Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra?

Efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra teo aloha, ny hackathon manaraka ho an'ny faritra Amerika Latina : Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [es]. Saingy toa misy mpamaky sasany mety tsy hahazo ny tena dikan'ny  hackathon, sy ny ilàna azy.

Martín Onetto avy amin'ny  Red Users [es] dia namoaka hevitra [es] mikasika ny fiavian'ny teny :

el “Hackathon”, (es un) neologismo compuesto por las palabras “hack” + “marathon”. “Es ‘hacker’ en el sentido originario del término: no el que comete delitos informáticos sino el que es capaz de desarmar y transformar para resolver una tarea compleja”,

ny teny hoe  “Hackathon” dia teny vaovao  noforonina avy amin'ny teny hoe “hack” + “marathon”. Mampiasa ny teny “hacker” amin'ny  tena heviny : tsy ireo izay manao heloka bevava amin'ny alàlan'ny solosaina fa ireo izay afaka mandrava sy mamadika asa iray manahirana.

Ny Wikipedia amin'ny fiteny Espaniola dia manana ampahan-dahatsoratra  [es] izay mamaritra tsara ny atao hoe hackathon :

es un término usado en ambiente hacker para referirse a un encuentro de programadores cuyo objetivo es el desarrollo colaborativo de software. Estos eventos pueden durar entre dos días y una semana. El objetivo es doble: por un lado hacer aportaciones al proyecto libre que desee y por otro aprender sin prisas.

teny fampiasa amin'ny tontolon'ny hackers (mpijirika) mba hilazàna fotoana iray izay hivorian'ny mpamolavola rindrambaiko  hiaraha-manangana lozisiely izy io. Mety haharitra roa andro ka hatramin'ny herinandro io fivoriana io. Lafiny roa no tanjona amin'izany : ny voalohany, fandraisana anjara amin'ilay tetikasa misokatra izay vao hoforonina, ary ny faharoa, mianatra milamina nefa azo antoka.[Fanamarihana: jereo ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia amin'ny teny Anglisy raha mila fanazavana fanampiny.]

Betsaka ireo karazanà volavolan'asa azon'ny mpamolavola rindrambaiko, na mpamokatra lozisiely hanokanana ny heriny. Raha ny marina, dia misy karazany samihafa ny hackathon, anisan'izany ireo izay mitodika aminà sehatra manokana, toy ny finday na système d'exploitation sasantsasany, na ireo izay manangana lozisiely amin'ny fampiasana fotsiny ny teny fampiasa amin'ny fanaovana rindrambaiko ho an'ny solosaina na ho anà orinasa manokana.

Imagen de datos.gob.es en Flickr, bajo licencia de Atribución-CompartirIgual 2.0 Genérica (CC BY-SA 2.0) de Creative Commons.

Sary avy amin'ny datos.gob.es amin'ny Flickr, alàlana avy amin'ny Creative Commons  Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0).

Fa ny maha-samy hafa ny hackathons nolazaina tetsy aloha amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latina, dia natokana ho amin'ny resaka ara-tsosialy, toy ny fahasalamana, fampianarana, fiarovana ny mponina, fitaterana, sy ny maro hafa ny Fampandrosoana an'i Amerika Latina. Ny fanontaniana mety hapetrakao angamba dia ny hoe ahoana no hiatrehan'ny mpamokatra lozisiely an'ireto resaka ireto amin'ny fanaovana rindrambaiko ho an'ny solosaina ? Eo no hidiran'ny famolavolana ny angon-drakitra misokatra.

Inona ary izany ny angon-drakitra misokatra ? Raha jerena ao amin'ny Wikipedia miteny Espaniola, dia ho hitantsika fa,

una filosofía y práctica que persigue que determinados datos estén disponibles de forma libre a todo el mundo, sin restricciones de copyright, patentes u otros mecanismos de control.1 Tiene una ética similar a otros movimientos y comunidades abiertos como el Software libre, el código abierto (open source en inglés) y el acceso libre (open access en inglés).

Filôzofia (fahendrena) sy fomba fanao iray dia ny hoe tokony ho an'n'ny tsirairay hidirna malalaka ny angon-drakitra, tsy misy teritery amin'ny resaka zonny mpamorona, na alàlana na fomba fanaraha-maso hafa. Ny tanjon'ny hetsika angon-drakitra misokatra dia mitovy amin'ireo hetsika sasany sy fiaraha-monina misokatra toy ny lozisiely malalaka, open source ary open access. [Fanamarihana: jereo ny lahatsoratra amin'ny Wikipedia amin'ny teny Anglisy raha mila fanazavana fanampiny .]

Ny Open Data Handbook, volavolan'asan'ny Open Knowledge Foundation, dia manao ireto famaritana ireto :

Ny angon-drakitra misokatra dia angon-drakitra azo ampiasaina malalaka, averina ampiasaina indray ary azon'ny olona zaraina- fa fotsiny, voafetra n'ny fepetra fanolorana sy ny fizaràna azy amin'iny endriny iny.

