Noravan'ny Manampahefanan'i Skopje Ny Tranon'ireo Fianakaviana Roma’, Ary Tsy Noraharahiana Avy Eo Ny Manjò Azy Ireo

Roma kids left homeless after Skopje city government bulldozed their homes. Photo by Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Ankizy Roma lasa tsy manan-kialofana taorian'ny fandrodanan'ny fiadidiana ny tanànan'i Skopje ny tranon'izy ireo. Sary avy amin'i Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Nandroaka fianakaviana Roma 31 ahitana ankizy tao amin'ny toeram-ponenana iray ambanin'ny Mandan'i Kale iray mandritra ny vanin-taona mafana Kale ny fiadidiana ny tanànan'i Skopje renivohitra ao Makedonia. Tsy vitany hoe noravan'ireo manam-pahefana ny tranon'izy ireo sivy taona farany fa voalaza ihany koa fa tsy nahazo fanohanana araka ny tokony ho izy ireo fianakaviana ireo.

Namoaka raki-tsary tao amin'ny Flickr ilay mpikatroka momba ny sary Vančo DžambaskiIn mba hisarihana ny saina mikasika ny manjo azy ireo. Namariparitra ny toe-javatra iainan'ny fianakaviana tao anatin'izany izy:

Без никаква помош од државните институции тие сега престојуваат во импровизираното живеалиште покрај Вардар. Без струја и вода, со голем ризик од заразни болести поради поплавите и немањето ни минимални услови за хигиена, со страв ја чекаат зимата.

Tsy nisy fanampiana avy amin'ny andrim-panjakana, monina ao amin'ny toerana vonjimaika anilan'ny renirano Vardar izy ireo ankehitriny. Tsy misy herinaratra, famatsian-drano na fanariana rano maloto, ary atahorana ny areti-mifindra noho ny tondra-drano sy ny tsy fisian'ny fepetra ara-pahadiovana na dia kely aza, matahotra ny ririnina hoavy izy ireo.

Tamin'ny 2011, namidin'ny fanjakana taamin'ny orinasa tsy miankina, Amadeus Group tamin'ny vidiny teo amin'ny 100 dolara isaky ny metatra toradroa ny tany, izay tsara toerana tokoa. Minitra vitsy miala ny afovoan-tanànan'i Skopje no misy ny toerana, ary nilaza ireo tompony vaovao fa mikasa hanangana trano fandraisam-bahiny eo izy ireo.

Tsy mbola taitra amin'ny hetsi-panoherana ataon'ireo niharam-boina ny manampahefana hatramin'izao. Nasaina nifindra tao amin'ny vondrona tsy manan-kialofana ao amin'ny toby efa ratsy ao Čičino Selo ivelan'ny tanàna izy ireo, izay nolavin'ireo fianakaviana satria tery tsy omby azy rehetra, ary ratsy dia ratsy ny fari-piainana ao noho ny monina eny an-kalamanjana. Ny ankamaroan'ireo olona ireo dia mivelona amin'ny alalan'ny fanangonana tavoahangy plastika sy sakafo eny amin'ny fanariam-pako, izay taterin'izy ireo amin'ny bisikileta avy eo. Manohintohina tanteraka ny fahafahan'izy ireo manangona tavoahangy plastika ho amidy eny amin'ny orinasa mpanodina akoran-javatra ny halavirana, sy ny famindran-toerana ivelan'ny tanàna.

Hard honest work. Main source of income of homeless Roma is recycling plastic bottles thrown as garbage. It's also very dangerous work, as the same garbage also contains glass shards, metal pieces and wires, and various toxic waste. Photo by Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Asa mafy saingy marina. Loharanom-bola ho an'ireo Roma tsy manan-kialofana ny fanangonana tavoahangy plastika nariana eny amin'ny fako. Mampidi-doza ihany koa izany, satria misy vakina tavoahangy, singam-by sy tariby, ary fako isan-karazany misy poizina ihany koa ao amin'ny fako. Sary avy amin'i Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Nilaza ny tsy fisian'ny firaharahiana eo amin'ny governemanta sy ny fampahalalam-baovao ho mariky ny  fanavakavahana mitohy atao amin'i Roma ao amin'ny fiarahamonina Makedoniana ireo mpikatroka sasany. Tamin'ny fanambarana ho an'ny Global Voices i Ljatife Sikovska, avy ao amin'ny Foibem-pampianarana Roma Ambrela, no nanazava ny maha zava-doza ny toe-javatra iainan'ny vondrona tsy manan-kialofana :

