Nibahan-toerana tamin'ireo lohateny vaventy i Twitter noho ireo fiovàna tao aminy teo ambanin'ny fitarihana vaovao nataon'ilay mpanorina azy, Jack Dorsey. Anatin'ireny fanovàna ireny ny fanambaràna tamin'ny 14 Oktobra ny fanendrena ilay Iraniana-Amerikana, Omid Kordestani, ho Tale Mpanatanteraka ao amin'ny orinasa.
Tale mpanatanteraka tao amin'ny Google i Kordestani talohan'izao, nantsoina matetika hoe ny mpiasa faha-11 ao amin'ny orinasa. Talohan'ny nifindràny ho any California, teraka sy nitombo tany Iràna i Kordestani hatramin'ny faha-14 taonany.
Loharanom-baovao maro tony fihetsika sy mpankasitraka fiovàna no nandrakotra ilay vaovao, toy ny Shargh, niresaka ny zavatra efa vitan'i Kordestani fahiny, sy ny ISNA izay niresaka ny karamany tsy nampoizina ho ambanin'ny karama voafetra ho anà Tale: 50.000 dolara amerikana.
Kanefa, naka endrika mahaliana kokoa tao amin'ny Twitter ny fifanakalozana hevitra teo amin-dry zareo Iraniana, nijereny tamin'ny antsipirihany amin'ny fomba fijery Iraniana.
Tranonkala iray malaza momba ny Teknolojian'ny Fampitambaovao ny IT Iran, mitovitovy amin'ny American Tech Crunch, no nalaky tamin'ny fanambaràna io vaovao io ho an'ireo Iraniana mpanjohy azy.
جک دورسی میگوید که امروز امید کردستانی به عنوان عضو هیات مدیره و مدیر اجرایی توییتر منصوب شده https://t.co/KdvrIsr6lz
— ITIRAN | آی تی ایران (@itiransite) October 14, 2015
Androany no ambaran'i Jack Dorsey fa Omid Kordestani no hotendrena ho ao amin'ny fitantanana ny Twitter, ho Tale Mpanatanteraka.
Nibitsika i Sahand, mponina ao Shiraz, ary mpanentana fandaharana iray momba ny teknolojia ao an-toerana, hoe efa tsinjony nialoha ny fanambaràna tahaka io.
گفته بودم امید کردستانی یکی از بهترین گزینههاست برای توییتر @omidkordestani https://t.co/otKZCdNod3
— Sahandram (@Sahandram) October 14, 2015
Efa nolazaiko fa i Omid Kordestani no safidy tsara ho an'ny Twitter
Iraniana iray hafa fantatra amin'ny anarana hoe Nahal, miaina aminà toerana iray tsy nolazaina, no nanipika hoe zavatra tokony hampirehareha ny Iraniana ilay fanendrena.
حالام بازم باعث افتخاره که یه ایرانی (امید کردستانی) رئیس هیئت اجرایی توییتر شده. — nahal| pet pet| (@NPeykartarash) October 14, 2015
Fotoana indray hireharehana izao fa misy Iraniana iray (Omid Kordestani) lasa Talen'ny Twitter.
Haingana tamin'ny fanakianana ny fientanentanan'ireo media sosialy miteny Persiana momba ilay vaovao ilay Iraniana iray mpampiasa Twitter, antsoina hoe “Qajar Girl”, tamin'ny fanindriana ny fifamatorana zara raha misy amin'i Kordestani sy ny Iraniana.
دست از سر امید کردستانی بردارین بابا. یهدونه فالوئر ایرانیام نداره طرف. خون آریاییتون قل قل نکنه لطفا. مرسی. اه — دختر قجری (@nzii_) October 15, 2015
Tokony havelanareo any i Omid Kordestani. Na Iraniana iray aza tsy arahany. Azafady, aza dia mitabataba tahaka izao satria fotsiny hoe Iraniana izy. Misaotra.
Iraniana iray hafa mampiasa ny solonanarana Dash Meiti – kialalaonteny avy amin'ny “dash mashti,” anarana iray omena an'ilay jiolahy any atsimon'i Tehran ao anatin'ny sehatry ny tantara tsangana sy sarimihetsika Iraniana – nivazivazy sy nankalaza ny hoe mety hitondra ho any amin'ny fampiatoana ny Twitter i Kordestani.
از امید کردستانی تعریف نکنیم ساسپندمون میکنه؟ — داش میتی (@DashMeiti) October 14, 2015
Araka izany tsy tokony hidera an'i Omid Kordestani satria mety ho afaka hampiato ny kaonty Twitter-ntsika izy!
Ao anaty fanamarihana iray tena mahalaza ny Twitter ao Iràna, Sadjad Jahangard, Iraniana iray monina any Malezia no nanazava hoe mety hidika fanalàna ny sivana ho an'ilay sehatra izay efa fantatra mazava tsara ao Iràna io, amin'ny alàlan'ny fifamatorana ara-poko eo amin'ny Aryans, ilay foko mazàna ampifandraisina amin'ireo Iraniana.
به نظرم دیگه وقتشه پاقدم انتصاب امید کردستانی به عنوان رئیس هیئت مدیره توییتر فیلتر توییتر رو ایران حذف کنه :)) آریایی با آریایی دوست شو :))
— Sadjad Jahangard (@Paknevis) October 14, 2015
Raha ny hevitro, miaraka amin'ity fanendrena an'i Omid Kordestani ho Talen'ny Twitter ity, midika fa fotoana ho an'i Iràna izao hanesorany ny fanivànana ny Twitter :)) Tsy maintsy minàmana amin'ny Aryan ny Aryan :))