Rehefa miresaka momba ny angon-drakitra misokatra na fanokafana angon-drakitra isika amin'ny ankapobeny, dia miresaka momba ny  angon-drakitry ny governemanta, amin'ny fiheverana fa ny fanangonana sy ny fitantanana ireny angon-drakitra ireny dia atao amin'ny volam-bahoaka, noho izany dia tsy misy tompony io. Mazàna io angon-drakitry ny governemanta io dia saika mahasahana ny asan'ny daholobe izay hanokanan'ny mponina sy ny governemanta vola.

Nitafatafa tamin'i Mariano Crowe, hacker sady mpiara-mitantana ny Escuelab [es], vovonana fianarana sady habaka iaraha-mampivoatra any Lima, Pero izahay, mba hahalalàna bebe kokoa ny momba ny angon-drakitra misokatra.

Vao tsy ela akory izay, David Sasaki, avy amin'ny Omidyar Network, namintina [es] ny toetra fototry ny angon-drakitra misokatra tao anaty lahatsoratra mitondra ny loha-teny hoe “The Eight Main Principles of Open Data (and Hipsters)” “Ireo Fototra Valo Lehiben'ny Angon-drakitra misokatra (sy Hipsters)”: 

- Completo: todos los datos públicos está disponible. Los datos público no contempla datos privados ni limitaciones de seguridad o privilegios.
- Primario: los datos son recolectados en la fuente de origen, con el nivel de granularidad mas alto posible, no en forma agregada ni modificada.
- Oportuno: los datos están disponibles tan rápido como sea necesario para preservar el valor de los datos.
- Accesible: los datos están disponibles para el rango mas amplio de usuarios para el rango mas amplio de propósitos.
- Procesable por maquinas: los datos están estructurados razonablemente para permitir un procesamiento automático.
- No discriminatorio: los datos están disponibles a cualquiera, sin requerir un registro.
- No propietario: los datos están disponibles en un formato sobre el cual ninguna entidad tiene un control exclusivo.
- Libre de licencias: los datos no están sujetas a ningún derecho de autor, patenté, marca registrada o regulaciones de acuerdo de secreto. Razonable privacidad, limitaciones de seguridad y privilegios están permitidos.

- Feno: ny angon-drakitra rehetra ho an'ny daholobe dia malalaka. Tsy tokony hisy an'olon-tokana na fameperana noho ny fiarovana na tsiambaratelo ny angon-drakitra ho an'ny daholobe.
- Avy any ifotony: angonina avy any ifotony miaraka amin'ny kalitao tsara araka izay azo atao ny angon-drakitra, fa tsy ambongadiny na namboarina.
- Mety amin'ny zava-drehetra: vonona amin'ny fotoana ilàna azy ny angon-drakitra mba hitehirizana ny hasarobidin'ny rakitra.
- Azo idirana: ny angon-drakitra dia vonona ho amin'ny mpampiasa midadasika be sy ho aminà tanjona maro.
- Azo atao amin'ny solosaina: manara-drafitra ny angon-drakitra mba hahazahoana manao ny fikarakarana tsy vohizina.
- Tsy manavaka: vonona ho an'izay mila azy ny angon-drafitra,ary tsy misy fangatahana fisoratana anarana.
- Tsy misy tompony : vonona amin'ny endriny izay azon'ny rehetra trandrahana ny angon-drakitra.
- Tsy misy fahazahoan-dàlana: tsy fehezin'ny resaka zon'ny mpamorona, fahazoan-dàlana,mari-pamantarana voapetraka araka ny lalàna na fifanarahana miafina ny angon-drakitra. Ny fiainana manokan'ny olona, ny famerana ny fiarovana, ary ny tombontsoa dia omena alàlana.

Ny AESIC,  Agency for Electronic Government and Information Society of Uruguay na Masoivoho fitantanana ny elektronika sy ny orinasan'ny filazam-baovao any Orogoay, no misahana io resaka io ao amin'ny firenena, ary amin'ny ampahan'ny tranonkalany natao ho an'ny angon-drakitra misokatra, manoratra  ny antony tokony hitandremantsika io fikambanana io :

¿Ud sabe exactamente qué cantidad de dinero de sus impuestos se gasta en alumbrado público o en la investigación del cáncer? ¿Cuál es la ruta más corta, más segura y con vista más linda en bicicleta desde su casa a su trabajo? ¿Y la calidad del aire que respira en el camino? En su región, ¿dónde encontrará las mejores oportunidades laborales y el mayor número de árboles frutales per cápita? ¿Cuándo puede influir en las decisiones legislativas o gubernamentales sobre temas que le preocupan profundamente, y con quién debe hablar?