Град Скопје со багери ги сруши импровизираните живеалишта на 1 август, само неколку денови пред поплавите, без претходно да ги згрижи луѓето во друга локација. Се работи за 121 лице од кои 64 се деца, а најмалото има само 2 месеца. Бездомните лица невремето го преживеаја под отворено небо и за жал сè уште се под отворено небо…

Noravan'ny fiadidian'ny Tanànan'i Skopje metropolitana ireo trano bongo tamin'ny 1 Aogositra, andro vitsivitsy monja talohan'ny oram-be mivatravatra izay niteraka tondra-drano nahafatesana olona vao haingana. Tsy nandray fepetra ny manampahefana mba hampiantranoana ireo olona 121 voakasika, izay ankizy ny 64. 2 volana ny zaza zandriny indrindra tamin'izany fotoana izany. Tafavoaka velona tamin'ny tafio-drivotra ratsy indrindra ambany tafo lanitra ireo tsy manan-kialofana, ary indrisy mbola tsy misy tafo eo ambonin'ny lohan'izy ireo hatramin'izao.

Nahazo fanampiana avy amin'ny fikambanana tsy miankina ireo Roma ireo teo anelanelan'izany. Nanome fitaovana mitentina eo amin'ny 4500 dolara eo ny Orina Mpanasoa Open Society – Macedonia (FOSM) .

Оваа ургентна мерка вклучува донација на храна и вода за пиење, хигиенски средства, детски пелени и основни намирници за живот на триесетина ромски семејства (околу 130 лица) останати без домови. Меѓу нив има лица без документација, бремени жени, болни лица и деца. Целта на оваа акција која ФООМ ја реализира со помош на Здружението за здравствена, социјална и образовна поддршка „Иницијатива за развој и инклузија на заедниците“ (ИРИЗ) е да одговори на моменталните потреби на овие граѓани во очекување надележните институции да пронајдат трајно решение на нивниот проблем.

Ity fepetran'ny hamehana ity dia ahitana fanomezan-tsakafo sy rano fisotro, fitaovam-pidiovana, salaka ho an'ny ankizy ary vokatra fototra hafa ho an'ny fianakaviana Roma eo amin'ny 30 (eo amin'ny olona 130) izay tsy manan-kialofana amin'izao fotoana izao. Anisan'izany, ny olona tsy manana karampanondro, ny vehivavy bevohoka, ny olona marary sy ny ankizy. Ny tanjona tamin'ity asa notanterahan'ny FOSM tamin'ny fiaraha-miasa amin'ny Fikambanana Mpanohana ara-pahasalamana, ara-tsosialy ary ara-panabeazana antsoina hoe ” Fisantaran'andraikitra ho Fampandrosoana sy ny Fampidirana ny Vondrom-piarahamonina Maro” (IDIC) ity dia ny hamaly ny filàn'ireo olom-pirenena ireo raha mbola miandry ny andrim-panjakana hitady vahaolana maharitra amin'ny olana izy ireo.

Manohy mitaky amin'ny manam-pahefana, indrindra ny Minisiteran'ny Asa sy ny Politika ara-tsosialy ary ny Tanànan'i Skopje ny Fikambanan'ny Firaisamonim-pirenena fa tokony hanome trano ho an'ireo olona tsy manan-kialofana izy ireo alohan'ny hahatongavan'ny volan'ny hatsiaka izay mety hanampy trotraka ny fari-piainan'izy ireo efa ratsy. Ny fiainana ao amin'ny toby vonjimaika dia mitovy amin'ny toe-javatra voalaza aorian'ny apokalypsa mikasika ny loza voajanahary lehibe, toy ny horohorontany nandravarava.

Man stands in front of his tent, located 3 km from the main square in Skopje. Photo Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Lehilahy mitsangana eo anoloan'ny trano lainy, 3 km miala ny kianja lehibe ao Skopje. Sary Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.