Tantara tamin'ny 14 Novambra 2012
Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan
Na dia heloka aza ny fakàna vady an-keriny ao Kyrgyzstan, dia mbola betsaka ireo lehilahy manohy maka an-keriny ireo tovovavy iriany ho vady. Vao tsy ela akory izay,namoaka lalàna ireo parlemantera tao Kyrgyz noho ny tery vay manta nataon'ireo fikambanam-behivavy. Ary ankehitriny ny fakàna an-keriny tovovavy sy ny fanerena azy ireo hanambady dia heloka be vava mitovy amin'ny halatra ondry iray ihany koa .
Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?

Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery ... sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.
#8N: fanoherana faobe tany Arzantina
Ny 8 novambra lasa teo dia nahitana fanoherana faobe vaovao indray nanerana an'i Arzantina, nomena ny anarana hoe 8N, nampitoviana amin'ny daty nanombohan'ny fanoherana. Tambajotra sôsialy marobe no niantso ny...
Teknolojia Iray, Fahalalahana Samihafa: Ny Fomba Ahafahan'ny Lalàna Mikasika Ny Copyright Ao Etazonia Mametra Ny Fampiasàna Ireo Fitaovana Mandehandeha

Raha ny fomba fijerin'ny mpampiasa dia tsy misy fahasamihafana mivaingana eo amin'ny smartphone sy ny tablette.Samy solosaina mandehandeha manana fàfana azo kitihana ireo fitaovana roa ireo, ary raha mety hanana rindrambaiko voatokana ho azy ny smartphone, tsy tafiditra ao anatiny tanteraka ny fahafahana miantso na miditra anatin'ny tambajotranà finday
Ny Fientanentanana Faran'ny LiveJournal, Miaraka Amin'ny Famelàn'ny Hery Manokana Rosiana

Noforonin’olona tsy nitonona anarana ny bilaogy LiveJournal hardingush [ru] tamin’ny 15 Septambra 2012. Mbola tsy nisy roa volana akory izay, ilay bilaogy, mitondra ny lohateny hoe Spetsnaz Ingushetii (Ny tafika manokana Ingush), dia laharana faha-425th[ru] ao amin’ny fandaharana ankapoben’ny mpampiasa LJ. Nametraka tsikera mihoatry ny 4,000 tanatin’ireo lahatsoratra samihafa ao anatiny ireo mpampiasa aterineto. Ny efatra tamin’ireo lahatsoratra ireo dia tafiditra tao amin’ny lisitr’ireo 25 voalohany [ru] amin’ny mpitoraka bilaogy Kaokaziana tavaratra tamin’ny volana Oktobra. Fa iza marina moa no ao ambadik'io bilaogy io?
Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana...
Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra?
Efa nambaranay tany aloha ny hackathon manaraka ho an'ny faritra Amerika Latina : Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012. Saingy mety tsy fantatry ny mpamaky maro ny dikan'ny hackaton na ny antony ilàna azy. Eto izahay dia manandrana mamaly ireny fanontaniana ireny amin'ny famaritana, ohatra, ary lahatsary resadresaka roa miaraka amin'i Mariano Crowe, teratany Arzantina, hacker.
Iharan'ny Fanararaotana Ireo Ankizy Eny An-dalambe Ao Bangladesh
Raha mihitsoka mandritra ny minitra vitsy anatin'ny fitohanana ao andrenivohitr'i Bangladesh, Dhaka ianao, dia mety hahita ankizy mihazakazaka mamonjy ny varavarakelin'ny fiaranao. Mitondra voninkazo ny sasany amin'ireo ankizy; ny sasany kosa mihazona...
Hamotika Trano Maherin'ny 200 Eny Amoron-dranomasina Ny ‘Tora-pasika Artifisialy’ Any Hong Kong
Misisika amin'ny tetikasa fanamboarana tora-pasika artifisialy izay hanapotika trano maherin'ny 200 amin'ny moron-dranomasina ny governemanta Hong Kong na dia eo aza ireo fanoherana mafy ataon'ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana sy ny mponina voakasik'izany.
Sodàna: 8 Volana Izay No Notànana Am-ponja Ilay Mpikatroka ao An-tendrombohitr'i Nouba
Ny alin'ny 14 Martsa 2012, nalain'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tao amin'ny trano fonenany ilay vehivavy antsoina hoe Jalila Khamis Kuku ary nampidirina am-ponja. Tsy mahazo maka mpisolo vava izy ary tsy mahazo mitondra akanjo hosoloina ihany koa, natosika tao anaty fiara pickup i Jalila izay mbola niaraka tamin'ny akanjo fentina matory ary NISS am-polony manao fanamiana sivily no nanaraka azy tamin'izany.