Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

19 Novambra 2015

Tantara tamin'ny 19 Novambra 2015

Kisendrasendra Ve No Namoahan'ny Mpanao Gazety Rosiana Iray Ny Tsiambaratelon'i Vladimir Putin?

Akon'ny RuNet

Amin'izao fotoana izao, taorian'ny resadresaka nifanaovan'ny interfax tamin'i Tikhonva, dia toa miha-marina hatrany fa zanaky ny Filoha izy, rehefa nolazain'i Yuri Pogorely, talen'ny tetikasa interfax amin'ny aterineto, ny fifamatorany amin'i Poutine.

Manolo-kevitra Handràra ny Fandefasan-kafatra Antsoina hoe Telegram Ny Mpanao Lalàna Rosiana Satria Ampiasain'ny ISIS Izany

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Tokony horaràna ve ny Telegrama satria ampiasain'ny fikambanana extremista tahaka ny ISIS izany? Mihevitra ny mpanao lalàna Rosiana iray fa tokony horaràna, saingy tsy miombo-kevitra kosa ny hafa ao Rosia.

Tsy tian'ny mpitondra fahefana ity fanazavana an-tsary mampiseho ny tokony hanitsiana ny lalàna fanimbazimbana ny mpanjaka ao Thailandy ity

Nampanantsoin'ny manampahefnaa miaramila ny toniam-baovao antseraseran'ny Prachatai ity noho ilay fanazavana an-tsary, izay heverin-dry zareo ho "manjavozavo ka mety hiteraka tsy fifankahazon-kevitra" ao Thailandy.

Fantaro Ireo Mpikatroka Telo Avy Ao Afrika Avaratra Miady Amin'ny Fikorontanan'ny Toetr'andro

Eo anelanelan'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny haintany miha mahazo laka, ao anaty toe-javatra atahorana i Afrika Avaratra. Tahaka izao no fanoheran'ireo mpikatroka telo ny fikorontanan'ny toetrandro.

Miara-mijoro amin'ny Mpiaro ny fahalalaham-pitenenana Maraokana ny fikambanana Global Voices

GV Mpisolovava

Mitaky ny rariny ho an'ireo fito mpiaro ny fahalalaham-pitenenana miatrika fitsarana ao Maraoka ampangaina ho "mandrahona ny filaminana anatin'ny fanjakana" ny fikambanan'ny Global Voices.

Ny Fiainana Feno Herisetra Sy Ny Aorian'ny Fiainana Eny an-Tanàna Ambany Ao Venezoelana

Feno tifitifitra, zava-pisotro mahamamo, ary herisetra ireo fandevenana ataon'ireo olona natao ankilabao sy mpanao heloka bevava any Venezoela. Inona io fombafomba fanaovam-beloma io, ary inona no dikan'io ho an'ny fiarahamonina?