Tantara tamin'ny 10 Novambra 2013
Ejypta: Herisetran'ny Polisy Mamelona Indray Ny Tahotry ny Fiverenan'ny Fitondrana Teo Aloha
Niteraka fahatezerana tao amin'ny aterineto ny firoboroboan'ireo lahatsary ahitana fampijaliana eny amin'ny tobin'ny polisy. Niverina amin'ny tetikadiny maloto ve ireo polisy sa efa mahazatra azy ireo ny fampijaliana olona?
‘Ahoana No Tsy Hiraharahantsika Ireo Kamboty Ao Nizera?’

"Olana goavana ao Nizera ny fahakambotiana, ary toe-javatra akaiky ny foko hoy ireo bilaogera vaovao avy ao amin'ny Rising Voices tetikasa Sarintany ho an'i Nizera.
SARIPIKA: Avy Any Amin'ny “Outer Space” Mankany Amin'ny “Cyberspace”, Tako-masoandro Amin'ny Ampahany Ho an’ Nizeria.
Nahita maso ny tako-masoandro tamin'ny ampahany ireo Nizeriana tamin'ny Alahady 3 Novambra, tranga iray izay mazava ho azy fa nahatonga ireo Nizeriana mpisera anaty aterineto haneho hevitra.
Adihevitra momba ny Fanavakavaham-bolonkoditra Nanjo Ny Mpanampy Vavy Telo Nandritry ny Halloween Tany Lebanona
Mpanao bilaogy Libanona tezitra tamina vehivavy telo niankanjo tahaka ny mainty hoditra mpiasa an-trano, nandritra ny Halloween. Fantaro ato anatin'ity lahatsoratra ity ny antony.
“Avelao Ny Rosiana Ihany No Hamafa Ny Arabeny “: Mieritreritra Ny Momba Ny Herisetra Ara-Poko Ireo Vitsy An'Isa

Milaza ny fahitany ny savoritaka any Biryulyovo, ary mampiasa ny teny iraisan'ny maro - ny Rosiana- amin'ny aterineto ireo Rosiana tsy manana rà Rosiana.
SARIPIKA: Voatoraka Entona Mandatsa-dranomaso Ireo Shia Mpisaona Tany Bahrain
Voatoraky ny entona mandatsa-dranomaso tany Bahrain ireo mpisaona avy amin'ny Shia raha nankalaza ny fanombohan’ny volana silamo Muharram, araka ny voalazan’ireo mahery fo, izay manondro ny fitondrana Bahraini ho nanafika ny fahalalahana ara-pivavahana tao amin’ity fanjakana Arabo feno fitaintainana ity.
Bitsik'i Karaiba Ho An'i Tessanne Chin
Miezaka mafy ny handresy tamin'ny andiany faha-5 -n'ny The voice tao amin'ny NBC i Tessanne Chin, ilay Jamaikana mpiangaly mozika mampihetsi-po - ary isan-kerinandro dia maneho ny fanohanany azy ireo Jamaikana mpisera anaty aterineto.
Solitanin'i Bénin: Fikoropahana sa Fanambaràna Politika?
Nanambara ny governemanta beninoà fa nahita toera-pitrandrahana solika tao amin'ny faritra Sèmè-Podji. Mahafaly ny sasany izany toe-javatra izany fa mampanontany ny hafa kosa hahalalany ny antsipirihany momba ny fahitana ity zava-baovao ity.