Fonja Any Bahrain: Angano-nà Fampijaliana

Daih, Bahrain. 28 FebrOary 2014 — Manoloana ny takelaka misy ny sarin'i Jaafar Aldurazi, nandritra ny diabe fitokonana sady fisaonana. — Nanipy entona mandatsa-dranomaso sy grenady mamono sofina ireo mpitandro ny filaminana Bahraini taorian'ny fandevenana an'i Jaafar Aldurazi. izay maty tany ampitazonana azy, lazaina fa noho ny tsy fitandremana ara-pitsaboana sy ny fampijaliana azy tany am-ponja. Fizakàmanana: Demotix
Nikiakiaka izy, sahala amin'ny hoe nodarohana. Afaka nandre ny kiakiakany ireo voafonja. Nampiseho tarehy simbasimba, karandoha vaky, taolan-takibany tapaka, ary voa vaky, ny fizahàna natao taminy. Ndeha hihaona amin'i Hasan Alshaikh, 36 taona, izay maty noho ny fampijaliana azy tany am-ponjan'i Bahrain. Nahavita nihoatra noho ny antsasaky ny saziny izy.
Ny 6 Novambra 2014, nandefa bitsika ny Minisitry ny Atitany tao Bahrain fa nisy voafonja maty tao am-ponja:
An inmate, 36, at the Directorate of Reformation and Rehabilitation who is convicted in a drug case died. Concerned bodies notified
— Ministry of Interior (@moi_bahrain) November 6, 2014
Voafonja iray, 36 taona, teo amin'ny Fitantanan-draharahan'ny Fanovàna sy Fanavaozana, izay voaheloka noho ny resaka rongony no maty. Efa voalaza ireo ambaratonga voakasik'izany
Ho fanamarihana fanampiny, voalaza fa tsy fahafatesana tsotra no nahafaty azy
Criminal suspicions over the death of inmate http://t.co/cXaSB9YR4H
— Ministry of Interior (@moi_bahrain) November 6, 2014
Misy ahiahy vono olona ao ambadiky ny fahafatesan'ilay voafonja http://t.co/cXaSB9YR4H
Nanjohy ny lisitr'ireo voafonja hafa, farafahakeliny niisa dimy, izay maty noho ny fampijaliana tany Bahrain, hatramin'ny taona 2011, i Hasan Alshaikh, ary niarahako nifapizarana taminy ny toe-javatra izay indrisy fa hita mahazatra aty amin'ny fireneko — samy efa nianjadian'ny fampijaliana izahay roa.
Ny alin'ny 30 Jolay 2013, nandeha natory aho, nisaintsaina zavatra tsy misy dikany, sahala amin'ny hoe inona ny zavatra hataoko amin'ny faran'ny herinandro, sy hoe tokony mbola hanohy ny fianarako mitendry piano ve aho. Tsy haiko akory hoe tsy ho eo an-tànako akory ireo fanapahan-kevitra ireo afaka kelikely.
Vao nangirandratsy ny 31 Jolay, nalaina teo am-pandriako aho ary nentina tany amin'ny Fitantanan-draharahan'ny Sampam-pitsikilovana (Central Intelligence directorate) (CID), izay nampijaliana ahy nandritra ny dimy andro.
Noho izaho efa niaraka niasa taminà fikambanana mpiaro ny zon'olombelona nandritra ny taona vitsivitsy, efa namaky fijoroana vavolombelona maro momba ny fampijaliana ao Bahrain aho, noho izany, efa tsara omana noho ireo hafa ny amin'ny zavatra mety hitranga aho. Tsy hoe mampisy fahasamihafàny be io, fa farafaharatsiny, nanampy ahy hitàna ny eritreritro ambony hatrany io. Nandritra ireo andro nitazonana ahy, nasiana rojo vy ny tànako ary notapenana ny masoko, fa mbola nahatsiaro saina aho ary ny zavatra nataoko dia ny hanohy hatrany hanao ny zavatra nanazarana ahy.
