
Andro fahaefatra amin'ny fitokonana lavareny ao Pucallpa. Saripika nozaraina ao amin'ny Twitter avy amin'i @carlos1cd.
Ity lahatsoratra ity dia navoakan'i Juan Arellano voalohany tao amin'ny blaogy Globalizado.
Voahozongozon'ny fitokonam-paritra nanomboka tamin'ny 9 marsa 2016 lasa teo ny fitoniana mahazatra ao an-tanàna amazoniana Pucallpa, ao amin'ny faritra Uyacali ao avaratra atsinanan'i Però. Na izany aza dia tsy mahalala momba izany loatra ny ao Lima renivohitra. Angamba izany vokatry ny hazakazaka fifidianana ho filoha mizotra ao amin'ny firenena, izay ifantohan'ny fampitam-baovao tanteraka.
Ny El Frente de Defensa de Ucayali (Ny Ligim-piarovana an'i Ucayali) no fikambanana ao ambadik'ity fitokonana faobe, izay nahazo ny sarangan'olona isan-karazany. Mitaky ny fampihenana ny vidin'ny herinjiro, etona, solika ary ny fanadiovana fako. Mitaky ny famerenana ny fampihenana natao tamin'ny teti-bolan'ny faritra, faritany sy ny distrika; sy vahaolana ho an'ny olan'ny fananan-tany sy ny tolotra ho an'ny fanorenam-ponenana tsy ara-dalàna ao amin'ny faritra ihany koa izy ireo
Nahazo fanohanana goavana tao an-tanàna ny fitokonana, ary nanatevin-daharana izany ihany koa ny sasany tamin'ireo faritany manodidina. Olona iray no naratra tamin'ny andro voalohan'ny fitokonana tsy voafetra, izay nahitana fihetsiketsehana goavana. Araka ny filazan'ireo nahita maso, vokatry ny bala fingotra notifirin'ny polisy no nahatonga ratra. Nitohy nandritra ny andro faharoa sy fahatelo misesy ny fihetsiketsehana ary nitarika fisamborana mpanao fihetsiketsehana 21. Tamin'ny andro fahefatra, vondrom-piarahamonina vazimba teratany 15 no nanatevin-daharana ny fitokonana. Ankoatra izany, nanomboka nisy fiantraikany tamin'ny tsy fahampian'ny sakafo fototra hatrany ny fikatonan'ny orinasa sy ny sakan-dalana, nanery ireo mponina sasany mba hamorona lakozia iombonana.
#Pucallpa preparándose para la Huelga de mañana. pic.twitter.com/BzfYuoTSy1
— Carlos Cavero (@carlos1cd) March 9, 2016
#Pucallpa manoma-tena amin'ny fitokonana rahampitso. pic.twitter.com/BzfYuoTSy1
Nandritra ny fiaretan-torin'ny Talata 9 Martsa, andro nanombohan'ny hetsi-panoherana, namakivaky ny arabe niaraka tamin'ny polisy ireo mpikambana ao amin'ny Frente de Defensa de Ucayali (Ligin'ny Fiarovana Ucayali).
