Inona No Nosiahan'ny (Tweet) Afrika Tamin'ny Taona 2015

A screenshot of a graph showing how Africa tweets.

Pikantsary tamin'ny fanehoana an-tsary mampiseho ny fomba fandefasan'i Afrika Sioka.

Nanadihady sioka hita ara-jeografika 1,6 miliara sy diezy malaza 5.000 tao amin'ny kaontinanta Afrikanina tamin'ny tatitra fahatelo “How Africa Tweets (Ahoana Ny Fisiokan'i Afrika)” ny Portland, sampam-pifandraisana iray ao Londra.

Ahitana tranga mampihetsi-po 12 mikasika ny fomba fitantaran'ny Twitter ny lohahevitra tahaka ny fampihorohoroana any Afrika, ny Ebola, sy ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin'ny kaontinanta ny tatitra.

Nampiasa ny fitaovana fanadihadiana media sosialy Sysomos ny orinasa mba hanangonana sy hanadihadiana ireo diezy malaza 5.000. Na izany aza, tsy nahavita nanangom-baovao momba an'i Sodàna Atsimo sy ny Repoblikan'i Congo izy noho ny tsy fahampian'ny tahirin-kevitra tao amin'ny media sosialy.

Nampiseho ny fikarohana nataonay teo aloha fa mihoatra lavitra noho ny sehatra ho an'ny fifandraisana ara-tsosialy na ny vazivazy ny Twitter ao Afrika. Ity fikarohana fahatelo ity, dia mampiseho fa mivoatra ny sehatra ary anjakan'ny adihevitra matotra momba ny politika sy ny fitondram-panjakana, “voalaza tao anatin'ny fanambarana an-gazety i Mark Flanagan, Mpiara-miasa Voalohany amin'ny Portland mikasika ny Paikady Ara-votoaty sy Nomerika”.

Valin'ny karoka:

  • Nizeria, Afrika Atsimo, Etiopia, Burundi sy Egypta no mavitrika indrindra amin'ny resaka ara-politika ao amin'ny Twitter.
  • Mihoatra ny sisintanim-pirenena ny fahalianana amin'ny politika. Anisan'ireo diezy sasany malaza indrindra sy niparitaka manerana an'i Afrika ny diezy momba ny fifidianana filoham-pirenena Nizeriana sy ny ady tao Burundi.
  • Ny teny anglisy no teny manjaka indrindra tao amin'ny Twitter ao Afrika. Tamin'ireo diezy malaza 5000 nohadihadianay, tamin'ny teny Anglisy avokoa ny 77%. Hita fa tsy dia be mpampiasa kosa ny teny tahaka ny Arabo sy ny Frantsay-izay 7% sy 4% avy.
  • Tsy dia ampiasaina amin'ny fanentanana ara-barotra tsy tahaka ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao ny Twitter any Afrika.
  •  Ejipta no misioka betsaka indrindra amin'ireo firenena ao Afrika, izay 28% amin'ny totalin'ny Twitter hita ara-jeografika (tafakatra hatramin'ny sioka 500 tapitrisa). Nizeria (sioka 360 hita-ara-jeografika), Afrika Atsimo (sioka 325 hita ara-jeografika), Kenya (sioka 125 tapitrisa hita-ara-jeografika) ary Ghana (sioka 70 tapitrisa hita-ara-jeografika).
  • Rwanda irery no firenena nanana filoha ao anatin'ireo diezy folo malaza indrindra tao amin'ny Twitter.

Nizara ny fehin-kevitra tao amin'ny Twitter tami'nny diezy #HowAfricaTweets ny sioka sasany.

Noresahina tao amin'ny media sosialy talohan'ny fanambarana ofisialy nataon'ny fikambanana ara-pahasalamana (OMS) na ny olon-kafa ny tranga voalohany [nandrenesana indray] ny Ebola

Ny Afrikanina no naneho hevitra miavala indrindra momba ireo tranga vitsivitsy iraisam-pirenena tao amin'ny Twitter, anisan'izany ny Fanjakana Islamika,

Gabon dia firenena miteny Frantsay ao Afrika Afovoany, saingy nisy ifandraisany tamin'ny tranga tao Nizeria ny telo tamin'ireo siokany folo malaza indrindra.

#howafricatweets
Diezy dimy malaza indrindra tao Oganda
1. #Uganda
2. #UgandaDecides
3. #News
4. #Latest
5. #MUFC

Ny nosy kelin'i Komoro no nanana taha avo indrindra tamin'ny sioka isan'olona amin'ny 0.77 manerana ny kaontinanta.

Nahazo fanehoan-kevitra tsara amin'ny ankapobeny ny tatitra. Na izany aza, Mwesigwa Daniel, mpandray anjara amin'ny True Africa nisioka hoe:

Ny tatitra #HowAfricaTweets dia sombiny hafa amin'ny laza mora vidy. Marobe ireo adino.

Demba Kandeh, mpanoratra ato amin'ny Global Voices nahita hoe:

@reedkramer @PortlandComms @twitter voka-pikarohana mahaliana; tahaka ny mampitaha paoma amin'ny laoranjy, #AfricaIsNotACountry #HowAfricaTweets

1 hevitra

  • Izany no fikarohana faran’izay mahaliana! Koa, tena mangatsiatsiaka fa ianao no afaka manao izany Sysomos mampiasa ny fitaovana!

    Cheers,
    Sheldon, fiaraha-monina mpitantana ny Sysomos
    (Masìna ianao mamela ny malahelo Malagasy, aho mampiasa Google Zavatra)

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.