Mifangaro matetika amin'ny fanampin'anaran'ilay mpitarika ny al-Qaeda efa maty antsoina hoe Osama bin Laden noho ny fitovitoviam-pandrenesana azy ny anaran'ny Filoha Amerikana Barack Obama. Fa raha ny hoe Barack sy ny Boko Haram? Ity angamba no voalohany.
Niboredika tanteraka ilay minisitra zambiana Nkandu Luo nandritra ny diabem-piraisankina amin'ireo zazavavy 300 nalain'ny vondrona mpikatroka islamista ao Nizeria ankeriny notontosaina tamin'ny 17 mey. Ilay Video izay nipongatra tao amin'ny aterineto dia mampiseho an'i Luo, izay minisitry ny lehibe sy ny raharaha nentin-drazana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Michael Sata avy ao amin'ny Manda Tia Tanindrazana (PF), nikabary tamin'ireo mpanao diabe izay nivory tao amin'ny Foibe Sivika tao Lusaka:
[T]hings which we are doing here in Zambia to continue singing the song of peace, to continue campaigning for the girl children, that way all these criminals in the name of Islam the Barack O, Barack O, whatever, will not, aah, will not abduct our children.
Ny zavatra ataontsika eto Zambia manohy mihira ny hiran'ny fandriampahalemana, manohy ny fanentanana ho an'ireo zazavavy, amin'izay fotoana izao ireo jiolahy miteny amin'ny anaran'ny Islam, ry Barack O, Barack O, na iza izy ireo na iza, dia tsy haka an-keriny ny zanatsika.
Nihomehy tamin'ilay boredika i Luo, ary betsabetsaka ihany ireo olona nanatrika no nitokelaka tamin'ilay fahadisoana.
Notaterin'ny the Post, gazety tsy miankina mpanohana ny PF [Manda Tia Tanindrazana], ilay tantara tamin'ny voalohany, izay nilaza fa nifampipaika tanana ho fanalana azy tamin'ny lahatsary hita tao amin'ny tambajotran-tserasera ny olona. Tao amin'ny servisim-pandefasan-kafatra WhatsApp amin'ny finday raitra no tena nielezan'ny lahatsary.
Nikabary tamin'ireo olona tafavory ihany koa ny Vadin'ny Filoham-Pirenena Zambiana Christine Kaseba ary namoaka ny sariny tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Lapam-panjakana miantso ny famotsorana azy 300. Notsongaina ny teniny nilaza hoe:
Tell the world that we in Zambia care. We the Zambian Christians, Moslems, Hindus and Buddhists care because we in Zambia believe in peace.
Lazao amin'izao tontolo izao fa miahy i Zambia. Miahy isika Zambiana Kristiana, Miozolomana, Haindò ary Bodista satria mino ny fandriampahalemana isika eto Zambia
Tsy maintsy hoe nanesoeso an'i Luo, profesora mikrobiolojista lasa nanao politika, ihany ny Zambiana ao amin'ny Twitter.
So our very own “profesure” Nkandu Luo has no depth. Boko haram or barak Obama get schooled professor. Our country shamed.. #professorblonde
— Sam (@samchrw) June 12, 2014
Izany hoe tsy lalin-[tsaina?] ny profezorantsika Nkandu Luo. Boko haram na barak Obama dia efa ampianarina ilay profesora. Afa-baraka ny firenentsika..
“@AbelMusuka: When Professor Nkandu Luo Refers to Boko Haram as Barak Obama#DeathByLaughter”RT Our only female Microbiologists Professor!
— GEORGE MUMBI (@georgemumbi) June 12, 2014
Rehefa milaza ny Boko Haram ho Barak Obama ny Profesora Nkandu Luo. Matin'ny hehy. Ilay profesora mikrobiolozista vehivavy tokana eto amintsika.
“@Benny_blow: “Barack O–, Barack O–…Whatever!”. Nkandu Luo, zero out of ten.” Fail
— Miss Dori (@Kaysmeen) June 12, 2014
“Barack O–, Barack O–…Na iza izy ireo na iza!”. Nkandu Luo, nahazo isa zero amin'ny folo. Lamokany
Agony is when Prof NKandu Luo fails to differenciat #BokoHaram and #BarackObama when addressing puplis
— Chilufya (@Psalmist115) June 12, 2014
Mila ho faty mahita ny Prof i NKandu Luo tsy nahay nanavaka ny #BokoHaram sy #BarackObama rehefa nikabary tamin'ny vahoaka
Who are these criminals named Barack-O who are abducting children? Professor Nkandu Luo has strong words for them. Ah whatever…
— MissBwalya (@missbwalya) June 12, 2014
Fa iza ireo jiolahy raindahiny Barack-O naka ny zaza ankeriny ireo e? Manana teny maventy ho azy ireo ny Profesora Nkandu Luo. A! na iza izy ireo na iza…
Am in stitches after watching the clip were Professor Nkandu Luo ‘mistakes’ Boko Haram for @BarackObama
— ♣♡AJ's mummy♣♡ (@namzymcmoses) June 12, 2014
Tapatsinay tanteraka nijery ny sombin-dahatsary nahitana ny ‘fahadisoan'ny’ profesora Nkandu Luo nanonona ny Boko Haram ho Barack Obama
Ilay fahadisoan'i Luo angamba dia boredika tiany ilazàna fa tokony hanana anjara toerana lehibe amin'ny fampodiana ireo zazavavy nizeriana ireo ny governemantan'i Etazonia. Na gafim-pitenenana lasa tsinahy. Na izany na tsy izany dia efa lasa any amin'ny mpaka an-keriny – #BringBackOurGirls – aloha ny hafatra