Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

15 Desambra 2014

Tantara tamin'ny 15 Desambra 2014

Mety Hitsingidina Ny Robla, Fa Hanidina Ireo Sary Rosiana Mahatsikaiky

Akon'ny RuNet

Ao anatin'ny tebiteby misonga mikasika ny vola sy ny toekarena ao Rosia, nanangona ireo ohatra maro isan'ny malaza sy mahatsikaiky amin'ireo "sary mahatsikaikin'ny robla" tao amin'ny Twitter Rosiana ny RuNet Echo.

Lahatsary 3 Mampiseho Ny Sotasota An-dalambe Mahazo Ireo Vehivavy Ao Amerika Latina

Zavamisy tsy maintsy atrehin'ny vehivavy ao Amerika Latina ny fanorisorenana eny an-dalambe.

Diaben'ny Toetrandro Goavana Indrindra Tao Amerika Latina: An'arivony Mameno Ny Araben'i Lima

Niara-dàlana nanao diabe tao Lima ireo vondrom-piarahamonina indizena, mpiompy, mpiasa, mpitrandraka harena ankibon'ny tany, vondron'ny tanora hatramin'ny vondrona ara-pinoana, mba hitaky "Fiovàn-drafitra. Fa tsy Fiovàn'ny Toetrandro". Topazo maso anie e.

Mampidi-doza Tsotra Izao Ny fanapahan-Dàlana Fahatàny Ao Bangladesh

Matetika ny olona ao Bangladesh no miampita amin'ireo arabe be mpifamoivoy ka mitsofotsofoka eny anelanelan'ny fiara eny, raha tokony hampiasa ireo toerana natao hiampitàny. Sady loza mitatao ho an'ny daholobe ilay fitondrantena no olana ho an'ny fandrindràna ny fifamoivoizana ihany koa

Lazain'ireo Rosiana Mpampanoa Lalàna Ho Kabarim-Pankahalàna Ny Fihetsik'Ilay Lehilahy Nanohitra Ny Mpandrava Korontana Ara-Poko

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Mijoro ho voampanga noho ny "fiantsoana hetsika feno fankahalàna atao aminà vondrona iray i Sankov, voafaritra ao amin'ny teny famaritana manokana ny firenena, ny fiteny, ny fiaviana, na ny faritany". Raha voaheloka izy dia mety hifonja hatramin'ny dimy taona.