Nanomboka nanangona loharanom-baovao aho. Notazonina tao aminà efitra tsara ambina eo amin'ny enina metatra tora-droa eo aho. Asehon'ny sarintsarin'ilay efitra fa vao haingana io efitra io no nozarazaraina. Tsy tonga hatreny amin'ny valin-drihana ilay rindrina vita amin'ny hazo. Tsy nisy efitra maromaro tao, fa miezaka manome anao fahitàna ilay toerana ho lehibe noho ny tena izy ry zareo, amin'ny fampandehandehanana anao mitetitety mihodinkodina ao amin'ilay toerana.
Nanomboka nanao zavatra aho, toy ny nanisa ny isan'ny varavarana henoko mikatona rehefa manao ny fanaony isan'andro ireo mpiambina, manamarina tsara fa tsy misy matory na mipetraka ny rehetra (noterena hitsangana lalandava izahay). Nahitàna izany fa tsy misy efitra maro tao amin'ilay toerana. Zava-dehibe izany, satria midika izany fa afaka avadika ho efitra fampijaliana daholo ny tranobe rehetra, ary tsy mandaitra ilay fomba fiasa hatrizay izay mamela famantarana ao amin'ny toerana nitazomana ny olona.
Manala ny herinao ny fijanonana ela sady mifatotra ao an-damosina ny tànana. Rehefa ela ny ela, mijanona ny fikorianan'ny rànao ary voly tsy renao intsony ireo ratsam-batanao. Navela nandeha tsirairay isaky ny ekipa hankany amin'ny toerana fidoivana izahay, noho izay, manararaotra io fotoana io izahay na dia tsy te-hivoaka aza, satria io ihany ny mba hany fotoana hanalàna ny fatoran'ny tànanay.
Nahay nandefa ny tanako tao ambanin'ireo tongotro aho (voafatotra an-damosina ny tànanay) ary manalefaka kely ny fatorana, noho izany, rehefa mankao amin'ny toerana fidiovana aho, afaka namakafaka tsara ny toerana. Nanomboka voamariko hoe ahoana ny fizotry ny baiko avy amin'ny manamboninahitra mankany amin'ny mpiambina. Nahazo ny fijoroana vavolombelon'ireo voatazona aho tamin'ny firesahako tamin'izy ireo taty aoriana, fantatro teo fa rehefa mahazo tapakila maintso ianao eo amin'ny varavaranao, midika izay fa tsy mahazo matory na mipetraka ianao; ny tapakila mavo midika fa mahazo matory ianao ny alina; raha tsy misy n'inona na inona eo amin'ny varavaran'ny efitrao, midika izay fa mahazo mipetraka ianao. Zava-dehibe izany satria nampiseho fa misy antanan-tohatra sy fomba fiasa napetraka tao an-toerana. Tsy nisy fanapahan-kevitra nalaina samirery.
Nandritra ny fotoana fampijaliana ahy, nolazaina ahy ny tokony hoteneniko amin'ny lehiben'ny fampanoavana. Nolazain'izy ireo ahy ny fanontaniana mety hanontaniana ahy ary ireo valinteny tokony homeko. Ny zava-niseho dia tena nanontany ahy ilay fanontaniana mitovy amin'ny nolazain'ireo mpampijaly ahy mihitsy ilay lehiben'ny fampanoavana, dia nandresy lahatra ahy, fa tena misy tokoa ao Bahrain ny fifandrindrana izay noahiahiantsika hatrizay.
Nampitandremana aho fa raha mitaraina any amin'ny lehiben'ny fampanoavana fa nampijaliana, ho ampijaliana mafimafy kokoa aho. Tsy hilaza ny momba izany ny mpisolovava ahy, tokony efa niandry izany hiseho aho. Gadra maro no efa niatrika izany, satria nanontanian'ny lehiben'ny fampanoavana tsy teo anatrehan'ny mpisolovava azy izy ireo.
