Brezila : Lahatsary Mananihany Nosivanin'ny Rede Globo

1836751_584084025007975_1313431877_o

Dikasary avy amin'ilay lahatsary mananihany: i William Bonner, mpanolotra fandaharana, sy ilay Patrícia “Correta” tsy tena izy (“Patricia Correct”) ao anatin'ilay “lahatsary tsy tian'ny Globo ho hitanareo”.

Mitondra mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny Portiogey daholo ny rohy rehetra ato.

Kianin'ilay Breziliana mpikatroka mafàna fo sady mpiantsehatra, Rafucko, ao amin'ny pejiny Facebook ny namafàn'ny Youtube ny iray tamin'ireo lahatsariny noho ny fangatahan'ny Rede Globo (FnM: fantsom-pahitalavitra breziliana lehibe indrindra). Tao anatin'ny ora valo teo ho eo monja dia nahazo mpitsidika maherin'ny 40.000 ilay lahatsary. 

Teboka niaingàn'ilay fikirakirana lahatsary, nakarina tety anaty sera tamin'ny 18 Febroary, ny matoan-dahatsoratry ny “Jornal Nacional” (FnM: ny mitovy amin'ny vaovao amin'ny 7:30 ora hariva  aty amintsika), fandaharana sangany atolotry ny sampana fampahalalam-baovaon'ny Globo. Naniry izy ny hamoaka mibaribary ny familiviliam-baovao vohizin'ilay fantsona  momba ireo hetsi-panoherana nitranga tao amin'ny firenena hatramin'ny Jona 2013. Ao anatin'io lahatsary io dia nalain'ilay mpikatroka mafàna fo ny toeran'i Patricia Poeta mpiara-manolotra ny vaovao (nanjary ho  ‘Patrícia Correta’, i Patricia Correct, ao anatin'ilay hanihany) ( ary nanitsy ireo fanehoankevitr'i William Bonnery, mpanao gazety namany, izy roa izay samy mpanolotra vaovao ao amin'ny Journal Nacional).

Isan'ny teboka nitondran'ilay mpihanihany fanamarihana : ny anjara toeran'ny sampana fampahalalam-baovaon'ny Globo tamin'ny fanaovana tatitra ny fahafatesan'ilay mpilalao sarimihetsika Santiago Andrade nandritry ny hetsi-panoherana tao Rio de Janeiro, sy ireo fiampangàna nataon'ireo fikambanana Globo (nataon'ny rantsany an-tsoratra, Le Globo) nanenjika ilay solombavambahoaka Marcelo Freixo – nampangaina tamin'ny fomba nanafintohina tokoa ho olona akaiky an'ireo mpanao hetsi-panoherana ahiahiana ho namono ilay mpilalao sarimihetsika. Ny fisisihan'ilay fantsona hampiasa ny fomba fiteny hoe  “mpandroba” mba hilazana ireo mpanao fihetsiketsehana, mifamatotra amin'ny fitanilàny ka mametraka ny herisetra ho fiarovan-tenan'ireo mpanao hetsi-panoherana hitovy laharana amin'ny herisetran'ny Polisin'ny Tafika, izay, araka ny  ambaran'ny Abraji (Fikambanana mpanao gazety mpanadihady) dia tompon'andraikitra amin'ny 75% n'ny herisetra nihatra tamin'ny mpanao gazety.

An'arivony ireo mpampiasa Facebook nitroka ilay fiampangàna avy amin'i Rafucko, ireo mpampiasa ireo izay namaly ny fangatahan'ilay mpananihany mba hizara ilay lahatsary amin'ny sehatra maro isan-karazany toy ny Youtube sy Vimeo. Nefa maro tamin'izy ireny no voafafa ihany koa noho ny fangatahan'ny Rede Globo,  hoy ilay mpikatroka.

Quem baixou, pode repostar! Em breve reposto, com o slogan: “o vídeo que a Globo não quer que você veja”. Vai ser sucesso. Já é.

