Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Vavahady Ampiasan'i Etazonia Hitsikilovana Ny Firenena Amerika Latina i Poerto Riko

Jereo ny fitantarana manokana ataonay momba an'i Snowden: The US is Watching You (Mijery Anao I Etazonia).

Nanomboka tamin'ny ampamoaka nataon'i Edward Snowden mikasika ny programam-pitsikilovana nomerika ataon'ny governemanta Amerikana sy ny fielezan'izany manerantany, mbola mitohy sy miteraka resabe hatrany ity raharaha ity. Namoaka [es] fanadihadiana momba ny andraikitr'i Poerto Riko mikasika ny fitsikilovana ireo mpifanolo-bodirindrina aminy ao Amerika Latina ny Ivon-toeran'ny Asa Fanaovan-gazety Mpanao Fanadihadiana (CPI) ao Poerto Riko.

Loharanom-baovao Amerikana Latina sy Espaniola maro no efa nampahafantatra izany.

Nanazava ny CPI fa tao amin'ny tobin-tsambo efa nakatona ao amin'ny faritra Sábana Seca, kaominin'i Toa Baja, akaikin'ny renivohitra San Juan, nanatontosa hetsika niarahana ny sampam-piarovana nasionaly amerikana (NSA) sy ny Sampam-pitsikilovana (CIA) nandritra ny taona maro ka ny hanangona ireo tahiry momba ny fifandraisan'ireo olom-pirenena ao amin'ny firenena Amerika Latina no tanjony tamin'izany, firenena tahaka an'i Brezila, Kolombia ary Venezoela. Nanamafy izany ny tsiambaratelo navoakan'i Snowden. Araka ity lahatsoratra ity:

Esta operación en Puerto Rico servía para coordinar con otras oficinas en Brasilia, Bogotá, Caracas, Ciudad de México y Ciudad de Panamá mediante un programa llamado Fornsat, con el que la NSA y la CIA interceptaron miles de millones de llamadas telefónicas, mensajes electrónicos y de texto y comunicaciones por Internet privadas.

Ny tanjon'ny hetsika tao Poerto Riko dia ny hiasa miaraka amin'ireo birao hafa ao Brasilia, Bogotá, Caracas, Meksiko sy ny tanànan'i Panama, amin'ny alalan'ny tetikasa antsoina hoe Fornsat, izay fampiasan'ny NSA sy ny CIA handraisana an-tsokosoko ireo antso an-taroby, hafatra amin'ny aterineto, somaiso sy fifandraisana manokana amin'ny aterineto aminà miliara.

Na dia nakatona aza ny toby ao Sábana Seca satria efa tsy maharaka ny fivoaran'ny teknolojia —araka ny filazan'ny tafika an-dranomasina —mbola ahitana fitaovana ihany ao amin'ny faritra Ingenio, izay lazain'ny CPI, ho “hazon-damosin'ny “Echelon”,tetikasa iarahan'ireo firenena mpiara-dia amin'i Etazonia, napetraka nandritra ny taompolo 1960, nandritra ny Ady Mangatsiaka “mba hahazoana an-tsokosoko ireo fifandraisana sy vaovao lehibe mandeha amin'ny alalan'ny zana-bolana.”

Niely aoka izany tao amin'ny Twitter ny fanadihadian'ny CPI. Zendana tanteraka ny olona rehefa naneho ny fihetsepony fa voamarina ihany ny ahiahin'izy ireo nandrira ny fotoana lavalava raha miresaka ny toby Toa Baja izay mbola eo amban'ny fahefan'ny tafika an-dranomasina Amerikana

@Nancy_Millan: El que sorprenda con esta noticia no sabe en que país vive. http://fb.me/6orBuTQWh

@Nancy_Millan: Ireo izay mbola gaga amin'ity vaovao ity dia tsy mahafantatra ny firenena onenany. http://fb.me/6orBuTQWh

