Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mihahenjana Ny Toe-Draharaha Politika ao São Tomé sy Príncipe Roa Andro Alohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena

Manifestação a pedir o cancelamento das eleições de 17 de Julho de 2016.

Fihetsiketsehana mitaky ny hanafoanana ny fifidianana notontosaina tamin'ny 17 jolay 2016 tao São Tomé, renivohitry ny firenena. Saripika: Felela Sum/Facebook, nahazoana alalana.

Nampisy fifandiran-kevitra [mg] ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena vaovao tao São Tomé e Príncipe hatramin'ny nisian'ny toe-javatra nampifandrirotra nandritra ny fotoana voalohany nanatanterahana ny fanisam-bato tamin'ny 18 jolay.

Amin'izao ankatoky ny fihodinana faharoa izay kasaina hotontosaina amin'ny alahady 7 aogositra izao, dia nisy ny fihetsiketsehana “nataon'ny Saotomeana anjatony” nidina an-dalambe tamin'ny 4 aogositra mitaky “ny fanafoanana ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena” :

Partidos políticos e membros da sociedade civil contestam o que consideram ser “anomalias, fraude e erros gravíssimos constatados na primeira volta do pleito eleitoral para a mais alta magistratura da nação”.

Toherin'ny antoko politika sy ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena ny “lesoka, ny hosoka ary ny fahadisoana lalina hita nandritra ny fanentanam-pifidianana fihodinana voalohany tamin'ny toerana ambony indrindra eo amin'ny firenena.

Nifampiantsoana tao amin'ny tambajotra an-tserasera ny fihetsiketsehana:

MANIFESTAÇÃO PELA DEMOCRACIA ESTA TARDE NA CAPITAL DO PAÍS.
NÃO FALTE. PELA JUSTIÇA E PELA LIBERDADE!
‪#‎PEROLENSÍSMO‬
www.facebook.com/AGIRSTOMEEPRINCIPE

FIHETSIKETSEHANA HO AMIN NY DEMAOKRASIA IZAO FOLAKANDRO IZAO ETO ANDRENIVOHITRY NY FIRENENA.
HO AMIN NY RARINY SY NY FAHAFAHANA!

Ny mpanohana an'i Maria das Neves sy ny antoko mpanohitra:

JT: 04.08.2016: Os apoiantes da candidatura da Maria das Neves e partidos políticos da oposição desencadearam na tarde da última quinta-feira, 4 de agosto, uma grandiosa manifestação que reuniu milhares de apoiantes e simpatizantes da candidatura da Maria das Neves, nomeadamente, a do MLSTP/PSD, PCD e MDFM/PL.

JT: 08/04/2016: Manomana fihetsiketsehana lehibe ny mpanohana ny filatsahan-kofidian'i Maria das Neves sy ny antoko mpanohitra tamin'ny alakamaisy 4 aogositra lasa teo, fihetsiketsehana nahazoana mpanaraka sy mpankasitraka an'arivony an'i Maria das Neves, ahitana ny MLSTP / PSD, PCD ary ny MDFM / PL.

Ny voka-pifidianana voalohany naroson'ny Vaomieram-Pifidianana Nasionaly (CEN) dia nanonona ny fandresena ho an'i Evaristo de Carvalho (50,1%) izay nahazo tombon-dalabe manoloana ny kandidà hafa, Pinto de Costa (filohan'ny repoblika amin'izao fotoana izao amin'ny 24,8% amin'ny vato) sy i Maria das Neves (24,1%). Notsipahin'ireo kandidà roa farany ireo avy hatrany ny voka-pifidianana ka nitakiany ny fanafoanana ny fifidianana teo amin'ny Tribonalin-Dalampanorenana (TC) noho ny fiheverana fisian'ny hosoka:

Sao Tomé sy Principe – Te-hanafoana ny fifidianana filoham-pirenena i Maria das Neves

Tsy nitsipaka ny fifidianana ny Fitsaran-Dalampanorenana, fa nitsipaka voka-pifidianana tamin'ny filazana fa tokony niandry ny fanisana avy amin'ny biraom-pifidianana rehetra ny CEN, ary tafiditra amin'izany ny “faribolana any ivelany“:

Quando os votos que faltavam foram contabilizados, Evaristo Carvalho ficou abaixo dos 50% que lhe dariam a vitória à primeira volta.

