Tantara tamin'ny 29 Septambra 2013
Tonian-dahatsoratra Maraokana Nosamborina Fa Nandefa Lahatsarinà Mpampihoroho
Ali Anouzla dia voasambotra tamin'ny herinandro lasa iny noho ny tranonkalany nanasongadina lahatsoratra iray mikasika lahatsary iray nambara ho nakarin'ny Al-Qaeda tety anaty aterineto. Ny sasany mino fa ilay lahatsoratra dia nanome fialàna bàla tsara fipetraka ho an'ireo manampahefana mba hisamborana an'ilay mpanao gazety.
Fanadihadiana: Sonya Yan Song Mpikaroka Momba Ny Sivana Any Sina
Sonya Yan Song dia mpikaroka iray sady mpamokatra rindrambaiko miasa manodidina ireo lohahevitra resahana betsaka amin'ny sivana anaty aterineto ao Sina. Tao anatin'ny fikarohana nataony farany,dia nikaroka ny hamoahana ny tahan'ny lahatsoratra nofafàna ho an'ireo vaovao aty anaty aterneto izy.
Mivadika Sehatra Fanaovana Ady Totohondry Ny Parlemantan'i Tanzania
Vao tsy ela izay, nifanandrina tamin'ireo mpiambina ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta. Tsy vao izao no niafara amin'ny fifandirana ny olana any amin'ny Parlemantan'i Tanzania.
SARY : Fanaparitahana Amin-Kerisetra Ireo Mpanohitra Ny Fifidianana Any Kambodza
Nomelohin'ny mpiaro ny zon'olombelona ny fanaovana herisetra nataon'ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra ny fifidianana any Kambodza. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tena bala ihany koa ny mpitandro filaminana
Però : Rava Ilay Piramida Tranainy
Miady ny Peroviana ho fiarovana ilay toerana mirakitra vakoka 4.000 taona tandindoninà foto-drafitrasa .