Vehivavy, fahefana, tombondahiny ary ny vokatry ny lahatsarin'ny Black Friday ao Pakistan

Pikantsary namboarina tamin'ny lahatsary misy ireo olona mifanjevo mandritra ny fiantsenana Zoma tao Pakistan. Sary namboarin'ny mpanoratra.
Isan-taona mandritra ny varotra “Black Friday” (Zoma Mainty), aorian'ny Androm-pisaorana (Thankgiving) ao Etazonia, nalaza tao amin'ny aterineto ny lahatsary ahitana fifampitolomana ao anatin'ny fahadalam-piantsenana ao amin'ny toeram-pivarotana “lehibe” tahaka ny Walmart sy Target.
Tamin'ity taona ity tao Pakistan, tamin'io andro io, nisy lahatsary iray niparitaka ahitana vehivavy miady mandritra ny tsingeritaona voalohan'ny varotra tao amin'ny magazay mpivarotra antsinjarany Sapphire, izay milaza fa manome “fitafiana avo lenta takatry ny besinimaro.”
Natao hampisy firohotana bemanadala —tahaka ny fihenambidy manokana mandritra ny “Black Friday” ao amin'ny Walmart— ny varoboba tao amin'ny Sapphire. Nahenan'ny Sapphire hatramin'ny 50% ny vidin'entana tsara kalitao sy be mpitsiriritra saingy misy fetr'isa. Ka izay tonga aloha ihany no mahazo.
Misy ny miantso izany ho fifaninanan'ny tsena. Mivarotra atsinjaran'ny fanatanjahatena mifampikasoka, notefena hanosehana sy hifanisika.
Ao amin'ny Walmart na ao amin'ny Target, matetika ireo kilalao malaza sy lalao videô kasain'ireo ray aman-dreny hovidiana mandritra ny varoboba hatao fanomezana krismasy ny zanany no miteraka fifanosehana. Fianakaviana izay tsy hahatakatra ny vidiny amin'ny fotoana tsotra no manangombola mandritra ny taona ahafahana mividy zavatra maro dia maro. Nampiseho ny fanadihadiana fa ny mampiavaka ireo mpividy mandritra ny Black Friday dia ireo vitsy an'isa tsy fotsy hoditra, na ray na reny toka-tena. milahatra mandritra ny ora maro tsy hividy afa-tsy zavatra iray, ka raha vao misokatra ny varavarana dia raikitra ny firohotana ka foana ao anatin'ny minitra vitsy monja ny talantalana. Ny fahadisoampanantenana sy ny fahavitsian'ny entana no miteraka fangaro mampidi-doza, ka mahatonga ny sasany ho very saina tsy mahafehy tena intsony.
Reehfa nahita ny rohin'ny lahatsary ahitana fifanosehana tao amin'ny Sapphire aho tao amin'ny Twitter, dia tsy noraharahiako izany, tahaka ny tsy iraharahiako ny fifampitolomana mandritra ny Black Friday. Noho izaho manohitra ny fitiavam-panjifana, dia tsy mahita tombony amin'ny faniratsirana ireo mpanjifa maningatsingana aho. Fa ny ataoko dia ny miezaka ny mahatakatra ilay rafitra lehibe mamorona sy mampitoetra maharitra ity fitiavan-kahazo harena hita maso ity.
Niova tanteraka anefa ny raharaha rehefa hitako fa nihamaro ireo olona nizara ny lahatsary. Tantaran'ireo mpanjifa vitsivitsy miady fitafiana mivadika ho fanalam-baraka ireo “nenitoa manana tombondahiny, materialista”. Tahaka ny mandre amin'ny fanehoan-kevitra hitanao any Etazonia rehefa “aelin'ny mpanankarena ny lahatsarin'ny fifampitolomana mandritra ny Black Friday hanalana baraka ny mahantra” ary tsy mandeha ilalana mihitsy izany manana tombondahiny manala baraka ny mahantra izany.