‏@ImperioCaliban: Sabia que era cuestión de tiempo para que Puerto Rico terminara involucrado en el espionaje denunciado por Snowden cpipr.org/historias/48-a…

‏@ImperioCaliban: Fantatro fa resaka fotoana fotsiny ity mba hahatafiditra an'i Poerto Riko amin'ny resaka fitsikilovana nambaran'i Snowden cpipr.org/historias/48-a…

@LeilaMovil: El equipo de espionaje de EEUU ha estado aquí hace décadas. Esto confirma que siguen usándolo. #PuertoRico#Snowdenhttp://ow.ly/mTRnF

@LeilaMovil: Efa teto nandritra ny taona maro ny ekipa mpitsikilon'i Etazonia. Manamafy izany fa mbola manohy mampiasa izany izy ireo. #PuertoRico#Snowdenhttp://ow.ly/mTRnF

@Felotrompeta: Entonces habrán algunos que justificarán y/o verán con buenos ojos estás acciones… http://fb.me/RVCz0fvt

@Felotrompeta: Misy ireo hanamarina / na hahita maso ireo hetsika… http://fb.me/RVCz0fvt

@rickyreys: Y no se crean q el #NSA no verifica los Data Centers de Puerto Rico

@rickyreys: Aza mihevitra fa tsy hanamarina ny angona ao amin'ny Foiben'ny tahirin-kevitra ao Poerto Riko ny #NSA

Caricatura Kike Estrada: Desde Puerto Rico se espía mejor.

Sariitatra nataon'i Kike Estrada miresaka ny teny filamatry ny Biraon'ny Fizahan-tany ao Poerto Riko “mahavita izany tsara kokoa i Poerto Riko.” (Dikany: “Tsara ny mitsikilo avy ao Poerto Riko.”)

Mahagaga, na dia eo aza ny loza mety ateraky ny vaovao navoakan'ny CPI, tsy dia re tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Poerto Riko ny vaovao. Mpanao gazety Hiram Guadalupe (@hiramgp) naneho hevitra taminà fanadihadiana nivoaka tamin'ny 12 Jolay tao amin'ny habaka Metro [es]:

 

Llama la atención, sin embargo, la poca importancia que los medios corporativos puertorriqueños han mostrado sobre este asunto al manifestar cautela en la divulgación de esta investigación que, por su trascendencia, debería ocupar las primeras planas de informativos impresos y electrónicos.

Manaitra, na izany aza, ny tsy firaharahian'ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Poerto Riko ity vaovao ity hametrahany  ny fisalasalany hitatitra ny fikarohana, izay noho ny halehibeny, tokony tokony havoaka amin'ny pejy voalohany amin'ny gazety sy aterineto.

Salvador Tió, mpanoratra ao amin'ny Kaos en la Red [es], mahafantatra fa amin'ity ampamoaka ity, mibaribary fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny filazan'ny governemanta Amerikana vao haingana fa hamaha ny olana momba ny rafitra ara-politika ao Poerto Riko izy:

Estas actividades de espionaje que dirigen los servicios de inteligencia de los EUA en Puerto Rico constituyen una grave violación al derecho de los pueblos de Nuestra América a su libre determinación. Además constituyen la negación misma de las palabras de Casa Blanca en el sentido de que interesan propiciar un verdadero proceso de descolonixzación [sic] en Puerto Rico.

Fanitsakitsahana goavana ny zon'ny vahoaka eto Amerika antsika hanana fanapaha-kevitra manokana ny asam-pitsikilovana ataon'ny sampam-pitsikilovana Amerikana ao Poerto Riko. Ankoatra izany, mifanohitra tanteraka tamin'ny fanambaran'ny Trano Fotsy ny zava-misy raha nilaza izy fa eo an-dalam-panafoanana tanteraka ny rafi-panjanahantany [sic] ao Poerto Riko.

Azo jerena eto ny Storify nataon'ny Al Jazeera mikasika ny fisian'ny programam-pitsikilovana ao Poerto Riko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.