Tantara tamin'ny 26 Novambra 2012
Yemen: Fanafihana Nandritra Ny Ashoura Tao Sanaa
Ny 24 Novambra no andron'ny Ashoura, ary io no andro iray izay sady ankalazain'ny sekta Shiita sy Sionita ao anatin'ny tontolo Miozolmana manerantany. Kanefa, ao Yemen, andro nahitan-doza izy io satria olona efatra no maty ary ampolony no naratra taminà fipoahana iray izay nikendrena Fety Shiita Fankalazàna ny Ashoura tao...
Na dia Eo Aza Ny Mpitarika Vaovao, Mbola Marefo ny Hoavin'i Shina
Nandritra ny herinandro no nanatontosàna ny faha-18 ny Kongresy Nasionalin'ny Antoko Komonista Sinoa ary nifarana tamin'ny 14 Novambra 2012 teo. Taranaka mpitarika vaovao, izay tarihin'i Xi Jinping sy Li Keqiang, no nisolo toerana ny ekipa mpitarika teo aloha izay notarihin'i Hu Jintao sy Wen Jiabao. Raha tonga teo amin'ny fahefana i Hu sy Wen folo taona lasa izay, nihevitra...
Tranon'ny Dalit Nodoran'ny Andian'Olona Ho Setrin'ny Mariazim-poko Samy Hafa
Olona 2000 tamin'ny 7 Novambra no nanafika tobin-toeran'ny Dalit telo tany Dharmapuri Distrikan'i Tamil Nadu. Rehefa avy namono tena noho ny fanilihana ny rain-drazazavavy, dia nanomana fanafihana ny vondro-piarahamonina Dalit ny andian'olona.
Hetsi-panoherana Tao Phulbari Hanoherana Ny Tetikasa Fitrandrahana Arintany Manao Tafo Lanitra
Tao Phulbari, 350 km avaratra-atsinanan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh, tonga niaraka daholo ireo vondrom-piarahamonina samihafa mba hanandratra ny feon-dry zareo manohitra ilay tetikasa fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ilay tetikasa, raha tafapetraka manontolo, dia haka tanàna maherin'ny 100000 ao anatin'ny faritra mirefy 59 Km² manodidina ary hamindràna toerana mponina an-jatony maro...
Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra
Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny...
Nanavaka ireo Bilaogera sy Mpisera Twitter Mavitrika ao Makedonia ny Fifaninanana Blogirame
Namoaka ny vokatry [mk] ny fifaninanana fanaon-dry zareo isan-taona sy ny lahatsarin'ny [mk] lanonam-panolorana ny loka notontosaina tamin'ny 23 Novambra 2012 ny saha-panangonana bilaogy Makedoniana Blogirame ["mibilaogy isika"]. Mitatitra i Filip Stojanovski.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...