attiya Jaffar ho an'ny 350.org, fikambanana iray manangana hetsika momba ny toetrandro maneran-tany, ity lahatsoratra ity, ary naverina navoaka tao amin'ny Global Voices ho ampahan'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ny 23 Aogositra, niala ny morontsiraky ny Pasifika tao amin'ny fanjakan'i Washington any Etazonia ny “totem” (sarivongana) mirefy 6,5 m mahery ka handeha ho any amin'ny 5.000 mile (8046,7 km) ho any Kanada. Manamarika ny fahaefatra taona nikarakaran'ny Fanjakana Lummi, foko Teratany Amerikàna, ny “dian'ny totem” io — hetsika natao “hanamafisana sy hampivelarana” ny fiombonana eo amin'ireo vahoaka teratany mikatroka amin'ny fanoherana ny indostrian'ny solika fôsily.

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nankalaza fandresena lehibe ny Fanjakana Lummi raha nahavita nibahana tamim-pahombiazana tsy hisian'ny seranantsambo-nà arintany lehibe indrindra nokasaina hatrizay tao Amerika Avaratra. Ankehitriny, amin'ny fandefasana io “totem” io ho fanomezana ho an'ireo Olon'ny Fifanarahana 1 any Winnipeg, Kanadà, amim-piraisankina no itsangan'ilay fanjakana miaraka amin'ireo vahoaka teratany mitarika ny tolona fanoherana ny fantsona lehibe fitaterana fasika mifangaro solitany sy tanimanga an'ny Energy East, ny fantsona solika lehibe indrindra nanaovana sosokevitra hatrizay tao amin'ny tanibe.

Rehefa tafatsangana any Winnipeg ilay totem, natao “hitondra fijoroana vavolombelona amin'ny filàn'ny vahoaka rehetra hiara-hiasa amin'ny anaran'ny maha-olombelona iraisana ary ny firaisantsika amin'ny Tany Renintsika,” araka ny vohikaln'ny dian'ny totem.

(Fanamarihan'ny mpanoratra: nanokatra toerana ho an'ny kanto any Winnipeg ny 350.org miaraka amin'ny Fiombonan-kery Amin'ny Rariny, Ny Angovo Ao Manitoba, mba hanofanana ireo mpikatroka mafana fo amin'ny fanamboarana fiaovana hita maso ho fanohanana ilay dia.)

Jewell James, mpampianatra mpanao sokitra ao amin'ny House of Tears Carvers Studio ary ilay lehilahy izay nitondra ny kanton'ny totem, nanazava fa hitsangana ho mari-pamantarana ny faharetana io, ary hampiray ilay vondrom-piarahamonina amin'ireo tolona hafa tarihan'ny teratany hanoherana ny solika fôsily io, manerana ny Nosin'ny Sokatra (araka ny fiantsoan'ireo vondrona teratany sasany ny taniben'i Amerika Avaratra):

Mila mampahafantatra azy ireo izahay hoe tsy afaka ny hanao izao amin'ny vahoaka, ny rano, ny tany, ary ireo taranaka any aoriana, izy ireo amin'ny anaran'ireo tombotsoany. Tsy hilefitra mihitsy izahay.

Ahitàna voromahery fotsy loha miaraka amin'ireo elany misokatra eny ambony ary Kodiarana Fanafody eo amin'ny tratrany, ilay asa tànana, ary eo ambanin'izay misy bera, alikadia, ary fosa. Manakaiky ny fotony, natao sary sokitra nanoloana vehivavy mpitsabo ny lehiben'ireo teratany. Araka an'i James, “Mampiseho fifandraisana amin'ny Fanahy Lehibe ilay vehivavy mpitsabo; maneho fahendrena sy fahitàna ilay voromahery; mpitarika na mpanoro làlana ilay alikadia; ary manome tanjaka ilay bera.”

Nanomboka tamin'ny fety fanomezana tsodrano teo amin'ny manodidina, tany Bellingham, Washington, ilay dian'ny totem. Avy eo izy nijanona tao Seattle nialohan'ny nankanesany tany atsinanana. Mandritra izany, any Kanadà, miomana handray ilay fanomezana ireo mpikamban'ny vondrom-piarahamonina any Winnipeg izay mvitrika tokoa amin'ny tolona fanoherana ilay fantsona lehibe an'ny Energy East. Jereo i Clayton Thomas-Muller avy any Winnipeg, Kanadà, miresaka amin'ny Facebook mikasika ireo drafitry ny vondrom-piarahamonina handraisany io fanomezana goavana be io.

