Tantara tamin'ny 20 Febroary 2014
[StoryMaker] Privilege Musvanhiri Avy Ao Amin'ny Fiarahamonin'ny Finday Ao Zimbabwe
Tamin'ny Lasin'ny StoryMaker natao tamin'ny volana Janoary tao Amman, Jordania, niresaka tamin'i Privilege Musvanhiri avy ao amin'ny Mobile Community Zimbabwe (Fiarahamonin'ny Finday Zimbabwe) izahay.
Votsotra Tamin'i Korea Atsimo Ilay Kinga Amin'ny Fikorisana Skate Viktor Ahn, Nandrombaka Meday Roa Ho An'i Rosia
Kintan'ny fikorisana an-dranomandry (skate) Viktor Ahn, izay Koreana Tatsimo teo aloha, no nihazakazaka amin'ny maha-mpilalao Rosiana azy anry nandrombaka meday roa nandritra ny Olaimpikan'i Sochi hatreto. Faly tamin'ny fahombiazan'ity kintana notsinontsinoavina ity ny Koreana.
Lalao Mankany Amin'ny Helo: Manome Lamosina Ny Sochi Ary Mitodika Any Okraina Ny Rosiana
Androany, taorian'ny sarintsarim-pitoniana fohy nisy, niverina ny herisetra teny an-dalamben'i Kiev, niteraka fikisahana henjana tamin'ny asa fanaon'ny RuNet. Indrindra fa maneho endrika ady an-trano ifanaovan'olon-tsotra ny sary azo avy any Okraina.
Venezoela: Mitondra Fanohanana Ireo Fihetsiketsehana Ao An-toerana Ny Venezoliana Ampielezana
Nitondra ny fanohanany ireo fihetsiketsehana ao Venezoela ireo Venezoeliana monina any ivelany tamin'ny alalan'ny fandefasana sary marobe tao amin'ny tambajotra sosialy.
Shina: Misy Fanarahamaso Faobe Atao Amin'ny Finday Matoa Tratran'ny Famoretana Ny Fivarotan-tena
Ny songadina ao amin'ny China Central Television izay manoritra ny lalan'ny mpiasan'ny fivarota-tena sy ny mpividy no manondro fa mampiasa ny fanarahamaso (fitsikilovana) faobe amin'ny alalan'ny tambajotran'ny finday ny governemanta Shinoa.
Andao Hisioka (Hibitsika) Amin'ny Tenin-drenintsika Amin'ny 21 Febroary Izao
Mandraisa anjara miaraka aminay amin'ny 21 Febroary ho fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Tenin-dreny amin'ny alalan'ny fandefasana sioka na bitsika ( #imld14) amin'ny tenin-drazanao (#malagasy)
Péro : Salanisa Mavesatry Ny Vanim-Potoam-Pahavaratra
Niteraka fihotsahan'ny tany sy tondradrano ireo oram-batravatra tany amin'ny faritra maro tao Péro, nitarika fisianà tra-boina sy fahapotehanà fitaovana marobe.