Ny 28 Desambra teo, hetsi-panoherana nanao tohivakana sy fitokonana faobe nokarakarain'ny fikambanan'ny mpiasa no nanozongozona an'i Korea Atsimo.
Nanomboka ny mitatao vovonana ka hatramin'ny alimbe, manodidina ny 100.000 ireo olom-pirenena sy mpiasa no naneho an-katezerana ny fanoheran-dry zareo ny tantara ratsin'ny fanodinkodinana valim-pifidianana sy fepetra fanampenam-bava ireo fikambanan'ny mpiasa nataon'ny governemanta eo an-toerana, hatramin'ny hetsika hamindràna ny rafitra fitaterana an-dalambim-pirenena ho an'ny tsy miankina, raha mandà ny fitakiana tahàka izany kosa ny ao amin'ny fitantànana. Ny mpanaramaso sasany dia miantso ilay fipoahana hetsi-panoherana ho porofo fa efa akaiky “hahatratra ny teboka mampangotraka azy” [ko] ny hatezeram-bahoaka
Na dia tsy nahatratra ny tanjony hitaona olona iray tapitrisa aza ilay izy, maherin'ny 100.000 [ko] no voalaza fa tonga nandray anjara hatramin'ny fiafaran'ny tolakandro. Na dia zara raha nisy 20.000 aza no vinavina naroson'ny polisy ho fitambarany, ny sasany miady hevitra amin'ilay isa amin'ny filazana fa 13.000 ireo polisy mpandrava korontana no nahetsika tamin'iny tranga iny.
Sary iray mivezivezy any anaty aterineto any no tsikaritra fa efa tamin'ny 2010 raha ny marina. Kanefa, betsaka sary manaitra mampiseho ny halehiben'ilay hetsi-panoherana fototra tao amin'ny kianja Seoul mivezivezy any anaty tranonkala any:
차벽에 막혀 광장 진입을 못하고, 광장 밖 도로까지 꽉찬 민주시민들의 모습 입니다. via @mediamongu pic.twitter.com/MoVpmcbD73
— 내일은해가뜬다!(시국선언) #바꾸세 (@me_eric) December 28, 2013
Tsy afaka niditra ny kianja ny vahoaka satria nisy rindrina nataon'ny fiaran'ny polisy teny an-toerana nibahana ny làlan-dry zareo. Ho solon'izay, rakotra tanteraka an'ireo olona ireo ny làlana rehetra nanodidina ny kianja.
잘 안 보이시겠지만 철도민영화 반대 위해 모인 서울광장 안 전체 인파를 사진 3장으로 연결해 보여 드리겠습니다. 전체 참가 인원의 30%가 빠진 상태임을 감안 하고 봐주시길 바랍니다 pic.twitter.com/l2GKDMShe6 — 미디어몽구 (@mediamongu) December 28, 2013
Sarotra ny haminavina ny tena haben'ilay hetsi-panoherana nanoherana ny fanisahana ny lalambim-pirenena ho an'ny tsy miankina raha ny saripika fotsiny no jerena. Saingy hakàriko ihany aloha ireto saripika telo ireto, izay ahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana “tao anatin'ny” kianja. Raiso anaty kajikajy azafady ny hoe 70 isan-jaton'ireo mpandray anjara ihany ireo.
서울광장은 이미 포화상태… pic.twitter.com/3EUKvxKj2B — 좌린 (@zwarin) December 28, 2013
Efa feno tanteraka sahady ny kianja Seoul.
시청역 6번출구;;;; pic.twitter.com/FjFTLgnfR1
— 좌린 (@zwarin) December 28, 2013
Ity ny saripika iray ahitàna ny fivoahana No. 6 ao amin'ny fiandrasana fiaran-dalamby ambanin'ny tany tao amin'ny Lapan'ny Tanàna izay mitondra mankany amin'ny kianja Seoul ]
Na dia ireo fikambanan'ny mpiasa aza no tena nandray anjara betsaka indrindra, vondrona maro hafa tsy fikambanan'ny mpiasa koa no nikarakara hetsi-panoherana androany, isan'ireny ny mpianatra, ny mpisolovava, ny mpiasan'ny media [ko] ary vondrona tokana iray niavaka, ny KOCA (Korean Online Communities Alliance) [ko] izay vao haingana no nijoroany, fikambanana iray misy ireo vondrom-piarahamonin'ny tranonkala lehibe ety anaty aterineto hita ao amin'ny firenena.
Ny hetsi-panoherana nanana lohahevitra “Tsy ao tsara isika” (nanomboka tamin'ny 12 antoandro hatramin'ny 3 ora tolakandro)
Tao Seoul, Daejeon, Changwon ary Pusan, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana, mpianatra no betsaka, dia nifandimby niaka-tsehatra sy nitanisa ny “antony mahatonga azy ireo tsy ho ao tsara” [ko] nanomboka tamin'ny 12 antoandro, hatramin'ny manodidina ny 3 ora tolakandro teo ho eo.
