Nitondra meday roa, volamena ny iray ary alimo ny iray, ho an'ny firenena Rosiana nandray azy ilay kintan'ny fikorisana haingana ao anatin'ny halavirana fohifohy Viktor Ahn, fantatra taloha ho Ahn Hyun-soo, nandritra ny lalao olaimpika ao Sochi. Ao anatin'izany fahombiazana tahaka ny mbola hitohy izany, niparitaka ao amin'ny fanaovana dinika an-tserasera Koreana Tatsimo ny adihevitra nahatonga ity kingalahy amin'ny fikorisana (skate) handao ny firenena nahaterahany ary nivantana any amin'ny kolontsaim-pitsitokotokoana tafapaka lalina sy maharitra tsy ao amin'ny tontolon'ny fikorisana an-dranomandry koreana ihany fa amin'ny fiarahamonina korena amin'ny ankapobeny, ny tsikera sy amin'ny fifantohan'ny fampitam-baovao tampoka amin'ny ‘maha-Koreana’ an'i Ahn.
Navoaka lohateny lehibe tamin'ny gazety teo amin'ny sehatra iraisampirenena Atoa Ahn raha iverenana ny lalao olaimpika tamin'ny 2002 izay nahitana ny fianjerany nandritra ny hazakazaka nitontona niaraka tamin'ilay imbalo nahazo meday tamin'ny fikorisana (skate) Ohno. Efa-taona taty aoriana, nisongadina ho mpifaninana mahafinaritra amin'i Ohno i Ahn tamin'ny fahazoana meday volamena telo sy alimo iray. Na izany aza, tsy afa-nifaninana tamin'ny lalao olaimpika manaraka tamin'ny 2010 i Ahn. Ny antony ofisialy nomena dia hoe noho ny ratra nahazo azy tamin'ny lohalika, saingy tsiambaratelo fantatry ny mpiserasera rehetra fa manana olana amin'ny Sendikàn'ny fikorisàna (skate) Koreana i Ahn ary nampitahorina mafy [ko] nialoha ny lalao olaimpika 2006 sy nandritra ny fotoana mialoha ny 2010 ka nilaozana ho azy i Ahn sady nesorina tamin'ny sendika. Nandao ny tanindrazany izy ary naka ny zom-pirenena Rosiana tamin'ny 2011. Noho ny filalaovana ho amin'ny ekipa Rosiana, dia nisy ni tati-baovao fa efa nomena valisoa [ko] tamin'ny fanomezana karama ambony kokoa i Ahn, misitraka (ekipa mpanazatra sy mpampianatra manokana) ary efa nampanantenaina asa maharitra rehefa tsy milalao intsony.
Tara loatra kely loatra
Vao nahazo meday alimo i Ahn tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, dia toa liana tampoka tamin'ny tsy rariny nahazo azy, taona maromaro lasa izay, daholo ny fampitam-baovao tsirairay. Eny fa na dia ny Filoha aza dia namoaka fanehoan-kevitra momba an'i Ahn fa ‘tsy maintsy jerentsika indray ny momba azy ity (milaza ny niovan'i Ahn zom-pirenena) noho ny fisian'ny zavatra tsy manara-dalàna mitoetra ao amin'ny tontolon'ny fanatanjahantena, toy ny fitsitokotokoana, ny fanomezana tombondahiny ny sasany ary ny fitsarana ny kolikoly’. Miray feo ny mpanao politika ary namoaka sary mampihetsi-po miaraka amin'ny lahatsoratra mivaky toy izao ny antoko mitondra Saenuri ao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo ‘Azafady, Nefa hanoahana anao hatrany izahay’, na dia toa tsy taitra loatra amin'izany valinteny efa tara izany aza ny mpiserasera. Mahatsiaro ho faly kokoa amin'ny tsy firaharahiana ity kintana vao hita ity ny Koreana ary toy ny tsy taitra, fa mahatsiaro ho tohina amin'ireto fampitam-baovao mampivoitra tampoka ny zom-pireneny ireto. Indreto ny sioka maro momba an'i Ahn.
