Dakar, Renivohitra Afrikana Ho An'ny Havitrihana an-Tranonkala , Ny 26 Hatramin'ny 28 Novambra 2015

Poster du lancement officiel de la Ligue des Cyber- Activistes africains pour la Démocratie

Sariben'ny fanombohana ofisialy ny Fikambanan'ireo afrikana mpikatroka mafàna fo an-tranonkala ho an'ny Demokrasia

Mba ho fandraisana anjara mavitrika ny alina mialoha ny fifidianana sy mandritra ny fanaparitahana ireo vaovao mikasika ny fifidianana filoham-panjakana ny 11 oktobra 2015, nandefa lahatsoratra iray ny ABLOGUI, fikambanan'ireo mpanoratra bilaogy ao Ginea, tao amin'ny kaonty guinevole.com, izay nataony mba hanambaràna ny fihaonambe mikasika ny fanombohan'ny Africtivistes (Afrikana mavitrika). Noforonina ity tsilalaonteny ity mba hanondroana ny fikambanana vao terak'ireo mpanao bilaogy sy mpanao aterineto-mavitrika afrikana. Hatao ao Dakar renivohitr'i Senegal izy io.

Telo andro maninjitra – ny 26 hatramin'ny 28 novambra 2015hihaona ao Dakar ao Senegal ireo afrikàna mpikatroka mavitrika amin'ny aterineto ho fanombohana ofisialy ny Africtivistes – ny Fikambanan'ireo afrikana mpikatroka mafàna fo an-tranonkala ho an'ny Demokrasia – manodidina ny lohahevitra “Afrika mandray andraikitra & vonona hiantoka & hanorina ny demokrasia.”Afaka hihaona amin'izay ireo mpandray anjara rehefa avy nifanerasera mandritra ny taona maro tao amin'ny tambajotra sosialy.

Nisy, vokatry ny tambajotra sosialy, io fampihaonana ny mpanao bilaogy sy mpanao aterineto mavitrika io – izay nanaovana fanentanana isan-karazany ; indrindra ny #CIV2010 tao Côte d'Ivoire nandritra ireo fifidianana tamin'ny taona 2010 sy ny Sunu2012 tao Sénégal mikasika ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2012. Afaka nanaraka ny fizotry ny fifidianana tao Ginea nandritra ireo fifidianana farany tamin'ny fanofànana e-observateurs (mpanaramaso amin'ny tambajotra) maherin'ny 400 ihany koa, ireo Africtivistes.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.