Fa angaha tsy “manana tombondahiny” ireo vehivavy ao amin'ny lahatsary ireo? Mety ho izany ny sasany ary tsy izany ny sasany. Misy amin'ny ambaratongan-drafitra rehetra ny tombondahiny sy ny fahefana, indrindra fa amin'ny firenena tahaka an'i Pakistan. Ny lahatsary sy ny hafanampo amin'ny fampielezana azy no mahatonga ahy hiato ka hihevitra ny antony mahatonga ity fahadalana ity ao Pakistan.
Tsy midika izany fa manaiky ny herisetra amin'ny endrika samihafa aho, indrindra amin'ny herisetra noho ny fitafiana. Ny olona mahafantatra ahy dia mahay fa miala tsiny amin'ny seza voadonako aho. Noho izany dia tafahoatra amiko izany manamarina herisetra tahaka izao izany. Saingy tsy maintsy mieritreritra aho fa zavadehibe ny miato sy ny mihevitra ireo singa mety hiteraka faharomotana tahaka izao.
Misy ve ny andraikitry ny rafi-piarahamonina ao Pakistan manome valisoa hatrany ireo vehivavy sy zazavavy mampidera ny fananankarena sy mandositra mandrakariva ireo tsy manana izany tombondahiny izany?
Angamba miady mihoatra noho ny fitafiana iray ireo vehivavy hita ao amin'ny lahatsary. Angamba ahafahan'ny fianakaviana sasantsasany manivaka hahazo karazan-tombondahininy tsy ho takatry ry zareo ho an'ny zanany vavy amin'ny fotoana tsotra ny varoboba, tahaka ireo ray amandreny atao anjorombala ao Etazonia miatrika ny hatsiaka noho ny varoboban'ny Black Friday satria miaina ny fiarahamonina misy azy dia mampiaka-danja ny satan'ny zanany amin'ny kilalao ananany na ny akanjo anaovany.
Na mety koa hoe ny sasantsasany amin'ireo vehivavy ireo raha ny marina dia “vehivavy avy amin'ny fianakaviana manankarena” voatery miaina ao anatin'ny tetibola tery dia tery.
Toe-javatra roa samihafa, rafitra roa tsy azontsika andosirana.
Eny fa na dia any an-tanandehiben'i Pakistan aza dia fahita mahazatra io toe-javatra farany voalaza ahitana ireo “manana tombondahiny” io izay vokatry ny tsy fifandanjan-kery sy tombondahiny eo amin'ny lahy sy ny vavy ao anatin'ny ankohonana iray. Misy ireo lehilahy mifehy manontolo ny fandaniambolan'ny fianakaviana; tsy mahazo miasa ivelan'ny tranony ny vehivavy ao amin'ny fianakaviany. Kiviana ny vehivavy sasany tsy hiasa, na kivian'ny fahasarotana isan-karazany atrehina rehefa miasa any Pakistan tsotra izao ry zareo, ka anisan'izany ny fanohitohinana ara-nofo tsy misy fanasaziana, ny fitateram-bahoaka tsy sahaza, ary ny kolontsaina ankapobeny efa vonton'ny fankahalam-behivavy. Hoan'ny maro amin'ny vehivavy, ny fiainam-piarahamonina sy ny fivoahan'ny fianakaviana ivelan'ny trano dia voafetra amin'ny fivoriam-pianakaviana na lanonan'ny mpifankafantatra, ka any no antenain'izy ireo hanehoana ny tsara indrindra avy amin-dry zareo, angamba amin'ny alalan'ny fitondrana fitafiana avy ao amin'ny tranombarotra Sapphire.
Mijery ireo lahatsarin'ny tao Sapphire aho ary mieritreritra ireo vehivavin'ny tanandehibe pakistaney—eny fa na ireo heverina ho “manana tombondahiny” aza—voaendaka, voatositosika ary voasisika ho any amin'ny toeranasy toe-javatra mahalasa adala – tsy noho ny safidy fa noho ny tefibika.
Sokajy

Atombohy ny resaka

Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 40 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...