Ilay Dia An-tongotra Mandeha Irerin'i Vladimir Putin

Efa am-bolana izao ny tao Kremlin no manome vahana ny bilaogera rosiana hanimbazimba ny governemanta sy ny filoha Vladimir Putin. Tsy nahitana soritra fihenam-piodinana ny tsingeringerina hafahafan'ny filoha. Ny tranga amin'izao fotoana izao — nodimandry tamin'ny herinandro noho ny aretina tsy nolazaina ampahibemaso ny mpampianatra judo an'i Vladimir Putin, sady nilaza tena ho “ray faharoa” Anatoly Rakhlin. Niverina [ru] tao an-tanàna niaviany tao St. Petersburg ny filoha Putin roa andro taty aoriana mba hanatrika ny fandevenana an'i Rakhlin. Rehefa vita ny fandevenana dia  namoaka lahatsarin'i Putin nandeha irery tao an-tanàna niaviany, tao anaty endrika malahelo sy ketraka ny fantsona tohanan'ny fanjakana Rosia Anio.

Tamin'ny fahitana ny fahafoanan'ny (fahanginan'ny) lalàn'i St. Petersburg izay maresaka sy be olona amin'ny ankapobeny dia nivandravandra fa efa nomanina ity fandehanana an-tongotra nampihetsi-po ity. Ka niainga avy hatrany ny esoeso avy amin'ny bilaogera mpanohitra.

Nananihany [ru] niaraka taminà pikantsarin'efijery [ru] ahitana an'i Putin niampita arabe ny kaonty Twitter malaza ho mpanaraby KermlinRussia :

Mifikitra eo amin'ny fitondrana i Putin satria tsy mahay manao na inona na inona izy.  Tsy hainy akory na dia ny miampita arabe aza.

Nasongadin'ilay [ru] bilaogera sady mpikatroka ara-tsosialy Mitya Aleshkovsky fa, raha ny marina, dia nandika lalàna i Putin:

Однако, штраф за нарушение этих правил безопасности дорожного движения, в совокупности – 500 рублей. Но не для президента, он гуляет где хочет, когда хочет, и как хочет. Напоминаю, что сегодня – рабочий день, и его прогулки вполне могут сорвать кому-либо рабочую встречу, производственный план, личные или бизнес-договоренности, ну и так далее, но все мирские проблемы меркнут когда его величеству грустно.

Na izany aza dia misanda 500 robla ny onitra aloa rehefa mandika ny lalànan'ny fifamoivoizana. Saingy tsy ho an'ny filoha izany, mandeha an-tongotra any amin'izay tiany andehanana izy, amin'ny fotoana sy ny fomba hanaovany izany. Ampahatsiarovako anareo androany fa andro fiasana androany, ary mety ho nanimba ny fivorian'asa, na nanimba fahavokarana na nanimba fifampiraharahana ara-barotra na an'olo-tsotra manokana, sy ny sisa tsy voatanisa ny fandehandehanany an-tongotra, saingy vasoka daholo izany voatonona rehetra izany rehefa malahelo ny Mpanjaka.

Nanamarika [ru] ny mpaka sary Rustem Adagamov fa voasazy nandoa onitra noho ny fandikan-dalàm-pifamoivoizana ho an'ny mpandeha an-tongotra, ny andro mialoha io indrindra ny mpikatroka sady filohan'ny federasionan'ny Tompon'ny Fiara Rosiana Vadim Korovin:

Voasazy nandoa onitra noho ny fiampitana arabe teny amin'ny toerana tsy izy omaly i Korovin.  Fa nahoana no tsy nampandoavin'ny polisin'ny fifamoivoizana onitra i Putin?

Mamazivazy [ru] ny endrika lazaina ho malahelon'i Putin ny sasany toy ny mpikambana ao amin'ny mpanohitra Roman Dobrokhotov:

Ny tena izy diso daholo ianareo rehetra [momba ny fandehanany an-tongotra] “namborina,” “filoha lany henatra” – fahadalàna daholo izany. Ny tena marina, olombelona fotsiny i Putin. Mandeha fotsiny izy fa poritra.

Ny hafa, tahaka ny mpanao gazety Arkady Babchenko moa dia nananihany [ru] tamin'ireo lalana foana [tsy misy olona]:

Putin walking down a desolate St. Petersburg street. YouTube screenshot.

Putin mandeha an-tongotra amin'ny lalana mampahonenan'i St. Petersburg. Pikantsary YouTube.

Какие питерцы молодцы – полностью решили проблему с парковками и пробками. Да и вообще с машинами. Да и с людьми.

Tsara ho an'ny mponin'i St. Petersburg izao – voavahan-dry zareo tanteraka ny olan'ny fiantsonan'ny fiara sy ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Ny ny fiara amin'ny ankapobeny. Sy ny olona.

Ity no bemidina fahaefatra nataon'i Kremlin eo amin'ny sehatry ny fifandraisana amin'ny vahoaka hatramin'ny volana lasa. Voalohany, nampisehoana an'i Putin nidina tao amin'ny sambo milentika iray nyvahoaka tamin'ny fotoana niverenan'i Alexei Navalny tao Moskoa avy nanatrika fotoa-pitsarana tany Kirov. Narahin'ny diam-panjonoana [GV] nataon'i Putin izany, izay nitabatabana ny sekreteran'i Putin miandraikitra ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety noho ny lainga momba ny lanjan'ny trondron'ny filoha. Avy eo nisy ny fivoahan'i Putin tao anatin'ny endrika matroka tao amin'ny lasy isan-taonan'ny tanora Seliger, izany nifampiresahany tamin'ny lehilahy iray manao akanjo kôkômbra. Ary ity ny farany. Tsy mahita atao intsony ve i Kremlin? Sa izao ny fomba an-kafetsena hanodinana ny sain'ny olona tsy hitodika amin'ny zavatra lehibe kokoa toy ny fifidianana ho Ben'ny tanànan'i Moskoa izay efa akaiky?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.