Fantatrareo marina ve ohatrinona amin'ny vola avy amin'ny hetra aloanareo no mankany amin'ny fanazavana ny làlam-bahoaka na ny fikarohana momba ny homamiadana ? Iza no làlana fohy indrindra, azo antoka indrindra, ary ahatazanana ny mahafinaritra  raha mandeha bisikileta avy any an-tranonao mankany amin'ny toeram-piasanao ? Ary ny kalitaon'ny rivotra izay iainanao eny an-dàlana ? Ary ao amin'ny faritra misy anao, aiza no hahitanao asa mendrika kokoa sy hazo fihinam-boa  betsaka isan'olona ? Rahoviana ianao vao hanan-danja amin'ny fanapahan-kevitry ny mpanao lalàna na ny governemanta momba ny resaka manahirana anao, ary iza no hiresahanao ?

Nambaran-dry zareo, taty aoriana, fa ny fampiasana ny angon-drakitra misokatra avy amin'ny mponina dia mitera-bokatsoa ho azy ireo ihany, ireo rafitra samihafa ary amin'ny governemantany, ary manome ohatra vitsivitsy ry zareo:

- En el área de la transparencia, ¿Adónde va mi dinero? de Gran Betaña, es una aplicación web que muestra cómo el Gobierno gasta los recursos que recauda a través de impuestos. En Dinamarca y Brasil existen aplicaciones donde se puede seguir el proceso de legislación del parlamento.

- El área de información geográfica es una de las más avanzadas, existen múltiples aplicaciones de interés para el ciudadano. Autobuses de la ciudad en tiempo real, de España, permite conocer la ubicación del transporte público en tiempo real y los minutos que le restan al ómnibus para llegar a la próxima parada. OpenStreetMap puede considerarse la “Wikipedia de los Mapas”. Provee datos geográficos gratuitos y de libre disposición para todo el mundo.

- Eo amin'ny sehatry ny fitaterana, Mankaiza ny volako ? dia rindrambaiko Britanika fampiasa anaty tranonkala mampiseho ny fomba fandanian'ny governemanta any an-toerana ny vola voaangona  avy amin'ny hetra. Misy rindrambaiko azonao hanarahana ny fizotry ny fanaovan-dalàna ao amin'ny parlemanta any Danemarka  sy any Brezila.

- Ny sehatry ny fanomezam-baovao ara-jeografika dia isan'ireo efa mandroso, ampian'ireo rindrambaiko maro ahazahoan'ny mponina tombontsoa. Ny Fiara fitateram-bahoaka an-drenivohitra ara-potoana  [es], any Espaina, dia ahitanao ara-potoana ny toerana misy fiara fitateram-bahoaka sy ny elanelam-potoana mandra-pahatongan'ny fiara fitaterana manaraka. Azo heverina ho “Wikipedia -n'ny Sarintany” ny OpenStreetMap. Manome an-kalalahana ary tsy misy fepetra angon-drakitra ara-jeografika ho an'ny tsirairay io.

Ohatra maro momba ny rindrambaiko novokarina tamin'ny angon-drakitra misokatra no azo jerena ao amin'ity rohy iray avy amin'ny AGESIC ity, ao amin'ity rohy avy any amin'ny governemantam-paritr'i Andalozia ity, ary ao amin'ity rohy avy any amin'ny Generalitat-n'i Katalonia ity. Fanampin'izany, ho hitanareo ao amin’ ity lahatsoratra  avy any Ticbeat ity ireo rindrambaiko 10 izay tian'ny olona hovokarina amin'ny fampiasana ny angon-drakitra misokatra.

Saingy, inona no manetsika ireo mpamokatra -izay tsara karama nefa mitady raharaha – amin'ny fahafoizany ny fotoany malalaka hanoratana rindrambaiko tsy andraisana karama ? ho valin'izany, ndao hiverinantsika i Mariano :

Maro ny singa ampiarahana mba ahafahana miasa amim-pahombiazana miaraka amin'ny angon-drakitra misokatra, miainga any amin'ny governemanta izay manana fijery mazava sy matotra izany, ka mipàka any amin'ny vondron'olon-tsotra izay mamporisika sy mizara ny fampiasàna azy. Fa amin'ny lafiny iray, singa fototra miantoka ny fandrosoan'io hevitra io ny mpanoratra rindrambaiko.

Mpamokatra lozisiely ve ianao ? Omeo izay kely avy aminao mba hahatonga ny toerana honenanao ho mendrika kokoa. Eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity, manan-kevitra hahafahana miara-miasa ve ianao ?  Misoràta anarana [es] mba hampivoatra an'i Amerika Latina ary mandraisa anjara

Ny lahatsoratra Voalohany [es] dia naseho tamin'ny bilaogin'i Juan Arellano.
Ny lahatsary voalohany amin'ity lahatsoratra ity dia nosoratan'ny ireireireire ary namboarin'i  Laura Rebollo Quero. Ny lahatsary faharoa kosa dia Sonia Ordoñez no nanoratra sy nanamboatra azy.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.