Nosoratan'i Hoda Baraka ho an'ny 350.org ity, fikambanana iray manangana hetsika erantany momba ny toetrandro, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifanakalozana votoaty.
Tany ampiandohan'ity herinandro ity, maherin'ny 15.000 ireo olona avy any amin'ny faritra samihafa no nanao diabe teny an-dalamben'i Lima, nahatonga azy io ho ny diabe goavana indrindra momba ny toetrandro nisy teo amin'ny tantaran'i Amerika Latina.
Any amin'ny faritra, resaka olana momba ny zon'olombelona, tontolo iainana ary ara-pandrosoana no andraisana ny fiovàn'ny toetrandro; araka izany, tsy kisendrasendra ny nanomanana ilay diabe ho ny 10 Desambra, izay manamarika ny Andro Erantany ho an'ny Zon'olombelona. Itakiana ‘Fiovàn-drafitra. Fa tsy Fiovàn'ny Toetrandro’, nampiray vondrona maro samihafa avy amin'ny tontolo isankarazany ilay diabe, nitaky hetsika mivaingana sy tena izy hiatrehana ny olan'ny fiovàn'ny toetrandro.
Ireo vondrona nanao diabe dia nahitàna ny : vondrom-piarahamonina indizena, mpiompy, mpiasa, mpitrandraka harena ankibon'ny tany, vondron'ny tanora hatramin'ny vondrona ara-pinoana. Antomotr'ilay Diaben'ny Toetrandro ataon'ny Vahoaka any New York atsy ho atsy no miseho ity Diaben'ny Toetrandro ataon'ny Vahoaka ao Lima ity, ary manamafy ny fientanana tsy mitsaha-mitombo hisian'ny hetsika erantany ho an'ny toetrandro.
Ireto ambany ireto ny andian-tsary ahitàna taratra ny hery, ny fientanentanana ary ny fahasamihafàna tao anatin'ilay diabe.