Bahanan'ny PayPal Ireo Tolo-bola Ho Fanontàna Ny Tatitr'i Boris Nemtsov Momba Ny Ady Tao Okraina

Boris Nemtsov nisy namono tamin'ny Febroary 2015, talohan'ny namitàny ny tatitra nataony momba ny ady. Hita eto ny sariny nandritry ny famoriam-bahoaka ho fahatsiarovana azy tao St. Petersburg tamin'ny 1 Martsa 2015. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons.
Nobahanan'ny PayPal, tolotra amerikana fandoavana vola amin'ny elektronika, ny kaonty nosokafan'ireo Rosiana mpikatroka mafàna fo natao hanangonana vola hanontàna ny tatitra “Ady.Putin”. Nifototra tamin'ireo zavatra nangonin'i Boris Nemtsov, ilay politisiana mpanohitra nisy namono tao Maosko tamin'ny Febroary 2015, ilay tatitra mampiseho ny maha-voarohirohy an'i Rosia amin'ny fifandonana ao atsinanan'i Okraina, ary manamafy fa 220 raha kely indrindra ireo miaramila Rosiana no maty tamin'ny fifandonana tao Donbass.
Ilay famoahana vaovao tsy miankina mifantoka amin'i Rosia, Meduza, mitatitra fa nibitsika dikasary avy amin'ny hafatra nalefan'ny avy ao amin'ny Paypal i Vsevolod Chagaev, iray tamin'ireo mpikatroka mafàna fo manohana an'ilay tatitra, izay milaza fa tsy avelan'ny Palypal hampiasaina ilay tolotra mba ‘hanangonana vola hamatsiana hetsiky ny antoko politika na tanjona politika any Rosia.” Taty aoriana i Chagaev nilaza tamin'ny RFE/RL fa nohamafisin'ireo mpiasan'ny Paypal ao Rosia hoe “io no fanapahankevitra ofisialin'ny orinasa.”
Нау итс офишиал: PayPal заблокировал счет сбора денег на печать доклада Путин.Итоги по политическим мотивам pic.twitter.com/JrvA59k2iJ
— Vsevolod Chagaev (@SevaChagaev) May 14, 2015
Ofisialy ity izao: noho ny antony ara-politika dia nobahanan'ny PayPal ny kaonty natao hanangonana vola hanontàna ny tatitra Ady.Putin. [Tsonga avy amin'ny mailaka nalefan'ny Paypal: “Nohadihadianay ny mombamomba rehetra mifandray amin'ilay kaonty ary dia ialànay tsiny fa mampahafantatra anareo izahay hoe tsy azo esorina aloha hatreto ny fameperana natao an'ilay kaonty. Izany dia mifandray amin'ny politikan'ny Paypal amin'ny tsy fahafahana mampiasa ny tolotra mba hanangonana vola hamatsiana hetsiky ny antoko politika na tanjona politika ao Rosia.”].
Ao anaty fanehoankevitra iray ho an'ny tranonkalam-baovao Rosiana RBC, nisy mpitondratenin'ny PayPal nilaza fa tsy azon'ireo Rosiana mpampiasa azy atao ny manangona vola ho anà antoko na tetikasa politika ao Rosia noho ireo “fahasarotana amin'ny fametrahana dingana fanarahamaso azo ampiharina.” Tsy nofaritan'ilay mpitondrateny ny fomba namaritan'ny Paypal hoe ny vola azo avy amin'io kaonty manokana io dia ho entina hamatsiana “tetikasa politika”. Nilaza tamin'ny RBC ny Yandex.Money, ilay tolotra Rosiana fandoavana vola elektronika izay nampiasain'ireo mpikatroka mafàna fo ihany koa mba hanangonana vola, fa tsy manana olana amin'ilay tetikasa ry zareo, satria avelan'ny lalàna Rosiana ny olom-pirenena hanangona vola mba hanontàna boky.
Fanavaozana: Mpitondrateny avy ao amin'ny PayPal no nanome ity fanambaràna ity ho an'ny Global Voices mba hanazavàna ny toerana noraisin'ny orinasa momba ilay raharaha: “Amin'izao fotoana izao ny PayPal ao Rosia dia tsy manome alàlana ireo antoko pôlitika, na hetsika pôlitika ao Rosia handray fanomezana, noho ny fahasarotan'ny fampanarahana izany amin'ny lalàna misy ao an-toerana izay mitaky fanamarinana ny mombamomba ny mpanome. Miala tsiny izahay noho ny fanelingelenana aterak'izany ho an'ireo mpanjifanay.”
