Mizotra Mankany Amin'ny Fihodinana Faharoa Ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena Ao São Tomé Sy Príncipe

Palácio Presidencial de São Tomé e Príncipe. Foto: Wikimedia/Domínio Público

Lapan'ny Filoham-Panjakana ao São Tomé sy Príncipe. Saripika: Wikimedia/Domínio Público

Nandefa filazana ofisialy fanindroany tany amin'ny gazety, miantso ny mpifidy handatsa-bato hifidy ny filoham-pirenena vaovao ny vaomieram-pifidianam-Pirenena (CEN) Santomey. Mbola tsy voafaritra ny daty hanaovana ny fihodinana faharoa.

Ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan'ny CEN tamin'ny alahady (17.07) dia manome ny voalohan-daharana mazava ho an'ny kandidà Evaristo de Carvalho. Saingy, araka ny antota-taratasy navoakan'ny vaomiera, izay azon'ny Global Voices nidirana, dia mbola tsy tafiditra ao ny fanisam-bato tao an-tanànan'i Maria Luísa, ao amin'ny distrikan'i Lembá:
CEN_COMUNICADO

A Comissão Eleitoral Nacional, vem por este meio informar que, com os resultados extraídos da Acta da mesa de voto da Eleição Presidencial realizada no passado dia 20 de julho na localidade de Maria Luísa no Distrito de Lembá, adicionada à receção das Atas das mesas de voto da diáspora, houve uma alteração dos Resultados Provisórios anunciados pela Comissão Eleitoral Nacional na noite do dia 17 de julho. Com estes resultados, provisoriamente, nenhum candidato conseguiu obter mais de metade dos votos validamente expressos, estando assim aberta a hipótese para a realização de uma segunda volt das Eleições Presidenciais 2016.

Mampahafantatra anareo ny Vaomieram-Pifidianana Nasionaly amin'ity filazana ity fa araka ny fitanana an-tsoratra avy amin'ny biraom-pifidianana filoham-pirenena notontosaina tamin'ny 20 Jolay tao Maria Luisa tao amin'ny distrikan'i Lemba, miampy ny fandraisana ny fitanana an-tsoratra avy any am-pielezana, dia nisy fiovana ny vokatra vonjimaika nambaran'ny Vaomieram-Pifidianana Nasionaly tamin'ny harivan'ny 17 jolay. Mametraka amin'ny fomba vonjimaika ireo vokatra ireo fa tsy misy tamin'ny kandidà no nahazo ny atsasa-manilan'ny vato manankery ka dia mety hisy ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena 2016.

Ny voka-pifidianana nivoaka ny alim-pifidianana nampitaina tamin'ny gazety nasionaly sy iraisampirenena dia nanome an'i Evaristo Carvalho ho Filohan'i São Tomé e Príncipe vaovao, tamin'ny 50,1% amin'ny latsabato raha miohatra amin'ny 24,8% azon'ny Filoha ankehitriny Manuel Pinto da Costa. Ny vehivavy kandidà tokana, Maria das Neves, dia tafiditra fahatelo tamin'ny fifidianana nahazo 24,1%.

Sao Tomé-sy-Principe: Nandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena i Evaristo Carvalho

Fizotram-pifidianana misy hosoka

Taorian'ny famoahana ireo voka-pifidianana vonjimaika voalohany io dia nanao fangataham-pitsipahana tao amin'ny Fitsarana Ady Madio ny kandidà Manuel Pinto da Costa sy ny kandidà Maria das Neves, araka ny gazety Téla Nón, satria:

No documento com data de 19 de Julho, e devidamente assinado pelos mandatários das duas candidaturas, é enumerado uma série de alegadas irregularidades que teriam ocorrido no dia de reflexão 16 de Julho e no próprio dia das eleições 17 de Julho.

Ao amin'ny tahirin-kevitry ny datin'ny 19 jolay, izay nosoniavin'ny solontenan'ny kandidà roa, dia nisy andiana tsy fanarahan-dalàna nitranga tamin'ny androm-pieritreretana 16 jolay sy ny androm-pifidianana 17 jolay.

Ireo tsy fanarahan-dalàna voatonona tao amin'ny dosie nalefa tany amin'ny Fitsarana Ady Madio ireo dia mety hifandraika amin'ny “fanadinoana teo amin'ny fanisam-bato” sy ny “fividianan-tsafidy”, nokianina ihany koa izany toe-javatra izany tao amin'ny Facebook:

Ontem à noite, 19/07/2016, esteve na Comunidade de Maria Luísa um Ministro do governo, acompanhado do Diretor da EMAE, prometendo à população local que instalaria energia no dia seguinte, isto é, 20/07/2016, em pleno ato de votação e ao abandonar o local, deixou 2.400.000,00 Dbs [97,86 EUR] para cervejas e outras bebidas alcoólicas.

Hoje, dia 20/07/2016, no preciso momento em que iniciava o ato de votação, 7:00, chegaram umas camionetas da EMAE carregadas de postes, fios e outros materiais, supostamente para instalação de energia elétrica, ainda hoje. Ontem quando eram 22:30, a Candidata Maria das Neves esteve em Maria Luísa e foi imediatamente expulsa do local, pela população da comunidade.

Omaly 19 jolay 2016 hariva, tonga tao amin'ny vondrom-piarahamonin'i Maria Luísa ny minisitry ny governemanta miaraka amin'ny talen'ny EMAE (jiro sy rano santomeana), ary nampanantena ny hametrahana herinjiro ao ny ampitso, izany hoe ny 20 jolay 2016, izany hoe ao anatin'ny fotoana fandrotsaham-bato mihitsy. Rehefa nandao ny toerana ry zareo dia nanome labiera sy zava-pisotro hafa misy alikaola mitentina 2.400.000,00 Dbs (97,86 euros).

Androany 20 jolay 2016, tamin'ny fotoana nanombohan'ny fandrotsaham-bato indrindra, tamin'ny fito ora, tonga ny fiara antonontonony avy amin'ny EMAE mivesatra andrin-jiro, tariby ary fitaovana hafa, angamba natokana hametrahana ny herinjiro. Omaly tamin'ny 22h30, noroahin'ny mponina tao an-toerana avy hatrany ny kandidà vehivavy Maria das Neves.

Dimy ny isan'ny kandidà nandray anjara tamin'ity fifidianana ho filoham-pirenena santomeana ity. Ny profesoran'ny biolojia, Manuel do Rosário sy ny mpahay toekarena Hélder Barros, izay samy kandidà mahaleotena dia nahazo 0,7% sy 0,3% ny vato manankery tamin'ny voka-pifidianana vonjimaika.

Mety hisy fihodinana faharoa ijerena izay mandresy amin'ny fifanandrinana eo amin'i Manuel Pinto da Costa sy i Evaristo de Carvalho, tahaka izay efa nitranga tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2011. Na izany aza dia tsy mbola azo fantarina mihitsy ny vokatra farany. Araka ny CEN, dia anjaran'ny Fivoriamben'ny Fitsaran-dalampanorenana no mamoaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.