Sarin'ny  Lolo Mirehitra Mahagaga sy Mahatalanjona Ao Japana

Fireflies / ホタル

Lolo Mirehitra . Sary avy amin'ny mpisera Flickr 禾 Lin. Fahazoan-dàlana: CC BY-NC-ND 2.0 (Orizinaly).

Afaka manao topimaso ireo lolo mirehitra izay miseho isan-taona amin'ny fiandohan'ny fahavaratra any Japana amin'ny faramparan'ny volana May sy ny fiandohan'ny volana Jona ianao raha tsara vintana. Mila fahadiovana, rano mandeha, ary mifandray amin'ny tanimbary izay tondraky ny rano isaky ny volana May efa hatramin'ny ela ao Japana ny lolo mirehitra (tanànan'ny lolo mirehitra ao Azia i Japana, Luciola parvula ) .

Na izany aza, vitsy kokoa ny herijika mety ahitana ireo lolo mirehitra isan-taona satria lasa niparitadritaka ny taranak'ireo mpamboly sy ireo tanimbary ao Japana.

Maro ireo mpaka sary no nampiseho ny sarin'ireo lolo mirehitra mahagaga sy mahatalanjona manodidina an'i Japana tamin'ny fifaninanana fakana sary nokarakarain'ny Klioban'ny Mpaka Sary ao Tokyo tamin'ny Jona 2016.

Sary: Nakanishi Shingo

Sary: mpisera Instagram  s_t_523

Sary: Takao Sudo

Sary: Hiroyuki Shinohara

Sary: Takahiro Bessho

Sary: Apple Man

“Genji sy ny fampiaraham-peo mahasondrianan'ny herana.” (Ibi, Gifu, 6 Jona 2016)  #klioban'nympakasaryaotokyo #igersjp #mpifankatia_japoney #icu_japana #wu_japana #bns_japana #webstagram #toerana_mahafinaritra #saryamin'nyalina #phos_japana #saryalaina_alina #japana_hitaamin'ny_alina #fanazavana_manokana_vip #lokon'ny_andro

Nisioka tamin'ny teny Japoney ny Klioban'ny Mpaka Sary ao Tokyo, ary nandefa lahatsoratra tao amin'ny Instagram sy tao amin'ny tranonkalany ihany koa. Azonao arahina ao amin'ny Instagram miaraka amin'ny tenirohy #東京カメラ部 ny fandraisana anjara ao amin'ny fifaninanana fakana sary ao amin'ny Klioban'ny Mpaka Sary ao Tokyo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.