Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maherin'ny 120.000 Ny Nafindra Toerana Satria Tratry Ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Ampolo Taona i Malezia

A man sits on a float tires in a flood affected area in Temerloh, 150 km (93 miles) outside of Kuala Lumpur, December 27, 2014. Photo by SAMMY FOO. Copyright Demotix

Lehilahy iray mipetraka ambonin'ny kitapon-drivotra fanao amin'ny kodiarana tao amin'ny faritra Temerloh, 150 km (93 miles) ivelan'i Kuala Lumpur, 27 Desambra 2014. Sary nalain'i SAMMY FOO. Fizakamanana Demotix

Tratry ny tondradrano goavana ireo faritry ny saikinosy any avaratra atsinanan'i Malezia, nambaran'ireo mponina any ho ny ratsy indrindra hita tany amin'ny faritra tato anatin'ny roapolo taona mahery.

Olona 120.000 raha kely indrindra no nafindra toerana satria nihamafy ny tosiky ny rano tato anatin'ny andro roa farany. Ankoatry ny ranon'oram-batravatra, anisan'ny nampidirin'ireo mpahay siansa ho tomponantoka ihany koa ny herin'ny fisintonan'ny volana ka nahatonga ny fiakaran'ny ranomasina ary niteraka ireo tondradrano tany amin'ny faritra maro tany amorontsiraka.

Nakarina ho amin'ny haavo ambonimbony kokoa ny media sosialy mba handrindràna ny asa famonjena  sy fanavotana.  Ny tranonkala #mybanjir (sakafo Maleziana) dia noforonina mba hahafahan'ireo niharan'ny tondradrano mandray sy mandefa SMS mikasika azy ireo sy ny toerana misy azy. Ampiasain'ireo mpisera amin'ny Twitter ny tenifototra #mybanjir, #Banjir2014, #PrayForPantaiTimur, ary  #PrayForKelantan mba hanaraha-maso ny fandehan'ilay tondradrano.

Ireto ambany ireto ny sary izay maneho ny fiantraikan'ilay tondradrano nandravarava :

Ny tondradrano ratsy indrindra niainako. Kota Bharu, Kelantan. #PrayForPantaiTimur #PrayForKelantan

Sata farany avy amin'ny rahalahy tsy omby kibo amiko. #PrayForKelantan #PrayForPantaiTimur

Mankany amin'ireo mponina ao Kota Bharu avokoa ny fisainana sy ny vavaka. Enga anie mba hitsahatra haingana ny tondradrano. #PrayForPantaiTimur

Difotry ny rano hatreo amin'ny antsasany ny iray amin'ny hopitaly ao Kelantan. Miangavy, mivavaha mba tsy haninona izy ireo #PrayForPantaiTimur

Vao mainka miharatsy ny tondradrano. #PrayForPantaiTimur #PrayForMalaysia

Arahaba maraindraina ry Chukai #PrayForPantaiTimur

Allahu ndeha fotsiny hanantena ny tsara indrindra T.T #PrayForPantaiTimur #PrayForKelantan

#MivavahaHoAniPantaiTimur sy ireo biby mampalahelo  pic.twitter.com/oHf5KkI7t9

@nadhirah_moffet: tsy vitako tsotra izao #PrayForPantaiTimur pic.twitter.com/NHhxaCZNRQ

Nampakatra sarintanin'ilay olana ny Google mba hanehoana ireo faritra tandindonin'ilay tondradrano :

flood_threat

Nifatràran'ny kianan'ny tsy tia ny Praiminisitra Najib Razak taorian'ny nahitàna azy nilalao “golf” niaraka tamin'ny filohan'i Etazonia Barack Obama, raha ny Maleziana kosa ataon'ny ranobe mahita faisana :

Filoha Obama milalao golf miaraka amin'i Najib Razak, Praiminisitra Maleziana ao Hawaii androany

Ho setriny sy mba hitarihany ny fandraisan'andraikitry ny governemanta momba ilay loza voajanahary dia nofoanan'i Najib ny fialantsasatra faran'ny taona nataony tao Etazonia:

Tena nanohina ahy mafy tokoa ilay tondradrano ary dia niverina hijery imaso ny zava-misy aho. Mankany amin'ireo rehetra mizaka ny mafy ny saiko sy ny vavaka ataoko.

Nanoratra matoan-dahatsoratra iray ny “Malaysian Insider” nanakianany ny fiomanana mitarazoka sy tsy mahomby ataon'ny governemanta hiatrehana ny loza voajanahary :

Tokony ho vitan'ny manampahefana ny maminavina, miomana ary mampilaza ny vahoaka fa hisy tondradrano mety ho avy, ary tokony hisy lisitra ahitàna ireo toby vonjitaitra sy tahirin-tsakafo efa vonona.

Kanefa na ireo any amin'ny faritra efa iharany na ireo Maleziana any an-toeran-kafa dia efa nidonany vao nahafantatra ny zavatra namely azy ireo tamin'ny iray amin'ireo taona ratsy indrindrany teo amin'ny tantaran'ny firenena.

Mila zavatra be lavitra noho ny fanovàn-javatra izahay, mila fanavaozana ny fomba fisaina  sy ny dingana fanaovan-javatra.

Nanainga fanahy ireo Maleziana maro ilay tondradrano mba hanampy amin'ny ezaka fanavotana. Saingy tsy mbola nihena akory ilay tondradrano, ary vantany vao misintona ny rano, ny fanamby manaraka dia ny asa fanamboarana ireo vondrom-piarahamonina rava mba ho azo iainana indray. Tena ho taombaovao henjana ny an'ireo fanjakana any atsinanan'i Malezia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.