Namoaka ny vokatry [mk] ny fifaninanana fanaon-dry zareo isan-taona sy ny lahatsarin'ny [mk] lanonam-panolorana ny loka notontosaina tamin'ny 23 Novambra 2012 ny saha-panangonana bilaogy Makedoniana Blogirame [“mibilaogy isika”].
Araka ny safidin'ny olona:
- Ny bilaogy 2012 tsara indrnidra dia ny Common Sense Hate, izay lazaina fa revolisionera (ara-tsosialy, politika) indrindra no mampitokelaka indrindra;
- Angela Dissected no ambara ho bilaogera “sexy” indrindra;
- Bookbox – bilaogin-kolontsaina tsara indrindra;
- Skopje Casual – bilaogin-damaody sy zavatra maoderina hafa tsara indrindra, ary bilaogin-tsary tsara indrindra ihany koa;
- NBA Macedonia – tsara indrindra amin'ny fibilaogevana fanatanjahantena;
- This is Not a Social Media Blog – bilaogy tsara indrindra amin'ny teknolojiam-pifandraisana sy doka an'aterineto.
- Tsanganam-bilaogin'ny Taona: “Fiaimpiainan'ny mpianatra injenieran'ny herinjiro iray” [mk]
(Video by @banekoma.)
Ahitana ireto indray ny mpandresin'ny Twitter mavitrika isan-tsokajy:
- RumStangla – dingam-panombohana sy vehivavy tsara indrindra;
- OffNetMk – fikambanana/orinasa tsara indrindra;
- BatmanSaysT – nandroso haingana dia haingana indrindra;
- Sead93 – ilaina/manandanja indrindra;
- Mekica – sarintava tsara indrindra;
- Sulimanovic – mpisera Twitter ara-panahy indrindra;
- IrenaXXXX – mpisera aorian'ny ora vitsivitsy tsara indrindra antsoina hoe “fahatelon'asa” (#третасмена);
- SkDeeyasporah – mpikambana any am-pielezana mavitrika indrindra.
Ny tenifototra nahatratra ny tampony indrindra tamin'ny 2012 dia ny #ЗдравоБоби (Hello Bobby). JovanaTozija manazava [mk] fa izy ity dia miompana amin'ny “taloha, mba hahatonga ny mpilatro iray hiarahaba anao dia mila mandany volabe ianao, ankehitriny ny hany ilainao dia ny Twitter sy ny fanambarana ampahibemaso ny fanirianao hanana firaisana ara-nofo aminy.” Ny tanjon'ity fanentanana miely haingana, nokononkononin'ny [mk] Nixon, Inc., ity dia “ny hampisehoana herin'ny tambajotra sosialy hahazoana valiny avy amin'ny olo-malaza norevirevena.” Nakan-kevitra avy amin'ny zavatra tena nitranga “ity tetikasam-panoratsorata-poana [trolling] nahomby ity”, araka [mk] an'i RubinBT.
Ny sioka nahatratra ny tampony nandritra ny 2012 dia avy amin'i Ina…
Слободно може да се заебавате на моја сметка, блокирана ми е!
— Ina (@mnogufina) September 24, 2012
“Afa-manala azy amin'ny kaontiko ianareo, voasakana [ny kaontiko]!”