y empezó la huelga en #Pucallpa. #Ucayalazo pic.twitter.com/WjQtyhBaE4
— Carlos Cavero (@carlos1cd) March 9, 2016
Ny ampitso, nisioka sary sy lahatsary misy izay hitan'izy ireo teny an-dalamben'i Pucallpa ireo mpiserasera samihafa:
Segundo día de UCAYALAZO en Pucallpa. Se torna más intensa y puede desencadenar en algo grave…. pic.twitter.com/TEyFGy9Gif
— Alimber Sandy (@SandyZarria) March 10, 2016
Andro faharoan'ny UCAYALAZO ao Pucallpa. Manjary miha-matanjaka kokoa izany ary mety hiteraka zavatra hafa
@RPPNoticias @atv_noticias @Latina_Noticias @noticias_tvperu @atvmasnoticias @canalN_ #Ucayalazo #Pucallpa pic.twitter.com/iNEC8nlxRt
— Jack Benedetti (@arrozconlenteja) March 11, 2016
#HuelgaUcayalina continúa con una marcha en exigencia de sus reclamos al Gobierno. #Pucallpa pic.twitter.com/Nw0e2zt3rj
— Josep Zamudio (@josepbzn) March 10, 2016
#HuelgaUcayalina mitohy ny fitokonanana mitaky ny governemanta mba hamaly ny fitakian'izy ireo
Nitarika fihetsiketsehana maro kokoa ny ampitso:
Carretera bloqueada por el #Ucayalazo #Pucallpa se defiende, pucallpa no se vende pic.twitter.com/6gHrEGeL1K
— Ollenkita Sharmelly (@Sharmelly15) March 12, 2016
Lalana nosakanan'ny fiarovana #Ucayalazo#Pucallpa, tsy amidy i Pucallpa
En otros temas, continúa el paro en Pucallpa por cuarto día. Piden hablar con ministros @canalN_ pic.twitter.com/uvzyhqw6AJ
— Jimmy Chinchay (@Jimmychinchay) March 12, 2016
Tamin'ny vaovao hafa, miditra amin'ny andro fahaefatra ny fitokonanana ao Pucallpa. Mangataka mba hiresaka amin'ny minisitra izy ireo
Sigue la huelga en Pucallpa.#Ucayalazopic.twitter.com/zcxjsvPT9U
— Mirko Rojas Mego (@mirkosoft) March 12, 2016
Mitohy ny fitokonana ao Pucallpa .
@VeroLinaresC Verito lo que esta padando en Pucallpa con el pero ya van 4 dias. Saludos pic.twitter.com/nU4Hsw6PnE
— Melissita Ibarra (@IbarraMelissita) March 12, 2016
@VeroLinaresC Verito, toy izao no mitranga ao Pucallpa. Efa andro fahaefatra sahady ny fitokonana.
#Ucayalazo día 04 #Pucallpa pic.twitter.com/GGL9FqkOaH
— Carlos Cavero (@carlos1cd) March 13, 2016
#Ucayalazo andro faha-4
Pucallpa es un caos. pic.twitter.com/K1M7FV9LCD
— Carlos Cavero (@carlos1cd) March 13, 2016
Korontana ao Pucallpa.
Nanomboka niditra tsikelikely tao amin'ny fihetsiketsehana ny herisetra.
5to día de huelga #Pucallpa #Ucayalazo pic.twitter.com/6N67JsbC23
— Fantasmita✌ (@Tufantasmita) March 13, 2016
Andro fahadimin'ny fitokonana
En Pucallpa esto no es huelga es violencia. Las autoridades donde están? @renegaste1 @americatv_peru @elcomercio pic.twitter.com/2AUhaQVroa
— Katia Ch Villacorta (@kattyc9) March 13, 2016
Tsy fitokonana no misy ao Pucallpa, fa herisetra. Aiza ny manampahefana?
Cono sur de Pucallpa pide – https://t.co/b3UBLE2TWI pic.twitter.com/p4Obp2VfQG
— Diario Ahora (@diarioahora) March 14, 2016
Fitakian'ny farany Atsimon'i Pucallpa.
#ucayalazo!!! Pucallpa en pie de lucha pic.twitter.com/bbmQk2SvUl
— diana G. Martin (@CarolGm2728) March 14, 2016
#ucayalazo!!! Mitolona i Pucallpa
Hafahafa tsy ho an'ny mponina ao an-toerana ao Pucallpa ihany ny tsy fisian'ny fandrakofam-baovao amin'ny fahitalavitra fa ho an'ny olona ao Lima ihany koa izay nahita ny hetsika tamin'ny loharanom-baovao hafa .
SEXTO DIA de paro regional en Pucallpa y ni una noticia en los programas del domingohttps://t.co/qbSrKmFQB2#Prioridades
— Camilo Deza (@CamiloDeza) March 14, 2016
Miditra amin'ny andro fahaenina ny fitokonam-paritra ao Pucallpa ary tsy misy na dia vaovao iray momba izany aza amin'ny fandaharana Alahady
Misy mihitsy aza ny tsaho fa olona roa no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin'ny polisy, na izany aza, mbola tsy voamarina izany.