Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Inona Ilay Afrika Tadiavintsika? Ilay Feno Fanambinana, Tafaray sy Mety, Ho an'ny Mpiainga

Screen Shot from the African Union "Agenda 2063" website

Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny “Agenda 2063″ an'ny Vondrona Afrikana

Tamin'ny fahatsiarovana ny fahadimampolo taonan'ny fisiany, dia napetraky ny Vondrona Afrikana ny fandaharam-potoana ho an'ny kaontinanta nomena anarana hoe “Agenda 2063” hananganana “The Africa We Want” [i Afrika Tadiavintsika]. Io planina io dia nosoritan'ny 54 mpikambana ao amin'ny Vondrona ho “antso hoan'ny saragam-piarahamonina Afrikana iray manontolo hiaraka hiasa hanangana an'i Afrika tafaray sy miroborobo ao anaty soatoavina niaraha-nizara sy manaraka lahatra iray iraisana”.

Ireo lakile hanatrarana ny “The Africa We Want” [I Afrika Tadiavintsika], araka ny Banky Afrikana Misahana ny Fampandrosoana, dia ny politikam-pitarihana stratejika, ny fampiraisana ny faritra, ny famoronan'asa ho an'ny Afrikana rehetra ka tafiditra amin'izany ny vehivavy sy ny tanora, ary ny fitantanana fifandroritana.

Fa Afrika tahaka ny ahoana moa izany no tadiavin'ny Afrikana? Nametraka ny fanontaniana tao amin'ny media sosialy ny Vondrona Afrikana hahita ny valiny.

Zarao ny vinanao ho an'i Afrika amin'ny fampiasana #TheAfricaWeWant na i Afrika Tadiavintsika ary raha eto Addis dia miaraha aminay manaraka ny mivantana amin'ny 28 avrily amin'ny 6-9ora hariva, ilaina ny mamaly na mampita ity azafady indrindra.

Mazava loatra fa niteraka setriny avy amin'ireo Afrika mpisera Twitter izany. Ny Filohan'ny Vondrona Afrikana, Dr. Dlamini Zuma, nitady “fiarahamonina ara-toekarena velona”:

I Afrika tadiavintsika dia ilay Fiarahamonina ara-toekarena velona, izay tsy latsaky ny 70 isanjato ny fifanakalozana anatiny Afrikana.

Nisioka i Obianuju Ekeocha, Nizeriana iray:

I Afrika tadiavintsika dia ao amin'ilay toerana asandratra ny fianakaviana ary apetraka eo amin'ny ivon'ny zon'olombelona sy ny tetikasam-pampandrosoana.

Mieritreritra Afrika mahavelon-tena i Tsonam C. Akpeloo:

Mahita vina an'i Afrika mihinana izay vokarintsika aho sy manondrana ny ambim-bavan'izay novokarintsika.

Mitady Afrika tsy misy fanaovan-kitoatoa, fa atanjahan'ny fanolokoloana ny fahamendrehana:

I Afrika Tadiavintsika dia ahitana fa ireo mendrika no mahazo fa tsy mifototra amin'ny fahalalana olona

Naniry fitsaboana tsara ho an'ny Afrikana rehetra ilay Ongandey solontenan'i Global Voices, Pru Nyamishana:

Manantena Afrika manana fitsaboana tsara dia tsara sy mitoetra maharitra aho

Mitady Afrika matanjaka eo amin'ny firaisankina sy ny fimaroana i Nebila Abdulmelik:

I Afrika Tadiavintsika dia ilay manana firaisankina sy mandala ny firahalahiana sy firahavaviana sy ny hatsarana, Firaisana fa tsy fitoviambika

Precious Kc George indray maniry an'i Africa tsy misy mpitarika manao kolikoly sy mahazo aterineto:

Mahita vina an'i Afrika tsy misy mpitondra voakolikoly sy ny fitomboan'ny aterineto aho.

Poetika i Anand Madhvani:

I Afrika-ko:
afa-mirehareha matanjaka mahatoky
maneho ny fimaroany

mandeha mihoatra ny fanjifan'olo-tokana
Tandrefana

Mampiseho 🌎🌍🌏 zina
I Afrika Tadiavintsika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.