
Pikantsary avy tamin'ny lahatsary manokana an'ny RASSD mampiseho lehilahy ampijaliana ao amin'ny tobin'ny polisy ao Ejypta
Niverina tao Ejypta indray ny herisetran'ny polisy, taorian'ny fipoiran'ilay lahatsary tafaporitsaka mampiseho lehilahy iray nalàna baraka sy nampijalian'ireo polisy manampahefana. Ny tambajotram-baovao RASSD no namoaka ny lahatsary, mampatsiahy ny Ejipsiana mikasika ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Hosni Moubarak, voahongana tamin'ny fiandohan'ny revolisiona.
Tsy nanome ny daty nitrangan'ny fihoaram-pahefana ny lahatsary navoaka tamin'ny 2 Novambra 2013, tao amin'ny RASSD niaraka tamin'ny fivoahany tao amin'ny pejy YouTube.
Ao anaty trano tahaka ny tobin'ny polisy, tazana voavelin'ny karavasy ilay lehilahy ary nitsotra fa Sawsan (anaram-bavy) no tena anarany – ary te ho l***na izy. Noterena hamerina izany fehezanteny izany hatrany hatrany ity lehilahy ity. (Tandremo: mahery vaika ny teny)
Tao amin'ny Twitter, RASSD nilaza hoe:
#تسريبات_رصد| تسريب جديد حصلت عليه شبكة #رصد يظهر وحشية و لا إنسانية الانقلاب من داخل مركز شرطة أبو قرقاص بمحافظة… http://t.co/c3JsJkcbBI
— شبكة رصد (@Rassd_News) November 3, 2013
Lahatsary hafa tafaporitsaka azon'ny RASSD, izay mampiseho ny fomba feno herisetra sy feno habibiana ny fanonganam-panjakana [governemanta] ao anatin'ny tobin'ny polisy ao Qurqas, ao amin'ny governoràn'i Minya.
Na dia mbola manjaka eny an-dalambe Ejipsiana aza ny herisetran'ny polisy, niteraka fahatezerana, rikoriko ary fahadisoam-panantenana teo amin'ireo mpiserasera ity lahatsary vaovao ity.
Farah Saafan nilaza hoe:
الأمل إن في يوم تكون وزارة الداخلية عاملة إجتماع و مدعو فيه كل أفراد الداخلية واحد واحد.. و تحصل المعجزة و الأرض تنشق و تبعلهم
— Farah Saafan (@FarahSaafan) November 2, 2013
Ny fanantenako dia indray andro hany, hiangona amin'ny toerana iray ny mpiasan'ny minisiteran'ny Atitany rehetra … ary hisy fahagagana hiseho avy eo: hivava ny tany ary hitelina azy rehetra!
Bilaogera Mostafa Hussein mahita fifandraisana eo amin'ny fanohanana tsy misy fepetra ny polisy sy ny tafika ataon'ny ampahan'ny vahoaka Ejipsiana sy ity karazan-kerisetra ity:
مشكلة موضوع الشرطة والشعب أيد واحدة ان أول ما الشرطة بتسمع كده بتعمل اللي في الفيديو ده في الشعب. http://t.co/dmPNoWzgio أيه الحل مع الشرطة؟
— Mostafa Hussein (@moftasa) November 2, 2013
Ny olana eo amin'ny polisy sy ny vahoaka dia raha vao mahare izany ny polisy, dia manao izao karazana habibiana hitantsika amin'ny lahatsary izao
Amr Abdel Halim nanampy hoe:
الفيديو المسرب لتعذيب مواطن في قسم أبو قرقاص، على بشاعته، يظهر الحد الأدنى فقط لما تمارسه الداخلية يوميا من تعذيب منهجي متوحش
— Amr Abdel-Aleem (@AmrAleem) November 2, 2013
Tena mampihoron-koditra, ilay lahatsary tafaporitsaka izay mampiseho polisy manamboninahitra iray mampijaly sy manala baraka olom-pirenena ejipsiana. Toa mbola ny kely indrindra amin'ny fampijaliana isan'andro sy mahazatra ataon'ny mpifehy ao amin'ny minisiteran'ny Atitany izany.
Tao amin'ny Facebook, mpamaky iray naneho hevitra hoe:
هل تعتقدوا ان ده بيحصل في اقسام اي دولة متحضرة في العالم حتي لو المتهم قاتل قتيل ممكن يهينوا كرامته لفظيا وبالضرب والاهانة بالشكل ده؟؟؟ وبتسموا الانقلاب ثورة ههههه هي فعلا ثورة بس ثورة مضادة لارادة الشعب المصري يعني ثورة العسكر عالشعب
Mihevitra ve ianao fa miseho eny amin'ireo tobin'ny polisy any amin'ireo firenena voarindra ara-piarahamonina izao? Na dia voaheloka ho mpamono olona aza izy, mety halain'izy baraka am-bava fotsiny izy saingy ho karavasiany ve na hampijaliany tahaka izao? Ary avy eo antsoin'izy ireo ho revolisiona ny fanonganam-panjakana haha. Tena revolisiona – saingy manohitra-revolisiona mitsipaka ny fanirian'ny vahoaka ejipsiana. Revolisionan'ny tafika mamely ny vahoaka izany.
Fatima Said nanampy hoe:
Many innocent civilians are being subjected to torture by security forces in #Egypt. We're witnessing a return to Mubarak's police state.
— Fatima Said (@fattysaid) November 6, 2013
Maro ireo olo-tsotra tsy manan-tsiny niharan'ny fampijalian'ny mpitandro ny filaminana tao Ejipta. Mahita maso ny fiverenan'ny toetran'ny polisin'ny Mubarak izahay
Nandritra ny taona maro, lahatsary marobe misy herisetran'ny polisy sy fanambarana no nipoitra tamin'ny aterineto. Ny tena malaza dia ilay fampijaliana mahatsiravina nahafaty an'i Khaled Said, lehilahy 28 taona avy ao Alexandria, izay voalaza fa novonoin'ny polisy. Nahatonga fahatezerana sy fihetsiketsehana ny sary misy ny vatany efa potika tanteraka, izay nivoaka tao amin'ny aterineto, ary anisan'ny nitarika ny fihonganan'i Moubarak fito volana taty aoriana.