Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

‘HiviSasa’,  Tetikasa  Fampitam-baovaon'Olompirenena Kenyana Ampiasaina Amin'Ny Tranonkalan'Ny  Finday

The logo of HiviSasa.

Ny famantarana ny  HiviSasa.

HiviSasa, amin'ny fiteny Swahili hoe “amin'izao fotoana izao”, dia tetikasa fampitam-baovao nomerika Kenyana mamoaka vaovao sy sary avy amin'ny olom-pirenena mpampita vaovao ary mandray vola isaky ny lahatsoratra havoaka amin'ny alalan'ny M-Pesa , izay rafitra fandoavam-bola amin'ny finday. Mahazo vola eo amin'ny 85 $  Amerikana isan-kerinandro ny olom-pirenena mpampita vaovao sasany arakarak'ilay tranonkala.

Manome  loka amin'ny alalan'ny vola isan-kerinandro ho an'ireo mpanoratra izay manana lahatsoratra mahasarika mpamaky betsaka indrindra ihany koa tetikasa.

Mandrakotra fivondronana 10  ao amin'ny firenena ny tranonkala amin'izao fotoana izao : Nakuru, Kiambu, Machakos, Kisii, Nyamira, Kisumu, Uasin Gishu, Garissa, Mombasa ary Kibera.

HiviSasa

HiviSasa hita amin'ny finday. Sary Creative Commons avy amin'i Jakobbarnwell.

Manazava ny filozôfiany ao amin'ny tranonkala ny HiviSasa:

Accessible, diverse, transparent information empowers both governments and citizens. Better informed citizens make better decisions about their lives and their government.

 

Manome vaovao malalaka, maro karazana, mangarahara manome tanjaka ny fitondram-panjakana sy ny olom-pirenena. Manampy amin'ny fanapahan-kevitra tsara kokoa momba ny fiainana sy ny fitondram-panjakana ny olom-pirenena mahara-baovao vaovao.

Tsy misy iray minitra akory ny fisoratana anarana ho an'ny mpandray anjara ao amin'ny tranonkala , ary tsy mpanao gazety voaofana vao afaka manoratra ao amin'ny  HiviSasa :

You can be a professional, an organisation, a student, a government officer, a politician, a concerned citizen, a cartoonist, a businessman, a bystander… etc. Also, many trained journalists also contribute, which increases their skills and online exposure.

Write a 200-words news story (or submit a new photo with a short description) answering the questions: What event? Where and when did it happen? Who was involved? How did the event occur? Why is it noteworthy?

Na matihanina ianao, na fikambanana, na mpianatra, na manamboninahitra ao amin'ny governemanta , na mpanao politika, na olom-pirenena liana, na mpanao sariitatra, na mpandraharaha, na mpitazana  … sns. Ary koa, maro ireo mpanao gazety voaofana no mandray anjara , izay mampitombo ny traikefany sy ny fisehoany amin'ny aterineto.

Manorata tantaram-baovao misy teny 200  (na mandefasa sarim-baovao miaraka amin'ny fanazavana fohy) izay mamaly ireto fanontaniana ireto: Inona ilay karazana tranga? Taiza ary oviana ilay izy no niseho? Iza no mpandray anjara tao? Ahoana no fomba fisehon'ilay tranga? Nahoana ilay izy no mendrika soratana?

Nanome ohatra telo amin'ny tantaram-baovao tsara niseho tao an-toerana ny tranonkala  ho an'ireo mpanoratra vaovao. Momba ny lehilahy Kenyana iray ny iray amin'ireo tantara, Lawrence Gekonge,  izay nandevina ny vadiny tao an-dakozia nony maty izy satria nandany ny ankamaroan'ny fotoanany tao ilay ramatoa. Nilaza ilay rangahy fa tokony halevina ao amin'ny trano fandraisam-bahiny ao amin'ilay trano izy rehefa maty.

Momba ny olom-pirenena mpampita vaovao iray ny tantara faharoa, Luvanda Dickens, izay efa nahavita namoaka tsy tapaka tantara 50 mahery isan-kerinandro . Ny fahatelo indray dia momba ny  kadasitra 1200 izay tsy azo tao amin'ny Rejisitry ny Fananantany.

Nanoratra  tamin'ny imailaka ho an'ny Global Voices i Enoch Nyariki, tonian-dahatsoratra mpitarika ilay tetikasa fa efa namoaka tantara miisa 61.000 hatreto ny tranonkala. Nilaza izy fa iray amin'ireo fanamby lehibe atrehan'ny tetikasa ireo olom-pirenena mpampita vaovao maka tombontsoa amin'ny Akademia HiviSasa maimaimpoana natsanbgan'izy ireo hanome hery ireo mpitati-baovao amin'ny talenta fototry ny fanoratam-baovao fototra.

Teny fampidirana ao amin'ny Akademia amin'ny fiteny Sheng, fifangaroan'ny teny Swahili sy anglisy ny lahatsary YouTube  eto ambany:

Manome lesona  maimaimpoana isan-karazany ny Akademia toy ny hoe Ahoana no Fanaovana Antsafa, Ahoana no Fanaovana Tatitra an'ireo Tantara Fohy, ny Fanoratana mifanaraka amin'ny lalàna  -ny Fakantahana/Fanomezan-dalana, ny Fanoratana mifanaraka amin'ny lalàna  – ny Fanalam-baraka/Fanasoketana, ny Teny Fankahalana, sns

Natao tetikasa fitaratra tamin'ny taona 2012 niaraka tamin'ny fanohanan'ny 88mph ny tetikasa, izay mpamatsy vola ireo sampandraharaha vao hiforona, ary navoaka ofisialy tamin'ny Janoary 2014 . Ny Tambajotra Omidyar sy ny Orinasa Sahy Sedra Novastar no mpampiasa vola hafa tao amin'ny tetikasa .

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra:  mahazo fanohanana avy amin'ny Tambajotra Omidyar ihany koa ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.