Tobim-bato Manan-kasina sy ireo fiatoana hafa

Eny an-dàlana ho any Winnipeg, ho toy ny fomba fanehoana firaisankina, nijanona nanaovana lanonana teny amin'ireo toerana mafanafana amin'ny fanoheran'ireo teratany ny solika, saribao ary entona, ny dian'ilay totem. Tafiditra tamin'izany ny fitsidihana nanakaiky an'i Vancouver, Kanadà, ao amin'ny Fanjakana T’Sleil Waututh — vondrom-piarahamonina iray hafa mitolona manohitra ny fanitarana ny fitrandrahana ny fasika mifangaro solika sy tanimanga—ary fijanonana fanomezan-tsodrano tao Missoula, Montana.

Douglas James, lehilahy zokiolon'ny Lumini, mihira amin'ny fiatoan'ny #totempolejourney ao Missoula. #StandingRock @350Canada @350 @missoulian

Miavaka indrindra, nanao fiatoana teo amin'ny Tobim-bato Manan-kasina ny dia, mba haneho firaisankina amin'ny Fokon'ny Vato Mitsangana Sioux , izay nitarika ilay tolona goavana nanamarika ny fanoherana ilay fantsona lehibe an'ny Dakota Access. “Mampihatra ny fahalalahany aara-pivavahana, fahalalahan'ny fanaovana gazety, fahalalahana miteny, fahalalahana mifamory, izy ireo — ny zo hiteny mafy,” hoy i James.

Tonga ao amin'ny @sacredstonecamp i Jay Julius sy ny Totem-n'ny  #LummiNation #totempolejourney #NoDAPL

Ao anatin'ny lahatsary amin'ny Facebook, miteny momba ny fanehoana firaisankina miaraka amin'ny fokon'ny Vato Mitsangana Sioux ireo mpikambana avy amin'ny Fanjakana Lummi.

Tonga ao Winnipeg ny dia

Satria nandeha nianavaratra nankany Kanadà ilay totem, an-jatony ireo olona tany Winnipeg nandany ny faran'ny herinandrony mba hamorona taokanto hanohanana ilay hetsika ho an'ny toetrandro. Maro tamin'ireo famoronana endriky ny takelaka sy saina no nataon'i Isaac Murdoch.

Ny farany, tonga tamin'ny toerana nokasainy hitodiana izy ny 5 Septambra. Olona an'arivony no teo mba handray ny totem tamin'ny fanajana lehibe sy fientanentanana.

Nampiantrano ny hetsi-bahoaka lehibe tao Winnipeg, io andro io, ny Fivondronamben'ireo Lehiben'ny Manitoba miaraka tamin'ireo namana ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina, mba hanome voninahitra ny fahatongavan'ny dian'ny totem. Nifantoka tamin'ny fitomboan'ny faiamatorana eo amin'ireo fanjakana ilay fankalazàna, ary ny tanjona iraisana hiasàna miaraka ho an'ny angovo madio ho an'ny hoavy.

Photography by Greg Gallinger

Photography by Greg Gallinger

Sary avy tamin'i Greg Gallinger

Niaraka nanao diabe tamin'ny vahoakan'ireo faritra Fifanarahana 1 i Jewell James sy ny vahoakan'ny Fanjakana Lummi, nitondra ambony ireo hafatra hisian'ny rariny ara-tontolo iainana, fanajana ny fiandrianan'ny teratany, ary ny maha-masina ny rano.

Teo ambanin'ny fitantanan'ireo zokiolona sy ny lanonana, nanohy ny làlany tany amin'ny Main Street ao Winnipeg ilay totem faha-efatra.

Photography by Greg Gallinger

Sary avy tamin'i Greg Gallinger

Photography by Greg Gallinger

Sary avy tamin'i Greg Gallinger

Teny an-dàlana, nijanona nandihy teo amin'ny fihaonan-dàlana malazan'i Kanadà  — Portage ary Main — ireo mpanao diabe.

Photo credit: 350.org

Sary misy zon'ny mpanoratra: 350.org

Natsangana ny totem

Ny ampitson'io, ny 6 Septambra, natsangana teo amn'ireo tany masin'ny Turtle Lodge ao amin'ny Faritry ny Fifanarahana Voalohany ilay totem. Fivelesana amponga, fandihizana ary lanonana no nanaraka ilay fotoana lehibe. Afaka hitanao ao amin'ny Facebook ny lahatsarin'ilay fotoana.

Ny farany, nitsangana ho mariky ny tsy fileferan'ireo Teratany amin'ny làlan'ilay fantsona lehibe indrindra vinavinaina hatao ao Amerika Avaratra, an'ilay tetikasa Energy East, io fanomezana avy tamin'ny Fiarahamonina “House of Tears Carvers Lummi Nation” io.

The Lummi Nation #TotemPoleJourney has been placed symbolically in the path of the #EnergyEast

A photo posted by Clayton Thomas Muller (@clayton_thomas_muller) on

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.