Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

06 Aogositra 2016

Tantara tamin'ny 06 Aogositra 2016

Raha Mampisalasala Anao Ny Fahatokisam-pirenen'i Pero, Jereo Fotsiny Ny Matso Miaramila Tiany Fatratra

Natao tamin'ny endriny sy toerana maro samihafa ilay matso. Natao tao afovoan'ny Làlana Brezila io amin'izao, miaraka amin'ireo mpijery sasany tonga nialoha ny fiposahan'ny masoandro mba hahazo toerana tsara.

Mihahenjana Ny Toe-Draharaha Politika ao São Tomé sy Príncipe Roa Andro Alohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena

Nisy ny tsindry nitranga nandritra ny fanisam-bato tamin'ny fifidianana tao São Tomé e Príncipe amin'ny ahiahy fisian'ny hosoka tamin'izany. Amin'izao ankatoky ny fihodinana faharoa izao dia nisy ny fihetsiketsehana an-dalambe mitaky ny fanafoanana ny fifidianana.

Sonita Ampolony No Voalaza Fa Novonoin'i Iran Hamoretana Ireo Gadra Noho Ny Fieritreretana

Nisy nitatitra fa nanatanteraka famonoana gadra sonita am-polony tao amin'ny fonjan'i Gohardasht ny governemanta Iraniana, ary anisan'izany ilay gadra malaza noho ny fieritreretana Shahram Ahmadi.

Takian'ny Ogandey ho ny Sekoly no Avotan'ny Governemanta fa Tsy ny Mpanankarena

Fanomezana ho an'olombitsy ny tombombarotra sy fizarazarana ho an'ny fiaraha-monina ny fatiantoka. Tsy maintsy mandoa ny tsy fahombiazan'orinasa ve isika rehetra raha tsy mba nizara ny tombombarotra azony ry zareo?

Manintona Ny Fijery Ho Amin'ny Fahorian'ireo Trà-boina Nohon'ny Tohodrano Any India Ny #RallyForTheValley

"Voalohany indrindra,tokony hoe nanomboka ny fanorenana vaovao ho an'ireo olona ao amin'ireo toerana iharan'izany aloha izy ireo izay vao nanomboka ny asa..."