Nahazo aingam-panahy avy amin'i Brandon Stanton nanangana ny Humans of New York (HONY na Olombelon'i New York), i Nina Steinberg nanangana ny pejy Facebook Humans of Ethiopia [Olombelon'i Ethiopia] izay manolotra ny indray mitopy mason'ny fiainan'ny olona any Ethiopia.
Hoy ny vakin'ny Fanoritsoritana:
As I explore Ethiopia this summer I have decided to create a space where I can share my glimpses into the lives of strangers, new friends, and the fascinating way of life I am coming to understand here. Inspired by Brandon's Humans of New York.
Raha namakivaky an'i Ethiopia aho tamin'ity fahavaratra ity dia nanangana tahala ahafahako mizara ny indray mitopy mason'ny fiainan'ny vahiny, namana vaovao, ary ny fomba fiainana mahavalalanina manomboka azoko tany. Aingam-panahy avy amin'ny Olombelon'i New York an'i Brandon
Jereo anie ireto sary vitsy navoaka indray avy amin'ny pejin'ny Olombelon'i Ethiopia ireto.

Ny fanenomana akanjo dia fomba nentim-paharazana anjatony taona ao Ethiopia. Sary avy amin'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.

Miaramila Ethiopiana mandeha amin'ny lalana foana. Sarin'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.

Vehivavy Ethiopiana mibaby hazo hiainana. Mahatratra hatramin'ny 30 kilao ny entana entin-dry zareo manavatsava ny lalana manodidina ny 30 kilometatra. Ny sasany amin'ireo vehivavy ireo aza mety ho maivana noho ny entana entiny. Latsaky ny roa dolara amerikana isan'andro ny fidiram-bolan-dry zareo. Sary avy amin'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.

Ny lanonan'ny kafe Ethiopiana dia fombafomba mahafinaritra fisotroana kafe. Endasina maina ny voakafe maitso dia entina mivezivezy any an'efitra ny lapoaly hahazoan'ny olona rehetra ao an-trano ny hanitra avy aminy. Totoina amin'ny laona sy fanoto ny voakafe. Ampangotrahana amin'ny vilany tanimanga antsoina hoe Jebena avy eo ny vovo-kafe (hita eo ankavia amin'ny sary). Farany, araraka amin'ny kaopy bakoly kely eo ambony viliabentsakafo ary atolotra ny rehetra – atolotra intelo. Saripikan'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.

Tratrako nanofahofa katy teo anoloan'ny osy ry zareo ary nihomehy amin'ny eritreritra hoe hampiakatra ilay osy izany. Saingy rehefa hanapika sary aho dia tsy nihomehy mihitsy ny rainy mandrapahatonga any amin'ny fanazavana fa mamahana osy amin'ny katy izy… fa tsy amin'ny zanany vavy izay sarobidy aminy. Saripikan'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.

Misakafoana ao amin'ny facefood. Saripikan'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.
- “Ny saina madio sy mandinika indrindra dia ny an'ireo izay tia loko indrindra.”
-John Ruskin, Ny Vaton'i Venizy. Saripikan'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.

Ethiopiana Mpanaingo, Salam Nigussie, mmpiseho ny sanganasany: “Izaho no manaingo sy manjaitra izay [fitafiana] anaovako.” – Salam Nigussie. Saripikan'ny Olombelon'i Ethiopia. Nahazoana alalana.