Ity lahatsoratra ity, nosoratan'i Clarisse Sih sy Bibbi Abruzzini, dia ampahany amin'ny fanentanana #MarchWithUs (NdaoMbaHiarakaAminay) — iray volana feno ho an'ny tantaran'ireo mpikatroka erantany ho an'ny rariny ho an'ny miralenta.
Toedraharaha iray tsy tian'ny olona hisy azy velively ny hifoha miaraka amin'ny tahotra mandra-pahafaty noho ny olana “neurologique’ iray. Azo heverina fa tsy nisaina velively ny ho voan'ny fahatapahan'ny lalàndrà i Marijeta Mojasevic, ary na ho toy izany aza, tsy ho amin'ny faha-17 taonany mihitsy.
Teraka tao Berane, Montenegro, tamin'ny 1988 i Mojasevic. Mpianatra teny amin'ny lisea izy fony izy tratr'ilay fahatapahana lalàndrà voalohany.
“Mandeha mitsangantsangana ianao, dia mifoha any anaty efitrano famohazana olona trà-dona. Tamin'izany fotoana izany, niteny irery aho hoe tsy naniry ny ho any. Tsaroako ny tovolahy iray tao amin'izay efitrano izay. Samy nisavoritaka izahay. Taoriana kely, indrisy, nodimandry izy” hoy ny tsiaron'i Marijeta.
‘Samihafa ny zavatra rehetra; hafa aho’
Tapa-taona taorian'izay, tapaka lalàndrà indray izy. Taorian'ilay voalohany, izay niainany tamin'ny faha-15 taonany, lalandrà tao amin'ny atidoha no simba ary tsy afaka intsony nitondra oksizena nandritra io dona manaraka io.
Tsy maintsy nandao ny sekoly nandritra ny taona iray sy tapany izy, nanohy ny fianarany nianga avy tamina teboka fanombohana hafa indray; nandroroa ny fijery, nandray fanafody mahery vaika ary tratry ny hemiparesis, faharefoan'ny ilany manontolo amin'ny vatana. Saingy mbola ampahany monja amin'ny olany ireny.
“Simba ny rafitra neurologique-ko, ary tsy ho voatsabo intsony mihitsy. Lasa namako isanandro ny fanaintainana tsy tapaka, devoly tsy azoko ihodivirana. Tsy maintsy nekeko ny zavamisy hoe tsy hamindra tsara toy ny taloha intsony, tsy hampiasa ny tànako havanana tahàka ny nahazatra na hahita ara-dalàna intsony.”
Tsy ela akory izay i Mojasevic no namoaka sombiny avy amin'ny diariny manokana taloha sy taorian'ilay fahatapahan'ny lalàndrà.
Alatsinainy 2 Septambra 2002
Diary Malala,
Androany no manomboka ny taompianarana ary lasa zavatra tsy misy dikany intsony ny rehetra manomboka anio. Ny sekoly ihany no zava-dehibe. Somary nisalasala kely aho ny hanoratra ho anao, satria fantatro hoe hatraiza no naha-be konetaka ny rahalahiko. Tamin'ny voalohany indrindra, naharovitra pejy aho, noho ny tahotra, fa tsy hanao izany intsony izao. Babom-pitiavana an'i Aleksander i Diana, ary araka ny fitantarany, dia i Mia koa. Ary somary manja ihany lery. Tsy maintsy lazaiko anao, tsara fanahy amiko i Martin. Mila fantatro raha mbola tia ahy izy. Mahatsiravina be ny hety volon'i Angel, ary misy feo mandeha fa hoe lasa nanao miaramila ilay mpanoro hevitra ahy. Inona no ataoko tsy misy azy!!!
Tiako ianao! Ilay Maki-nao
Zoma, 11 Aprily 2003
Diary Malala,
Voalohany indrindra, miala tsiny aho raha tsy namaly. Faharoa, tena valaka tanteraka aho. Rahampitso ny fanadinana fizika, ary tena miasa saina be aho. Be ny asa nataoko, ary toy ny tsapako fa fantatro (hoe zavatra kely ity), nefa ity tahotra ity no hanototra ahy. Tsy heveriko ny hahita tory anio alina!
Ilay fizisiàna-nao
Alatsinainy 28 Jolay 2003
Diary Malala,
Nitomany nidradradradra aho halina. Misy zavatra potika ao anatiko ao, ary tsy fantatro, tena narary aho. Tena… tena rera-tsaina tokoa. Samihafa ny zavatra rehetra, hafa aho … sy ny olona rehetra manodidina ahy. Ary manelingelina be ahy izany rehetra izany. Ny fifandraisan-dry zareo. Ary ny sekoly, tena matahotra mafy aho, saingy manantena fa handeha tsara ny zavatra rehetra. Eny e, ambarako anao, na ahoana na ahoana… samihafa ny zavatra rehetra.
i M-nao
Alakamisy 8 Septambra 2003
Diary Malala,
Mitsingerina androany ny andro nahaterahako. Tsy mankalaza [izany] aho, satria tsy fotoana ho an'izany izao. Tsy fotoana ho an'inon'inona. Mety izany ho anao. Tena ratsy aho. Miezaka ny hitovy amin'ny taloha aho, saingy tsy mety. Raharaha be ny sekoly. Samihafa sy kidaladala ny zavatra rehetra. Ny fiarahamonina, ny mpampianatra, na inona na inona. Mahatsiaro ho adaladala sy manirery aho. Saingy efa fotoana elabe tany aloha tany izany. Tsy haiko faritana aminao izay mahasorena ahy, fa lava ny lisitra. Tsy izaho intsony ity. Olona hafa io. Ary malahelo ilay izaho taloha iny aho! Eto, mitomany aho. Mampalahelo sy mampihomehy, sa tsy izany? Izaho mihevitra hoe tokoky nalain'Andriamanitra aho. Tsy natao ho an'izao aho. Tsy natao.