솔직히 안현수 까려면 국가가 안현수한테 전폭적인 지원을 해서 키우고 있는데 배신 때리고 러시아로 넘어간거여야 하는데, 제대로된 지원도 없고 파벌싸움에 폭행에 제대로 된 연습 환경도 마련되지 못했는데 뭐가 잘났다고 안현수를 깝니까?
— 포덕 티나플/白金猫 (@tinyapl_) February 10, 2014
Raha mba nahazo fanohanana feno sy famelomana avy amin'ny fanjakana moa izy, avy eo dia misy ny manimbazimba an'i Ahn Hyun-soo ary milaza fa namadika ny tanindrazany izy ka nandao antsika ho any Rosia. Tsia, tsy izay no zavamisy. Tsy nisy ny fanohanana tsara, fa fifandirana tsy mitsakatra eo amin'ny vondron'olona tsy mety miray hevitra, sy daroka henjana azony (noho ny tsy fanoavany ny baikon'ny sendikà) ary tsy misy tontolo tsara hanaovana ny fanazarana. Tsy misy ny fanamarinana hanimbazimbana an'i Ahn.
안현수가 그랬단다, 제가 스케이트를 사랑하는데, 대한민국만큼 사랑하는지는 모르겠지만, 여튼 스케이트가 타고 싶었다고. 그래서 러시아에서 영원히 살거라고. 천재를 못품기는 커녕, 내팽개치는 나라. 금메달, 니가 따라 빅토르 안. 자격없다, 우리는.ㅎ
— 작은 달님 비비안 도로시 ♕ (@drysi) February 13, 2014
Voalaza fa tia mikorisa (an-dranomandry) i Ahn, ary tsy fantany loatra raha tiany mihoatra noho ny fireneny izy io na tsia. Ny zavatra iray fantany dia te-hanohy ny fikorisàna izy ary hiaina mandrakizay any Rosia. Izany no maneho ny fomba itondran'ny firenena ny manampahaizana ao aminy fa tsy mandray ny talentany. Viktor Ahn, raisinao io meday volamena io. Tsy mendrika anao/ny meday izahay.
파벌을 견디다 못해 귀화한 선수인데 이래놓고 금메달 땄더니 국적은 러시아지만 심장은 대한민국 건아! 안현수! 이따위 드립 날리면 진짴ㅋㅋㅋ
— 이리 (@furymanura) February 10, 2014
(sioka voalohany tafiditra) Lasa mizaka zom-pirenena Rosiana izy ary nanova ny anarany mihitsy aza. Saingy dia mikiry miantso azy ho Ahn Hyun-soo ny fampitam-baovao. (sioka faharoa) Ity mpilalao ity izay tsy nahazaka intsony ny kolontsaina maharikoriko ataon'ny mpitazona fahefana, ka niova zom-pirenena. Saingy rehefa nahazo meday volamena izy, dia misy fampitam-baovao mametraka itony resaka adaladala, toy ny ‘Mety ho Rosiana ny zom-pireneny, saingy ny fony kosa mitempo ho an'i Korea’.TPT
빅토르 안을 어떻게든 한국을 사랑하는 안현수로 만드려고 하는 인간들이 있다는 얘길 듣고서는 뭐.. 예상가능했다. ‘성공'이라면 국적을 어떻게든 연결해서 ‘우리'로 만들고 싶어하고. ‘실패’ 같아 보이면 ‘남'이라 부르는. 예)조선족
— Craic Dealer (@kingkenny1967) February 11, 2014
Taorian'ny nandrenesana fa misy ny vondron'olona miezaka mafy ny hametraka an'i Viktor Ahn ho ‘Ahn Hyun-soo tia tokoa ny tanindrazany, Korea Atsimo’, dia tsy gaga aho. Rehefa misy olona nahita fahombiazana, mikezaka mafy ry zareo mampifandray ilay fahombiazana amin'ny firenena. Rehefa handamoka anefa izany dia miezaka ry zareo hihataka amin'izy ireny. (ohatra amin'izany ireo Koreana-Shinoa sasantsasany)