
Irakiana mpanao hetsipanoherana eo ivelan'ny Parlemanta androany vao maraina be, toerana nanaovan-dry zareo fitorevahana taorian'ny fanaovana bemidina tao amin'ilay tranobe. Sary: @AlFayth (Irakiana mpanao gazety miasa tena: Methaq Al-fayyadh/Twitter)
Anjatony maro ireo Irakiana nibosesika tao amin'ny tranoben'ny Parlemanta, ao anatin'ilay Faritra Maitso tsara aro ao Baghdad, ho fanoherana ny fikatsoan'ny fanendrena ny governemanta vaovao androany. Navoaka ny fepetra amin'ny tany misahotaka, izay vao mainka aza nampitombo ny olana maro samihafa atrehan'ny firenena.
Nibosesika tao amin'ilay tranobe ireo mpanao hetsipanoherana, mpanohana an'ilay mpitari-pivavahana Shiita Moqtada Al Sadr, rehefa tsy vitan'ireo Parlemantera ny nanao fivoriana handatsaham-bato noho ny tsy fahatratrarana ny fetran'isa ilaina. Manosika an'i Haidar Al Abadi, praiminisitra, mba hanolo ireo minisitra aminà mpitan-draharaha tsy miandany i Al Sadr, hetsika iray izay lavin'ìreo antoko matanjaka ao amin'ny parlemanta. Ireo mpanao hetsipanoherana, izay tany ampiandohan'ity herinandro ity, dia nanao diabe nankany amin'ilay Faritra Maitso misy ireo tranobem-panjakana sy ireo masoivoho ary heverina ho tsara fiarovana indrindra ao Bagdad, dia nandao ny toerana ary ankehitriny mitoby mitorevaka ao amin'ny faritry ny Triumphal Arch (Vavahadin'ny Fandresena), ao anatin'ilay Faritra Maitso ihany koa.
Efa am-bolana maro io olana ara-politika io no nihotrika tany, tonga amin'ny faratampony androany niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo mpanao hetsipanoherana ho ao amin'ny Faritra Maitso, izay toerana tsy azon'ny olontsotra Irakiana aleha. Hatramin'ny lohataona farany teo, an'arivony maro ireo Irakiana nanao hetsipanoherana noho ny tsy fahampian'ny tolotrasa, fahantràna ary ny kolikolin'ny governemanta. Miatrika tsy fahamarinan-toerana politika henjana be i Iràka, izay efa latsaka anaty olana politika lalina, miaraka amin'ny ady atao amin'ilay vondrona mpitolon'ny ISIS etsy ankilany, ary ny toekarena tra-pahasahiranana etsy andaniny. Nandrasana hanendry ireo mpikambana vaovao ao amin'ny kabinetra i Abadi androany mba hampitoniana ireo mpanao hetsipanoherana.
Ao amin'ny media sosialy, taterin'ireo Irakiana mpisera ho toy ny tantara misafotofoto ny momba ireo tranga adroany. Nibosesika nameno ny parlemanta nilanja saina Irakiana ireo mpanao hetsipanoherana feno hafaliana no sady nihogahoga. Lazain'ireo tatitra fa voatafika sy voadarok'ireo mpanao hetsipanoherana feno hatezerana ny sasany tamin'ìreo parlemantera, raha ny sasany kosa niezaka ny nisintona azy ireny hiverina sy nampitony azy ireo.
Mibitsika ilay Irakiana bilaogera, Haidar Hamzoz, hoe:
Protestors Said ” we are the Parliment”
المتظاهرون يقولون ” #نحن_البرلمان “#العراق #بغداد #iraq #baghdad pic.twitter.com/T4yYxzNz6S— Hayder Hamzoz (@Hamzoz) April 30, 2016
“Izahay no Parlemanta” hoy ireo mpanao hetsipanoherana
Iraqi Parliment back to Iraqi People #البرلمان_العراقي يعود للشعب #العراق #بغداد #iraq #baghdad pic.twitter.com/ER6szb1NBy
— Hayder Hamzoz (@Hamzoz) April 30, 2016
Miverina amin'ny vahoaka Irakiana ny Parlemanta Irakiana
Ary ity lahatsary ity, nozaraina tao amin'ny Facebook sy efa nojerena maherin'ny in-3 hetsy hatreto, no mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana ao anatin'ny Parlemanta.
Mizara saripika i Hamzoz, mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana manadio ny parlemanta alohan'ny hialàna tao :
Cleaning Started inside Parliment by Protestors before leaving
تنظيف البرلمان العراقي من قبل المتظاهرين قبل الانسحاب pic.twitter.com/2I7udL2H8w— Hayder Hamzoz (@Hamzoz) April 30, 2016
Nanomboka ny fanadiovana nataon'ireo mpanao hetsipanoherana tao anatin'ny Paremanta talohan'ny nialàna
Zaid Benjamin, mpanao gazety mipetraka any DC, mizara ity lahatsary ity avy amin'ilay fitorevahana tao amin'ny faritry ny Vavahadin'ny Fandresena:
#العراق | متظاهرون عراقيون في ساحة الاحتفالات الكبرى في #بغداد. pic.twitter.com/Rwi1aeWeH8
— Zaid Benjamin (@zaidbenjamin) April 30, 2016
Ireo Irakiana mpanao hetsipanoherana tao amin'ny faritry ny Vavahadin'ny Fandresena
Hayder Al Shakeri mizara ity lahatsary ity:
From the heart of the Green Zone. Ihtifalat Sq. is filled with protestors. #Baghdad #Iraq pic.twitter.com/7hfdr8cx8u
— Hayder Al-Shakeri (@HayderSH) April 30, 2016
Avy ao amin'ny fon'ny Faritra Maitso mihitsy. Rakotra mpanao hetsipanoherana ny Làlana Ihtifalat
Ary lazain'i Mustafa Salim fa voalohany izao tato anatin'ny 13 taona no nisy olontsotra Irakiana nifamory teo amin'ny faritry ny Vavahadin'ny Fandresena.
For the first time in 13 years there are people in festival square. #Iraq pic.twitter.com/15e4KmhGhx
— Mustafa Salim (@Mustafa_salimb) April 30, 2016
Sambany tao anatin'ny 13 taona no misy olona eo amin'ilay kianjan'ny fetibe
Sajad Jiyad Irakiana bilaogera monina any Londona manamarika hoe ny hery manosika ireo hetsipanoherana ankehitriny dia ny “hadisoam-panantenana tamin'ny kilasy politika”:
No revolution, just an outburst of frustration & despair with political class that has been forewarned since summer
— Sajad Jiyad سجاد (@SajadJiyad) April 30, 2016
Tsy misy revolisiona, fa fotsiny fipoahan'ny hatezerana&hadisoam-panantenana amin'ny kilasy politika izay efa nomena fampitandremana hatramin'ny lohataona lasa teo
Ary nitondra ny anjara birkiny koa ilay Libaney mpanao sary mahatsikaiky, Karl Sharro :
This is how you run for parliament in Iraq. pic.twitter.com/WQ3MW6I25s
— Karl Sharro (@KarlreMarks) April 30, 2016
Toy izao no fomba ataonao hitantanana parlemanta ao Iràka
Hitondra fiovàna hiteraka vokatsoa ho an'ny Irakiana ve sa ho loza mitatao bebe kokoa ho an'ny toedraharaha marefo ao Iràka ireo hetsipanoherana androany ?