Ireo izay nitròka azy iny, afaka mizara ianareo! Ato ho ato dia ho averiko apetraka ety anaty sera indray izy iny miaraka amin'ny lohateny hoe : Ilay lahatsary tsy tian'ny Globo ho hitanareo”. Ho fahombiazana tokoa izany. Efa izany sahady e.

Ny andron'iny ihany, notoherin‘i Rafucko tao amin'ny bilaoginy ny zavatra nolazainy fa mitovy amin'ny sivana :

Não é à toa que um dos gritos mais ouvidos nas manifestações diz “a verdade é dura, a Rede Globo apoiou a ditadura (e ainda apóia)!”

Na última semana vimos a emissora dedicar extensas reportagens e editorias para versar sobre a liberdade de expressão. Desde o início das manifestações, a Rede Globo utiliza sistematicamente imagens de coletivos de mídia independente sem dar créditos ou pedir prévia autorização.

Entretanto, meu vídeo satirizando o Jornal Nacional foi retirado do ar menos de 12h após sua publicação. O papo dos “direitos autorais” eu dispenso.

Tsy nataotao foana ny teny faneva hoe “Henjana ny fahamarinana, nanohana ny jadona ny Rede Globo (ary mbola manohana hatrany)” izay re betsaka indrindra tany anatin'ireo hetsi-panoherana !”

Tamin'ny herinandro lasa, afaka nahita ny olona rehetra fa nandefa fanadihadiana lavabe sy matoan-dahatsoratra poak'aty momba ny fahalalahana maneho hevitra ilay fantsom-pahitalavitra. Hatrany ampanombohan'ny hetsi-panoherana no efa nampiasàn'ny Rede Globo foana ireo sary nalain'ny tsy miankina nefa tsy ilazàny ny anaran'ny tompony no sady tsy nangatahany alàlana na kely akory aza.

Teo ampiandrasana izany, tsy ampy ora 12 akory taorian'ny nametrahana azy tety anaty sera  dia nofafàna ny lahatsariko manakiana sady maneso ny Jornal National. Ary tsy aty amiko no hanaovana kabary momba ny “zon'ny mpamorona”.

Nanakiana ny Rede Globo ilay mpikatroka mafàna fo, Pedro Ekman, sady niteny momba ity olan'ny zon'ny mpamorona ity :

A Globo é a maior censora da internet brasileira. A Globo retira conteúdos alegando ter direito autoral sobre eles. A Lei de Direito Autoral determina que é LIVRE o uso de pequenos trechos de obras protegidas por direito autoral para fins de crítica e sátira. Mas respeitar leis nunca foi muito a prática da Globo, vide 1964.

Ny Globo no goavana indrindra amin'ny fanivànana ny aterineto breziliana. Fafàn'ny Globo ny votoaty amin'ny filazany ho fanànany ny zon'ny mpamorona. Ny lalàna momba ny zon'ny mpamorona dia mamela ny fampiasàna MALALAKA ny ampahany fohy amin'ireo tsanganasa voaaro mba ho azo ampiasaina aminà fanakianana na hanihany. Nefa tsy zavatra nifotoran'ny Globo velively izany hoe fanajàna ny lalàna izany, jereo ny 1964 (FnM: ary ny firotsahan'ilay fantsom-pahitalavitra hijoro miaraka amin'ny mpanao jadona sy ny mpanongam-panjakana tamin'ny 1964).

Manampy toy izao i Bruno Natal, mpanao gazety, ao amin'ny bilaoginy :

Nos EUA, por exemplo, essa alegação mambembe de violação de direitos autorais não colaria, porque lá existe uma lei chamada Fair Use (Uso Justo), que permite a reprodução de qualquer material protegido desde que dentro de um contexto pertinente, o que claramente é o caso aqui. Afinal, como o Rafucko pode criticar o editorial sem mostrá-lo?

Isso pra não entrar no âmbito da liberdade artística, antes que alguém venha dizer que ele não precisava mostrar o vídeo, mas bastaria citá-lo (quem escolhe a forma é o artista).

Só tem um nome pra isso e vc sabe qual é.