Rehefa nafindra tany am-ponja aho taty aoriana, tafahaona tamin'ny olona maro nahalala sy natoky ahy aho. Nijery ahy tamim-pitsiriritana ilay iray 16 taona niara-voatàna tamiko, raha nahita fa navela nampiasa solosaina entin-tànana aho. Satria sarotra ny mahita zavatra bitika sahala amin'ny solosaina any amin'ny toerana sahala amin'izany, tsy afaka nandà azy tsy hampiasa izany aho. Nomeko azy ny solosainako ary tena nahagaga ahy izy raha nanomboka ny tetikasany, ny fanamboarana sy fizaràna taratasy hofenoina ho an'ireo mpiara-nifonja, manontany azy ireo mba hanoratra ireo tantarany sy manazava hoe ahoana ny fomba nampijaliana azy ireo.
Ilay “rakitry ny fampijaliana”, araka ny fiantsoako azy io, dia mihoatra lavitra noho ny teny voarakitra an-taratasy — fampisehoana ny helo io. Mafy loatra ny mamaky ireo tantaran'ireo olona ireo, avy amin'ny toerana, vondron-taona ary faritra maro samihafa avy eto amin'ny firenena. Henatry ny fireneko io solosaina io ary porofon'ny tsy fahombiazan'ny andrim-panjakan'ny firenena iray. Nanamafy ny hevitro io fa resaka tena lasa lavitra noho ny eritreretintsika ny fampijaliana mitranga ao Bahrain.
Tsy nahagaga ny fahafatesan'ny gadra vaovao any am-ponja. Resaka fotoana fotsiny ny alohan'ny ahitàna olona reraka loatra ka tsy mahatanty ireo fomba fanao any amin'ireo fonjan'i Bahrain, ary fanampin'izany ny tsy fahampian'ny fikarakarana ara-pitsaboana, ny faharatsian'ny fonjantsika izay feno loatra ary ny fironana miakatra mankany amin'ny fanaovana herisetra.
Nataonà mpiasa telo amin'ireo mpitantana ao amin'ny fonja ny fampijaliana nitondra tamin'ny fahafatesan'i Hasan Alshaikh. Telo, midika fa fanapahan-kevitra iombonana io: tsy nisy tamin'ireo mpiasa telo nieritreritra fa tsy mety ny midaroka voafonja, izay mampiseho ny faneken'ny rehetra ny fampijaliana. Ilay mpiandraikitra ny kaonferansa famerenana ny fiainan'ireo mpidoroka rongony no iray tamin'ireo nampijaly an'i Hassan Alshaikh. Ny fametrahana azy eo amin'izany toerana izany dia mampiseho indray ny tsy fahombiazan'ny rafitra amin'ny fomba fiasa.
Tonga nanao vavolombelona nanaporofo ny fampijaliana sy ny famonoana an'i Alshaikh ireo valo hafa mpiasan'ny fonja. Ny antony hoe tsy nisy niroso nanakana ilay heloka rizy ireo fony niseho io tranga io dia porofo manamafy ny fiainana manaiky ny fampijaliana. Tsy afaka nanao afa-tsy ny nipetraka sy nihaino azy nikiakiaka sy niala aina ireo voafonja hafa.
Tsy ho farany amin'ireo tratry ny fampijaliana ao Bahrain i Hasan Alshaikh, indrindra raha mbola manohy mandokandoka ny “fanovàna” ataon'ny governemanta Bahraini ireo tandrefana mpiara-dia aminy. Mbola ratsy lavitra noho ny ompa reko isaky ny mihetsika tany am-pigadrana ny ambaratongan'ny ompa tsapako isaky ny mamaky ireo fanehoan-kevitra momba ny “fanovàna” avy amin'ireo namana sahala amin'ny Angletera aho, ary tsy manatsara ny nofy ratsiko isan-kalina izany.
Amin'ny anaran'i Hasan ary ireo hafa voafonja miisa 80, izay novakiako ny tantarany, mba te-hangataka zavatra aminareo aho: azafady, mba mandefasa bitsika na manoràta any amin'i Mr. Philip Hammond, Sekreteran'ny Raharaha Ivelany ao amin'ny Biraon'ny Commonwealth (Fiombonamben'ny tany miteny sy/na mampiasa ny teny Anglisy), ary mba hitaky aminy am-panajàna ny hampiatoany ny fanompàna antsika.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...