Tantara tamin'ny 20 Mey 2015
InfoAmazonia : Labôratoara Madinika Hanarahana Maso Ny Rano Ao Tapajos sy Amazônaa
Zava-dehibe iankinan'ny aina ny kalitaon'ny rano ho an'ireo mponina ao Santarém, Brezila, manamorona ny Amazôna. Misy fikambanana iray ao an-toerana nandray an-tànana ny 'fanaraha-mason'olon-tsotra' sy ny fanofanana ireo mponina amoron-drano.
Bilaogera Ethiopiana Atnaf Berahane: Tanora, Mahery Fo ary Migadra
Nahatonga azy hifonja ny fitiavan'ity blaogera ethiopiana 26 taona ity ny fitiavana fahalalaham-pitenenana.
Lavin'ny Google Ny Filazàn'ny Media Rosiana Momba Ny Hetsika Angon-drakitra Fijerena Toerana
Nolavin'ireo solontenan'ny Google ireo tatitra tany anaty media Rosiana nanamafy fa hoe noforitra ny Google teo anoloan'ireo fangatahan'i Rosia ary niroso tamin'ny fitahirizana ny angon-drakitra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina iray ao amin'ny firenena ary nolazainy fa "tsy mitombina" ireny
Bahanan'ny PayPal Ireo Tolo-bola Ho Fanontàna Ny Tatitr'i Boris Nemtsov Momba Ny Ady Tao Okraina
Nampahafantarin'ny PayPal ny ekipan'ny tatitra "Ady.Putin" fa tsy azo ampiasaina ny tolotra mba "hanangonana vola hamatsiana hetsiky ny antoko politika na tanjona politika ao Rosia.”
Nialàn'i Nepal ny #GoHomeIndianMedia, Fa Novàny Hoe #ComeBackIndianBarber
Nojerena ambony ambany hatrany (nohambaniana) ireo mpanety tao Kathmandu. Taorian'ny fifindràmoninafaobe sy ny fikororosin'ny toekarena naterak'ireo horohorontany anefa dia ry zareo ireo no lasa ho isan'ny matianina tena tadiavina indrindra any amin'ny faritra
Ny Media No Hafatra: E-Diplomacy Ao Ejipta
Taorian'ny taona efatra nisian'ny fiovàna fitondrana matetika, tsy maintsy manakatra ny fomba fifandraisana mahomby ireo Ejiptiana manampahefana amin'izao fotoana izao
Ny Tolo-Kevitry Ny Nosy Marshall Hampihena Ny Famoahana Etona Avy Amin'ny Fitaterana An-dranomasina
Firenena nosy izahay ary iray amin'ireo fiainanay ny fifamoivozana an-dranomasina. Ao anatin'izany, loza mitatao hoan'ny vahoakanay sy ny firenenay ny famoahana etona, anisan'izany ireo avy amin'ny fifamoivoizana an-dranomasina (sambo mpitondra entana).
Mpiangaly Rap Afgàna Nandositra Fampanambadiana Zatovo Tamin'ny Fihirana Momba Izany
Monina sy mianatra ao Etazonia ankehitriny i Sonita Alizadeh, mpiavy avy ao Afghanistan, ary mamoron-kira sy mihira ho amin'ny rariny ara-tsosialy ao Afghanistan.
Mandraisa Anjara Hihaona amin'ireo Mpikatroka Nomerikan'ny Teny Indizeny Ao Kolombia
Miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka ao an-toerana, faly ny Rising Voices manambara fa misokatra ny antso fandraisana anjara amin'ny Fihaonamben'ny Mpikatroka nomerikan'ny Teny Indizeny hotontosaina amin'ny 18-19 Jiona ho avy izao ao Bogota, Kolombia.