Ao Etazonia ohatra, tsy mandaitra ireny honohono tsy misy fotony ireny hoe manitsakitsaka ny zon'ny mpamorona, satria any an-toerana, misy lalàna iray antsoina hoe Fair Use (Fampiasàna ara-drariny), iray mamela ny famerenana mandefa/mamokatra izay votoaty rehetra andrian'ny saina raha tena ilaina ny fampiasàna azy, izay izany indrindra no zava-misy eto amin'ity tranga ity. Famaranana azy, ahoana no ahafahan'i Rafucko manakiana ny matoan-dahatsoratra raha tsy asehony ho hita izany?

Tsy idirana akory ny resaka fahalalahana artistika, ary alohan'ny hahatongavan'ny sasany hiteny hoe tsy misy nilàna ny fanehoana ireo saripikan'ilay gazety, fa niresaka fotsiny dia ampy (anjaran'ilay artista no mifidy izay endrika tiany).

Tsy misy afa-tsy anarana tokana ho azy io ary ny rehetra no mahafantatra hoe inona izay.

Ny andro nanaraka io, ny 19, tamin'ny fanambaràny talohan'ny nanivànana ilay lahatsary dia nisaoran'i Rafucko ireo mpamandrika ao amin'ny fantsony tamin'ny fizaràna ilay lahatsary, izay nahazo mpitsidika 500.000, lasa ho ny lahatsary be mpijery indrindra tao amin'ny fantsony YouTube :

Quando se fala pela liberdade, toda tentativa de repressão e censura amplifica nossa voz.

Rehefa miteny ho an'ny fahalalahana, izay rehetra ezaka faneriterena sy fanivànana dia vao mainka hanamafy ny feontsika.

1902951_584041095012268_2097107060_n

lahatsary orizinaly voasivana

Tatiane Rosset, ao amin'ny bilaogy Youpix, manamarika hoe :

Como a internet não é boba nem nada, existem outros meios para assistir o viral, onde Rafucko interpreta Patrícia Correta (piadinha) corrigindo o colega de bancada durante o editorial. Um deles são as várias repostagens feitas no próprio YouTube (uma já tinha mais de 400 mil views quando foi retirada, e outra está em 190 mil).

A outra, é claro, é através do Vimeo. Porque, por algum motivo, todos as pessoas com o ~~rabo preso~~ no país esquecem que o YouTube é o principal, mas não o único meio de veicular vídeos online

A censura, pedida pela Rede Globo por “infringir direitos autorais”, levanta o questionamento: Até onde a liberdade de expressão rola online? O universo digital é realmente livre?

Satria tsy adala akory ny ety anaty aterineto, lavitry ny afo ny kitay, misy ny fomba hafa hahafahana mijery ilay lahatsary izay ilalaovan'i Rafucko ny toeran'i Patrícia Correta (vazivazy kely) manitsy ilay mpiara-manolotra fandaharana aminy nandritry ny famakafakana ny matoan-dahatsoratra fanaony. Ny iray amin'ireny dia fanapariahana ireo fifampizarana izay ao amin'ny YouTube ihany aza (ny iray dia efa maherin'ny in-400.000 no nisy nijery talohan'ny namafàna azy, ary ny iray hafa dia efa mahatratra ny 190.000).

Ny iray hafa, mazava loatra, ao amin'ny Vimeo. Satria tsy fantatra hoe inona no antony maizina, ireo rehetra izay  ~~misedra olana amin'ny resaka fahalalahana maneho hevitra~~ eto amin'ity firenena ity, nahatonga ny hoe ny Youtube no fantsona fototra, saingy tsy io irery no hany fomba ahafahana mandefa lahatsary ety anaty sera.

Ny sivàna, nangatahan'ny Rede Globo noho ny hoe “tsy fanajàna ny zon'ny mpamorona”, dia mitarika fanontaniana hoe : handeha hatraiza ny fahalalahana maneho hevitra ety anaty sera ety ? Tena malalaka tokoa va re ny tontolo dizitaly ?

 La vidéo peut encore être vue sur d'autres comptes Youtube et sur Vimeo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.