Rehefa nampidirina ny vato mbola banga, dia ambanin'ny 50% tokony hahazoany ny fandresena fihodinana voalohany i Evaristo Carvalho.

Fahasarotana teo amin'ny vokatry ny CEN nahatonga azy hiaiky ny fahadisoany nandritra ny fanisam-bato:

Alberto Pereira denunciou a ocorrência de falhas graves durante o processo eleitoral. Falhas que definiu como sendo gravíssimas e repetitivas. «Verificamos que houve muitas falhas gravíssimas», declarou o Presidente da CEN.

Nampangain'i Alberto Pereira ny fipoiran'ny lesoka lehibe eo amin'ny fombafombam-pitsarana. Lesoka voafaritra ho henjana sy miverimberina. “Hitanay fa betsaka ny lesoka izay tena henjana”, hoy ny filohan'ny CEN.

Araka ny voka-pifidianana farany, voamarika fa ny kandidà n'ny ADI, Evaristo de Carvalho, dia tsy nahazo ny maro an'isa (fa 49,9%) izay mitarika mankany amin'ny fihodinana faharoan'ny fifidianana ifanaovana amin'ny kandidà tohanan'ny UDD, Manuel Pinto da Costa.

Nanambara ampahibemaso amin'ny fisintahany tsy hifaninana amin'ny fifidianana intsony anefa i Pinto da Costa:

No dia 25 de Julho Pinto da Costa anunciou que «continuar a participar num processo eleitoral tão viciado seria caucioná-lo. Não o faço como candidato e muito menos como Presidente da República». 

Tamin'ny 25 Jolay i Pinto da Costa no nanambara “fankasitrahana ny tsy fetezan'ny fizotran'ny fifidianana ny fanohizana fandraisana anjara amin'izany. Tsy ataoko izany amin'ny maha-kandidà, ary kelikely kokoa amin'ny maha-filohan'ny Repoblika ahy”.

Sahirantsaina amin'ny fizotry ny fifidianana ny ONU

Sambany teo amin'ny tantara ara-demaokratikan'i São Tomé e Príncipe, ny Firenena Mikambana no nandefa solontena manokana avy amin'ny sekretera jeneraly Ban Ki-moon ho ao São Tomé hanombana ny fizotry ny toe-draharaham-pifidianana.

Solontenan'ny Firenena Mikambana ao Sao Tomé mitsapa ny fihenjanana ara-politika – VOA Afrika

Araka ny Téla Nón, nisarika ny saina tamin'ny zavanisy nametraka an'i Sao Tomé sy Principe ho “fitaratry ny demaokrasia manerana ny kaontinanta afrikana” ny solontenan'ny Firenena Mikambana, Abdoulaye Bathily:

 Até agora São Tomé e Príncipe tem-se destacado de maneira notável e é exemplar numa região marcada por conturbações políticas, antes durante e depois das eleições. São Tomé e Príncipe tem vindo a ser uma exceção. Espero que isto aconteça também na segunda volta das eleições.

Niavaka tao amin'ny faritra voamariky ny korontana politika, taloha, nandritra ary taorian'ny fifidianana hatramin'izao i Sao Tomé sy Principe ary noheverina ho naningana. Manantena aho fa mbola hitohy izany amin'ny fihodinana faharoan'ny fifidianana.

Malahelo amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha amin'ny ankapobeny ny Santomeana. Naneho hevitra toy izao tao amin'ny kaonty Facebook-ny ny mpihira rap fanta-daza PekaGboom :

Tenho pena de todos santomenses
Este povo não merece passar por esta situação.
Deus [dê] muita força e sabedoria a todos

Mampalahelo ahy ny Santomeana
Tsy mendrika ny handalo izao ireo olona ireo.
Andriamanitra hanome hery sy fahendrena ho an'ny rehetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.