Honohono eny amin'ireo mpampiasa aterineto ao Rosia ny hoe mety nilefitra fotsiny tamin'ny tsindry nataon'ny manampahefana Rosiana ny PayPal satria tsy te-ho very fihinanana ao amin'ito firenena io izy.
@SevaChagaev @maglov ну не хочет PP уходить из России
— Легкая Невыносимость (@PtichkaFo) May 14, 2015
Izay izany Tsy te-hiala ao Rosia fotsiny izao ny PP (PayPal) .
Tsy irery ny PayPal amin'izany. Talohan'ny fanapahankevitr'izy ireo, trano fanontàna boky niisa 14 no nandà tsy hanonta ilay tatitry ny Rosiana mpanohitra, tamin'ny fitanisana “ny toe-draharaha misy ao amin'ny firenena.” Trano printy iray no nanaiky hanonta azy fa fepetra ny tsy hanononana ny anarany.
Nobahanan'ny PayPal ireo kaonty izay mety namofona politika tao Rosia taloha: ny May 2014 ny kaontin'ny RosUznik, fikambanana iray mpiaro zon'olombelona nisolo vava ny zon'ireo gadra nanao hetsi-panoherana tao amin'ny kianja Bolotnaya, no nobahanan'ny PayPal sy ny Qiwi, tolotra iray hafa fandoavana vola elektronika. Tamin'izany fotoana, “antony ara-pandriampahalemana” no notanisain'ny PayPal ho fototry ny fibahanana ny kaonty.
Tamin'ny 2010, nalaza be ny PayPal hoe nangihy ny kaonty hanangonana fanomezana ho an'ilay tranonkala mpitoroka “WikiLeaks”, tamin'ny nilazàny fa WikiLeaks (angamba noho ny famoahana vaovao nolazaina fa saropady) dia nanitsakitsaka ny Politikan'ny Azo Leferina amin'ny fampiasàna ny tolotra, izay mandràra ny mpampiasa azy tsy “handrisika, hampiroborobo na hampianatra ny hafa hanao hetsika tsy ara-dalàna.”
Mandritra izany, ireo mpisintaka notohanan'i Rosia tao amin'ny faritra nanambara tena Ho Repoblikam-Bahoaka tao Donetsk sy Luhansk dia manohy mampiasa ireo fotodrafitrasa fandoavana vola eletronika mba hanagonana fanomezana ho entina mamatsy ny hetsik'izy ireo. Ny 12 May, ny Sampam-pitsikilovana an'ny fanjakàna ao Okraina dia nanambara fa vitan'izy ireo ny nanala sarona sy nanakana kaonty 17 nanana fifandraisana tamin'ny DPR/LNR, na dia tsy nomarihan-dry zareo aza ny anaran'ireo tolotra nisy ireny kaonty ireny, tamin'ny filazàna fotsiny hoe niara-niasa akaiky tamin'ireo “rafitra fandoavana vola elektronika iraisampirenena ry zareo” mba hahitàna sy hibahanana ireo kaonty. Na dia nolazaina ho fahombiazana aza io, ireo mpijirikatarihan'i Eugene Dokukin ao Okraina dia nitatitra fa vitan-dry zareo ny nibahana nandritry ny volana maro ny kaontin'ireo mpitaky fizakàn-tena tany amin'ireo fotodrafitrasa isan-karazany fanaovana fandoavam-bola elektronika, ary nilaza fa vitan-dry zareo koa ny nibahana kaonty efa ho 200 an'ireo “mpampihorohoro” nanomboka tamin'ny Jona 2014 tany amin'ireo rafitra fandoavana vola toy ny WebMoney, Yandex.Money, PayPal, sy ny hafa.
Ny hafatry ny PayPal ho an'ny mpitantana ny kaonty “Ady.Putin” dia milaza mazava fa tsy manome fanohanana ho famatsiana vola hetsika politika “ao Rosia” ry zareo. Noho izany, tsy mazava raha toa ka fepetra mitovy ihany no mihatra amin'ireo kaonty Paypal nosokafana tany amin'ny firenena hafa. Ny Politikan'ny Azo Leferina amin'ny fampiasàna ny tolotra PayPal (na izany ao Etazonia na manerana ny tany) dia tsy manipika akory ny fanangonana vola ho an'ny antoko politika na tanjona politika ao anatin'ireo hetsika misy fepetra na tsy azony ekena.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...