‘Aylan ho an'i Tajikistan': Ankizy Mpifindra Monina Iray Maty Teo An-tsandrin'ny Manampahefana Rosiana

Tajiks ao New York mitaky ny rariny ho an'i Umar eo ivelan'ny Masoivoho Rosiana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nakarin'i Bolk Bolkev.
Nahatohina ny any Rosia sy Tajikistan ny fahafatesan'ny zaza dimy volana, ny kely indrindra tao amin'ny fianakaviana Tajik mpifindra monina ara-toekarena monina any St.Petersburg. Na tsy fantatra aza ny tena antony marina nahatonga ny fahafatesan'i Nazarov Umarali, dimy volana, maro tao amin'ny firenena roa tonta no mitàna ny fanjakana Rosiana ho tompon'andraikitra .
Tamin'ny 13 Oktobra 2015, toy ny fihazàna ny mpifindra-monina tsy ara-dalàna, notazonin'ny polisin'ny Sampan-draharaha Federaly amin'ny Fifindramonina Rosiana (FMS) any St. Petersburg ireo olom-pirenena roa avy any Tajikistan sy ny zanany lahy dimy volana. Nentina tany amin'ny paositry ny polisy izy mivady noho ny fiahiahiana ho nandika lalànan'ny fifindràmonina. Nosarahan'ny polisy tamin'ny ray aman-dreniny ilay zaza ary tsy nahita azy velona intsony izy ireo.
Isan-taona, olom-pirenena Tajik an'arivony diso fanantenana no mandao ny firenena izay miankina be indrindra amin'ny vola arotsak'izao tontolo izao mba hitady fiainana tsara kokoa, indrindra fa any Rosia. Amin'ny fomba henjana fanao amin'ny fifindramonina sy ny fanindrahindràna fitiavana tanindrazana izay tsy mitsaha-mitombo miandry azy ireo amin'ny toerana kendreny hitodiana, ny fanilikilihana mahazatra no sanda aloan'izy ireo hanànana fahafahana ara-toekarena tsara kokoa.
Mehriniso Nazarova — ny reniben'i Umarali — nilaza fa niezaka ny haka ilay zaza tany amin'ny polisy izy, indrindra mba hamàhana azy amin'ny ronono mitovy amin'ny an'ny reny. Tsy nahomby ny fikasàny, nilaza tamin'ny media Rosiana Dozhd i Nazarova fa naneso ny lantom-peony ny polisy.
Nampahafantarina ny ray aman-drenin'i Umarali ny nahafatesany, nanolo-kevitra ny polisy fa vokatry ny aretin'ny taovam-pisefoana izany, ny ampitso maraina.
Fisaonana faharoa ho an'ny fianakaviana Nazarov izao tany Saint Petersburg. Folo taona lasa izay, novonoina ny zanak'i Mehriniso ary dadatoan'i Umarali. Tsy hita mihitsy ilay mpamono.

Zazakely Umar. Nifampizaràna betsaka.
Tety anaty aterineto, nanao fampitahàna tamin'ny fahafatesan'ilay zazalahy Syriana telo taona Aylan, maty an-drano raha niezaka ho any Gresy ireo Tajik mpampiasa aterineto. Nongotana tamin'ny tanindrazany ny fianakavian'i Aylan noho ny ady mamohehatra, ny an'i Umarali noho ny tsy fisian'ny asa tsy azo ivalozana ao anaty toekarena mahakivy indrindra any Azia Afovoany.
Tao amin'ny bilaogy ny 27 Oktobra, nomarihan'i Tanya Lokshina, Talen'ny Fandinihana ny Zon'olombelona (HRW) any Rosia, ny antony nahatonga ny raharaha ho nisarika ny sain'ny maro :
Na dia mivoaka aza ny antsipiriany tsirairay… ny voasokitra mandrakizay ao an-tsain'ny vahoaka dia ny manampahefana Rosiana no nanasaraka tsy nisy antony ny zaza tamin'ny reniny, ka tsy nanome vaovao ho azy mihitsy nandritra ny efa ho andro iray manontolo, ary avy eo nilaza tamin'ny fianakaviany haka ny razana.
Any Tajikistan, niteraka fanafintohinana goavana teo amin'ny vahoaka ny tantara mampahonena nanjo an'i Umarali. Nisy tononkalo noforonina ho fahatsiarovana ilay zaza, nanokana ho azy ny pejiny voalohany ny gazety amin'ny fiteny Tajik ary nanova ny sary mombamomba azy ny Tajik mpampiasa Facebook ho firaisankina.
Nosoniavin'ny olona an-jatony maro ny fitakiana an-tserasera natao ho an'ny filoha Rosiana Vladimir Putin. Nanomana fitokonana teo akaikin'ny masoivoho Rosiana ny vondrom-piarahamonina Tajik any New York, mitaky fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha.
#WeAreUmar All we want is justice for a 5 months old kid who's name is Umar who was killed in Russia!!! pic.twitter.com/YzWNNEFXcd
— Komron Solikhov (@KSolikhov) October 28, 2015
Ny tadiavinay dia tsy misy afa-tsy ny rariny ho an'ilay zaza dimy volana manana anarana hoe Umar izay novonoina tany Rosia!!!
Ny mpamaky ny tranonkalam-baovao ao an-toerana, mandritra izany fotoana izany, dia nampitaha ny politikan'ny governemanta Rosiana manoloana ny Tajik mpifindra monina amin'ny “fasisma”.
Nampiaka-peo i Amin raha nanoratra tao amin'ny Asia-Plus ka nanao hoe:
Россия это страна фашизма 21 века. Жаль, что история свела нас таджиков с этим народом. Урок в том, что нужно строить свою сильную страну гда нам всем захочется жить и не зависеть от фашиствуюцших народов…
I Rosia no firenen'ny fasisma amin'ny taonjato faha-21. Mampalahelo fa mampiray ny Tajiks amin'io firenena io ny tantara. Ny lesona azo tsoahana dia ny hoe ilaintsika ny hanorina firenena matanjaka izay toerana iriantsika rehetra hainana sy ho afaka amin'ireo firenena fasista …
Mety mijaly kokoa ny fianakavian'i Umarali eo am-piandrasana azy ireo.
Nolazain'ny Minisiteran'ny Atitany fa tsy nanao na inona na inona mihitsy mety ho nahatonga ny fahafatesan'ilay zaza ny polisy.
Ankoatr'izany, araka ny voalazan'i Boris Vishnevsky, mpikambana ao amin'ny filankevitry ny faritra ao St Petersburg, nieritreritra tsara ny manampahefana raha hanameloka ny fianakaviana amin'ny heloka bevava “fanabeazana ratsy ho an'ny zaza tsy ampy taona.”
Nametraka voninkazo teo amin'ny masoivoho Tajik i Vishnevsky, avy ao amin'ny Yabloko, antoko mpanohitra liberaly tony fihetsika, ary nangataka ny Rosiana mba handinika ny fanehoankevitra raha nisy zazakely Rosiana maty tamin'ny fomba toy izany tany Tajikistan:
…формально можно говорить, что дело не в его национальности. Но я абсолютно уверен, что вряд ли бы в такой ситуации так бы обращались с другим ребенком, если бы это не были мигранты, которые, к сожалению, у нас в городе полицией и другими органами власти часто считаются людьми, не имеющими никаких прав, по сути дела, людьми второго сорта, с которыми можно делать все, за которых никто не заступится, которые не посмеют защитить себя и возмущаться. Я думаю, что эти факторы, без сомнения, здесь сыграли свою, к сожалению, ужасающую роль.
Amin'ny fomba ofisialy, afaka milaza isika fa tsy noho ny zom-pirenena izany. Na izany aza, matoky tanteraka aho fa tsy hanao fomba toy izany amin'ny zaza iray hafa ry zareo, raha toa ka tsy mpifindra monina izy ireo, indrisy, matetika heverinn'ny polisin'ny tanàna sy ny manampahefana hafa toy ny olona tsy manana ny zo rehetra izy ireo, olona sokajy faharoa izay azonareo atao amin'izay itiavanareo azy, tsy misy olona mitsangana ho azy, tsy sahy hiaro azy sy ho tafintohina amin'izany. Mino aho fa ireo lafin-javatra rehetra ireo dia tsy azo lavina fa miditra eto — indrisy — andraikitra mahatsiravina.
Araka ny Sampan-draharaha Federaly Rosiana misahana ny Fifindra-monina, 984.323 ireo mpifindra monina avy any Tajikistan no voarakitra an-tsoratra tamin'ny 2015 ho miasa ao amin'ny firenena, ary misy isa fanampiny tsy fantatra izay miasa tsy ara-dalàna. Tamin'ny 20 Oktobra, olom-pirenena Tajik 1.500 mahery no voalaza fa voaroaka avy any Maosko sy ny faritra manodidina azy.
Raha naneho hevitra ny tomponandraikitry ny seraseran'i Putin tamin'ny 28 Oktobra ka nilaza fa “nahatsapa” raha tsy efa “mitantana” ny fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i Umarali ny filoha Rosiana, ny Filohan'ny Tajikistan Emomali Rakhmon kosa etsy andaniny tsy niteny mihitsy mikasika ilay olana, angamba ahiany ny hahatezitra an'i Rosia lehibeny na hampirehitra ny fankahalàna ny Rosiana vitsy an'isa ao amin'ny firenena.
Amin'ny tsy fisian'ny fanehoan-kevitra ofisialy matanjaka, nanokana ireto andalan-tsoratra ireto ho an'i Umarali i Zafari Sufi, ny poeta Tajik iray:
Маро бахшо, Умар, ки дасткутоҳам дар ин ғурбат
Наметонам кунам коре барои ту, барои худ…
Умар! Марги ту рамзи нотавониҳову бенангист,
Бишав қосиди поки қавми ман назди Худои худ.Бирав аз ман ва аз мо бар Худои худ шикоят кун,
Ва аз беғайративу аҷзи қавми мо ҳикоят кун,
Умар, эй ту фаришта, эй ту мазлум, эй шаҳиди пок,
Зи бедоди, зи ғурбат, аз ситамгорон ривоят кун.
..Mamelà ahy, ry Omar, tsy afa-manoatra aho manoloana ny fahoriana,
Tsy afaka manao na inona na inona ho anao aho, raha ny tenako …
Umar! Ny fahafatesanao dia mari-pamantarana ny fahalemena sy ny tsy fahamarinan-toetra,
Meteza ho mpitondra hafatra madion'ny fireneko eo anatrehan'Andriamanitra.Mamelà ahy ianao, ary itaraino any amin'ny Andriamanitrao izahay,
Ka lazao ny hakanosàna sy ny fahalemen'ny olontsika,
Umar, anjely ianao, nampahorina, shahid madio [Silamo izay maty tanora ao anatin'ity raharaha ity],
Resaho ny momba ny tsy rariny sy ny mpanao tsindry hazo lena…
Nanome tatitra ho an'ity tantara ity ihany koa i Mufiza Kenjaeva.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...