개포고 대자보 붙였다고 징계한답니다. 여고생 “우리도 할말해야 안녕할 수 있다.” pic.twitter.com/N4xudilUv2
— 류승완 (@PhD_RYU) December 28, 2013
Mpianatra iray avy any amin'ny lisea no niteny fa mety hiatrika famaizana ireo mpianatra sasany ao amin'ny lisean'i Gaepo noho ny namoahan'izy ireo sorabaventy natao sora-tànana. Hoy izy: “hahatsapa ho ao ‘tsara’ izahay aorian'ny fahafahanay maneho ny eritreritray”
Seho Tselatra (tamin'ny 3 ora tolakandro)
Natao tao Seoul, Pusan, Gwangju, Daejeon sy Daegu ny hetsika tselatra nataon'ireo olom-pirenena nihira ny hiran'ny revolisiona “Mandre ny vahoaka mihira ve ianao?” avy amin'ilay hatsikana an-kira “Les Misérables” natao tao. Ity ny lahatsary iray avy amin'io hetsika tselatra io izay natao teo akaikin'ny Anjerimanontolon'i Yonsei University ao Seoul :
Hetsi-panoheran'ireo mpisolovava mpiaro zo sivily (nanomboka tamin'ny 2 ora hatramin'ny 3 ora tolakandro )
Tamin'ny 2 ora tolakandro, nanao hetsi-panoherana tao Bosingak Bell Pavilion ireo mpisolovava mpiaro zo sivily, ary teo amin'ny 3 ora tolakandro teo dia nandeha nankany amin'ny kianja Seoul.
‘법정에서 거리로!!’ ‘정의를 이기는 불의는 없다’ 변호사들마저 민주주의를 외치기 위해 보신각에 모여들고 있습니다. 민주주의 추락과 상식의 요구가 여기까지 왔습니다 pic.twitter.com/GJ43cqpHcg
— 미디어몽구 (@mediamongu) December 28, 2013
Teo ambanin'ny teny faneva “Avy any anaty efitrano fitsaràna hatreny an'arabe” sy “Tsy misy zava-tsy rariny hahazo rariny izany”, nivondrona tao Bosingak hitaky demaokrasia ireto mpisolovava ireto. Mampiseho io hoe hatraiza no efa fitontongan'ny demaokrasia sy ny fahaiza-miainan-tsika.
Fitokonana faobe nataon'ireo vondron'ny mpiasa (nanomboka tamin'ny 3 ora hatramin'ny 4 ora tolakandro)
Talohan'ny namonjeny ireo vondrona hafa, nikarakara fihetsiketsehana nahery vaika tao amin'ny kianja Seoul ireo sendikan'ny mpiasa hanoheran-dry zareo ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanenjika ireo mpiasan'ny lalamby noroahana sy ireo mpitarika sendikàn'ny mpiasa.
이시간 시청광장엔 한국노총에서도 연대를 위해 많은조직에서 참여 했군요 박수를 보냅니다 ‘민주노총 총파업으로 국민철도 지켜내자’ pic.twitter.com/pTMj4PfV5s
— 홍반장 (@woodstock1000) December 28, 2013
Nomeko tehaka mirefodrefotra ry zareo noho ny fiaraha-mientana matanjaka nasehony – maro ireo vondrona, na dia ny KLUC [Korea Labor Union Congress] aza no nanatevina laharana, nihiaka ny “Ho arovanay ny rafitry ny lalambintsika amin'ny fanaovana fitokonana faobe ataon'ny Fivondronamben'ireo Sendikan'ny Mpiasa Koreana”
(14:57) 영풍문고앞에서 서울 광장을 향하는 건설 노조.. 끝이 안보입니다.. pic.twitter.com/mx7jr2ZsbT
— 주먹이운다 (@jumeok_) December 28, 2013
(nanomboka tamin'ny 2:57 tolakandro) namindra avy ao Seoul ho any “Youngpung Bookstore” ny Sendikan'ireo Mpiasan'ny Fanorenana. Tsy hitan'ny masoko hoe hatraiza no faran'ny laharan-dry zareo.
Famoriam-bahoaka goavana
Famoriam-bahoaka gaovana iray nomanina hatao tamin'ny 4 ora tolakandro, saingy tamin'ny 2 tolakandro teo ho eo dia efa feno tanteraka ny kianja Seoul
◆서울시청 광장(1:30 >> 2:55분) 실시간 상황! 현재 발 뒤딜 틈이 없을 지경!! http://t.co/FcJ6Yl9BYL pic.twitter.com/HGyaB28mLO
— 술상무100 (@natureslaw100) December 28, 2013
Ny sary eo ankavia dia maneho ny kianjan'ny Lapan'ny Tanàna ao Seoul tamin'ny 1:30 tolakandro ary ny eo ankavanana dia nalaina tamin'ny 2:55 tolakandro. Amin'izao fotoana tsy misy tany hodiavin'ny tongotra intsony.
Nitohy ny alina ny hetsi-panoherana
Dec 28, 18:30, General Strike in #SouthKorea against privatization of public railroads. via @Nomadchang pic.twitter.com/l0ykPmcte0 — 신데렐라가 된 마케다 (@makeda_2) December 28, 2013
Dec 28, 18:30 , fitokonana faobe tao #SouthKorea nanoherana ny fanisahana ho an'ny tsy miankina ny lalambim-pirenena. avy amin'i @Nomadchang pic.twitter.com/l0ykPmcte0