Ny fampidirana farany tao anatin'ny diariny dia asiany sonia hoe TSY MISY OLONA. Haingana be sy tsy azony nihodivirana ny fiovàny. Na izany aza, azo lazaina ho tsy hita maso.
“Nafoiko ny ankamaroan'ireo namako noho ny hevi-draikitra sy ny fitsaratsaram-poana manodidina ny fahasembanana. Nahazo vaovao aho, dia ny harenan'ny fiainako. Amin'ny maha-mpanolotsaina ny tanora ahy, ezahako ny manazava amin'ireo tanora ny antony tsy tokony hatahoran-dry zareo ny fahasamihafàna, ary iray amin'ireny ny fahasembanana,” hoy i Marijeta.
Miaina miaraka amina fahasembanana
Tao Montenegro, izay, tahàka ireo firenena marobe ao Balkàna sy any lavitra any, izay vao tato anatin'ny taona vitsy monja no nametraka rafitra ho fanohanana ireo olona manana fahasembanana, efa renim-pianakaviana izao i Mojasevic, mpiasa sôsialy, mpanolotsaina ho an'ny tanora, ary mpikatroka ho an'ny zon'ny manana fahasembanana. Voatendry izy tao amin'ny lisitry ny BBC ahitàna ireo olona 100 nanana fitaomana nahery indrindra — tanatin'ireo vitsivitsy monja avy any Balkana tamin'ity taona ity. Ireo tanora no tena ifantohany be, izay amin'ny ankapobeny dia tena liana amin'ireo atrikasany “Miaina miaraka amin'ny fahasembanana”:
“Tamin'ny taona lasa, niaraka niasa tamina andian-tanora iray avy amin'ny taona fahasivy aho. Tsaroako izay andro izay, satria niriany aho mba hijanona maharitra sy hahazo fahalalàna misimisy kokoa. Tena natanjaka be. Tiako hiova fomba fijery [ireo tanora] ary hanaiky ireo olona manana fahasembanana ho olon'ny fiarahamonina misy azy ihany, ho toy ny namana, ho toy ny mpiaramiasa.”
Mojasevic koa dia masoivohon'ny OneNeurology, hetsika iray mikatsaka ny hanaovana ireo fikorontanana neurologique ho laharam-pahamehan'ny fahasalamam-bahoaka. Misy 400 mahery ny fikorontanana neurologique. 92% amin'ireo tatitra momba ny olona miaina miaraka amin'ny fikorontanana neurologique no milaza mahatsapa ho tsaratsaraim-poana noho ny fikorontanana ananan-dry zareo.
Ny fidadasiky ny miralenta amin'ny fahasalamana
Fa manana singa iray ao amin'ny maha-lahy na maha-vavy ihany koa io fitsaratsaram-poana io. Raha toa mahavonjy aina ny miralenta, dia marina ihany koa ny mifanohitra amin'izay: amoizana aina ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy. Tena marina io, indrindra fa ao anatin'ny tontolon'ny fahasalamana, izay sady raiki-tampisaka no tena mahafaty ny fitanilàna noho ny maha-lahy na maha-vavy.
“Lasa olana fototry ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny fifandraisan'ny fahefana eo amin'ny maha-lahy sy maha-vavy, ary tafiditra anatin'ireo tena mpamaritra ara-tsôsialy manana dindo be indrindra amin'ny fahasalamana. Izy ireny no mamaritra raha tena ekena tokoa ny filàn'ny olona amin'ny resaka fahasalamàna, raha toa izy ireny manana [ny feony] na izay kely indrindra amin'ny fifehezana ny fiainany sy ny fahasalaman-dry zareo, raha toa izy ireo afaka misitraka ny zony,” araka ilay tatitra “Mitanila, Tsy ara-drariny, Tsy mahomby sy tsy mamokatra — Ny tsy fitoviana amin'ny sehatry ny fahasalamana: Nahoana no misy izany ary ahoana no hataontsika hanovàna izany [angl.]“ avy amin'ny Women and Gender Equity Knowledge Network ao amin'ny vaomieran'ny OMS misahana ireo Mpamaritra ara-tSôsialy ny Fahasalamàna.
Asongadin'ilay tatitra ny fiantraika manimba ateraky ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy amin'ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsain'ireo olona an-tapitrisany erantany, izay mamely na zazavavy na ramatoa, hatramin'ireo tovolahy sy ny efa rangahy. Fomba fiasa marobe no naroson'ireo mpikaroka mba hisian'ny fiovàna, isan'izany ny fanavaozana lalàna sy pôlitika ho fampanajàna ny zon'ny vehivavy, hanoherana ireo fitsaratsaram-poana sy fenitra manafintohina ary hiatrehana ireo ambana sy faharefoana ara-pahasalamana mifandraika manokana amin'ny maha-lahy na maha-vavy.
Fa tsy izay ihany, mila hatsaraina ny fanentanana sy ny fahafahana mahazo fikarakaràna ho an'ireo vehivavy, ahitsy ireo tsy fitoviana any anatin'ny fikarohana ho an'ny fahasalamàna ary ampiroboroboina ny miralenta any anatin'ireo fikambanana, no sady tohanana ireo vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy.