Tokony ho voafetra ny fidiran'ny mpiserasera Rosiana amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram, araka ny filazan'ny mpanao lalàna Rosiana Aleksandr Ageyev, izay niantso ny Sampam-piarovam-panjakana Rosiana (FSB) handinika ny fahafahana manakatona ny fampiharana. Tamin'ny antsony dia nanamarika i Ageyev fa “ampiasain'ny mpampihorohoro avy amin'ny Fanjakana Islamika (IS) am-pivitrihana ny Telegram mba hizarana votoaty extremista,” ary mety ampiasainy ihany koa ho sehatra “handraisana olom-pirenena Rosiana hiditra ao amin'ny IS.” Manamarika i Ageyev fa tsy toy ireo tambajotra sosialy hafa, toy ny VKontakte, Twitter, na Facebook, izay miady fatratra amin'ny votoaty mahery fihetsika ny Telegram fa “tsy miraharaha ny fitarainan'ny mpiserasera amin'ny votoaty tahaka izany” ny fanohanana ara-teknikany.
Araka ny antsony ho an'ny FSB, dia mifototra amin'ny isan'ireo tatitra ao amin'ny media Rosiana sy vahiny mikasika ireo mpikambana ao amin'ny ISIS misafidy hampiasa ny Telegram mba handrindrana ny hetsik'izy ireo tamin'ny fanafihana tao Parisy tamin'ny 13 Novambra ny anton'ny fanapahan-kevitr'i Ageyev amin'ny Telegram, voalaza fa arovan'ireo singa marobe fanafenan-tsoratra ny vaovao alefa tamin'ity fandefasan-kafatra Telegram ity.
Namaly avy hatrany ny soso-kevitr'i Ageyev tao amin'ny VKontakte i Pavel Durov, mpamorona ny fampiharana Telegram sy mpanorina sady tompon'ny VKontakte taloha, ary somary maneso tamin'ny fanamarihana nataony.
Предлагаю запретить слова. Есть информация, что с помощью них общаются террористы.
Manolo-kevitra aho mba handràra ny teny isika. Misy ny vaovao izay ampiasain'ny mpampihorohoro mba hifandraisana.
Niaka-peo niaro ny Telegram ny Minisitry ny Fifandraisana Rosiana Nikolai Nikiforov ary nilaza fa tsy tokony hanakana fampiharana ny manampahefana, fa tokony “hamantatra sy hanenjika ireo izay manao hetsika tsy ara-dalàna.” Ny fanakanana ny Telegram, hoy i Nikiforov, dia mitarika fotsiny ireo mampiasa azy amin'ny tanjona tsy ara-dalàna mba hampiasa sehatra hafa indray, ary ny fanakanana ny fampiharana fandefasan-kafatra rehetra sy ny tambajotra sosialy dia midika fanakanana ny aterineto manontolo ao Rosia, izay nolazain'i Nikiforov fa manohitra ny tetikady fampandrosoana ny fifandraisana ao Rosia.
Блокировать в России Telegram или другой мессенджер за то, что им пользуются террористы из ИГИЛ — это было бы так же разумно, как, например, запретить в России эксплуатацию автомобилей Toyota, так как они тоже оказались популярными у ИГИЛовцев.
Ny fanakatonana ny Telegram na fandefasan-kafatra hafa ao Rosia noho ny mpampihorohoro ISIS dia mitovy fiheverana amin'ny fandrarana ny fiara Toyota ao Rosia satria nalaza teo amin'ireo mpampihorohoro ISIS izany.
Nitsikera ny tolo-kevitr'i Ageyev hametra ny fidirana amin'ny Telegram ao Rosia ihany koa i Dmitry Marinichev, mpanelanelana amin'ny resaka aterineto ao Kremlin. Tamin'ny antsafa tamin'ny radio tamin'ny 16 Novambra, naneso ny fanapahan-kevitra i Marinichev ary nilaza fa “mahomby tahaka ny famantarana ny karazam-pinday ampiasain'ny mpampihorohoro sy mandràra izany modely finday manokana izany ao anatin'ny toerana iray voafaritra” izany.
Tamin'ny volana May 2015, nilaza tamin'ny TechCrunch tamin'ny antsafa i Pavel Durovao fa 62 tapitrisa no isan'ireo mpiserasera mavitrika isam-bolana ao amin'ny Telegram, ary tamin'ny Septambra, nanambara izy fa mandefa hafatra 12 miliara amin'ny alalan'ny fampiharana isan'andro ny mpiserasera.