Ry Rosiana Mpitàna Birao, Akombony Ny Vavanareo

Sergei Belyakov, Russia's (now former) Deputy Minister of Economic Development. Images mixed by author.

Sergei Belyakov, Minisitra Lefitra (fahiny) Misahana Ny Fampandrosoana Tao Rosia. Sary nafangaron'ny mpanoratra.

Tonga hatrany amin'ny famehezana ny tahirim-bola fandoa amin'ny fisotroan-drononon'ireo mpiasa avy amin'ny tsy miankina ny governemanta Rosiana, nahazoany hatrany amin'ny 300 lavitrisa robla (eo amin'ny 8,3 lavitrisa dolara Amerikana) ho an'ny tetibola federaly 2015. Tamin'ny 2013, fony voalohany naaton'ny fanjakana ny fandrotsahany vola tao amin'ny kaontin'ny rafitra Rosiana ho fiahiana ny fisotroan-dronono dia nanome toky ry zareo fa fepetra mandalo fotsiny ihany izany. Tsy hahatàna izay fanomezan-tokiny izay ny governemanta, ary manampahefana ambony amin'ny resaka toekarena sahady no efa tsy an'asa noho ny resaka fialan-tsiny hafahafa tety anaty aterineto.

Nesorina tamin'ny asany i Sergei Belyakov, Minisitra lefitra nisahana ny Fampandrosoana ny Toekarena ao Rosia, taorian'ny fifanalàna tam-pirahalahiana tao amin'ny Facebook nifanaovany tamin'i Natalia Timakova, Sekreteran'i Dmitri Medvedev misahana ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety. Noroahan'i Medvedev i Belyakov taorian'ny nanambaràn'ity farany tao amin'ny Facebook fa “menatra” tamin'ilay fanapahan-kevitry ny governemanta hanalava ny fe-potoana fangiazana ny fandrotsaham-bola ho an'ny fisotroan-dronono izy. Araka ny lazain'i Belyakov, hanozongozona ny toekarena ilay hetsika natao ary hanimba ny fitokisan'ny vahoaka ny fanjakana. “Mangataka ny famindram-pon'ny tsirairay aho tamin'ny hadalàna nataonay tamin'ny tsy nanomezanay lanja ny teninay,” hoy izy nanoratra.

Minitra vitsy taorian'ny namoahany ny fialantsininy, naharay fanehoankevitra avy amin'i Timakova (nofafàna taty aoriana) i Belyakov, nilazany taminy fa ny fiasàna ao anaty governemanta dia midika ho “andraikitra itambaram-be.” Toa somary nampian'i Timakova sarinteny aza hoe afaka hatrany mametraka fialàna i Belyakov, “Raha dia efa tena mahamenatra be ilay izy, fantatrao ny tokony hataonao.”

Tsy nasian'i Belyakov sira. Ho solon'izay aza, dia niaro tena tamin'ny fandefasana fanehoankevitra ho hitan'ny olona rehetra izy, tamin'ny nanoratany hoe, “Efa nitsahatra tsy nahalala henatra intsony isika [ao amin'ny governemanta] mikasika ny zavatra rehetra, ary tena ratsy izany”

Faritan'i Belyakov ho toy ny antso avy amin'ny tenany manokana ny fialantsiny nataony, saingy tsy ny olona rehetra no manana izany fijery izany. Rehefa nanaisotra an'i Belyakov i Medvedev, lalàna federaly no notanisainy, izay mandrara ny manampahefana tsy hanakiana na hiresaka “imasom-bahoaka na anaty media natao ho an'ny daholobe” ny asa sy ny fanapahankevitr'ireo  masoivohom-panjakana.

Fanambaràna ho an'ny daholobe ve ny naoty nalefan'i Belyakov tamin'ny Facebook noho ilay fialantsininy hitan'ny rehetra mpampiasa ilay tambajotra? Heverin'i Medvedev ho natao hoan'ny daholobe ve ilay izy satria ny zavatra rehetra ao amin'ny Facebook dia raisina ho toy ny “navoaka taminà media ho an'ny daholobe”? Ireo resaka ara-tekinika ireo dia mampipongatra fanontaniana mikasika ny fahatakaran'ny governemanta ny maha-tontolo manokana na ho an'ny daholobe ny kabary politika. Kanefa, na inona na inona ny fiavahany manokana araka ny lalàna, toa mazava ny hafatra ampitain'i Medvedev ho an'ireo mpiasam-panjakana manampahefana:  akombony ny vava, na ahorony ny entanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.